· Septambra, 2008

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2008

Japana: ny bika tsy mahasalaman'ny “Oliravina”

  21 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana Japoney Miyakichi ao amin'ny Miyakichi Nikki no mamelabelatra hoe nahoana moa no tsy mahasoa (tsy mifanaraka amin'ny fahasalamana velively) ny bika asehon'ireo mpilatro mahafatifaty manerantany amin'izao fotoana izao ireo [ja], izay mametraka ny safidy ho an'ireo hatsatra tarehy, 40cm ny  (manodidina ny) valahiny ary ny fanaovana kiraro avo voditongotra...

Arabia Saodita: Ankamamian'ny Saodiana ve i Sarah Palin?

  16 Septambra 2008

American Bedu no maminavina raha azo atao olom-pirenena Saodiana filamatra i Sarah Palin: “Manohana ny fampianaram-pamoronana ny tany sy ny eo aminy izy fa tsy ny fampianaram-pivoaran'ny tontolo…Tsy manaiky ny fanalan-jaza izy… Ary ‘tokony’ hahalala zavatra maro momba ny solika izy satria avy any amin'ny fanjakana mpamokatra izany any Amerika.”

Haiti: Ilalana

  09 Septambra 2008

jmc strategies no niteny fa “Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ho Piraiminisitra Haisiana hajaina izao i Michèle Pierre-Louis…Hanokatra Toko amin'ny fanamby lehibe indrindra hatrehin'i Haiti amin'ity taompolo ity :Ny fanorenana indray taorian'ny fandravana nisesy nataon'ireo rivodoza Fay, Gustav, Hanna ary Ike.”

Oman:Ramadany hafa kely

  07 Septambra 2008

Hisaina angamba ianao hoe ny tontolon’ny fitorahana bolongana avy aty Oman tao ho ato dia nifantoka betsaka tamin’ny resa-pivavahana sy ny iray volana masin’ny Ramadany, nefa somary mahazendana ihany fa betsaka amin’ireo hafatra no tsy misy ifandraisany velively amin’ny Ramadany. I Muscat Confidential mpitoraka blaogy mpandranitra [amin’ny teny anglisy] dia...

Arabia Saodita: Aza tsaraina amin'ny mahareny azy i Palin

  07 Septambra 2008

Mpamaham-bolongana mipetraka any Arabia Saodita Nzingha, manan-janaka dimy, no mahatsapa fa diso ny masontsivana itsarana an'i Sarah Palin: “Tsy tokony hisy ny tsy hanohana azy noho ny mahareny azy fotsiny tahaka ny tsy tokony hanohanana an'i Palin satria vehivavy izy. Tsy miankina amin'ny nonony tsy akory ny fahafahany manatontosa ny asa, fa...

Kiobà, Barbada, Etazonia: Ny kabarin'i Palin

  05 Septambra 2008

Raha ‘somary nampiaiky azy kely ihany ny kabarin'i Palin (kandidà repobilikana miray lisitra amin'i McCain) halina’ ny mpamaham-bolongana Kiobana ampielezana Babalu, Ilay mpamaham-bolongana Barbadiana ampielezana Jdid kosa niteny hoe: “Niezaka ny hitsikera an'i Obama amin-javatra tsy dia misy dikany efa nitsikerana azy taloha izy, tsy namaky lay tamin-javatra hafa izy...