· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2008

Cap vert : Andron'ny Vehivavy

  28 Marsa 2008

Manararaotra ny fankalazana ny Andron'ny vehivavy any Cap Vert i Eurídice Monteiro mba hitaterana ao amin'ny blaogy mulhercaboverdiana [vehivavy Cap Verdiana] izay toetoetry ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy any an-toerana : O que importa é tentarmos compreender a situação actual e exigir que, independentemente do sexo, as pessoas sejam...

yemen: tsy misy izany herisetra amin'ny vehivavy izany

  20 Marsa 2008

Omar Barsawad no miady hevitra momba ny herisetra sy ny fihoara-pahefana mianjady amin'ny vehivavy any yemen ka manontany hoe:”Efa nitsidika namana sy namangy havana tany amin'ny faritry Yemen hafa aho – fa tsy nahita na nahamarika izany fihoara-pahefana manjaka tantarain'ny lahatsoratra maro izany. …Dia manontany aho hoe faritra aiza eto...

Arabia Saodita: Roa no maty noho ny fanenjehan'ny polisy

  20 Marsa 2008

“Tovolahy iray sy tovovavy iray no maty tamin'ny lozam-piarakodia nampihoronkoditra iray raha nenjehin'ny polisy avy ao amin'ny vaomieran'ny fampielezana ny fahadiovam-pitondrantena sy fisorohana ny faharatsiana tany avaratry ny tanànan'i Tabuk izy ireo” hoy ny tatitry Saudi Jeans.

“Isan'ny fombafomba ahiana indrindra any amin'ny faritra afovoany atsinanana ny “fitadiavam-bady”. Tsy mampiahiahy ny mpitady vady lahy sy ny fianakaviany irery ihany. Fa koa hita fa mampietry ny vehivavy izay mihevitra fa manambay vehivavy izy ity” hoy i Qwaider, avy any Jordana.

Kôrea Atsimo : Hetsika fitakian-jon'ny vehivavy

  11 Marsa 2008

CINA no manapariaka rohy sy sary mikasika ny hetsika notanterahin'ireo vehivavy aman'arivony tany Seoul, any Kôrea Atsimo, nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy : to protest against the – still – terrible conditions for a majority of female workers. “ho fanoherana ireo fepetra – mbola – tena ratsy...

Japàna : Ny firaisana ara-nofo sy ny fanambadiana

  11 Marsa 2008

Ping mag no mitatitra ny tafatafa nifanaovany tamin'ny mpanoratra Sumie Kawakami, izay nanangona, nandritra ny roa taona, fijoroana vavolombelon'ny vehivavy Japoney maro, manodidina ny lohahevitry ny “firaisana ara-nofo sy ny Fanambadiana” : “When we got married, we were no longer lovers. WInventaire annuel de matériel informatique – Bourg-de-Four 3 –...

Iran : Mpianatra tsy manaiky fanasarahana ny lahy sy ny vavy

  07 Marsa 2008

Mpianatra an-jatony tao amin'ny Shiraz University no nanohy ny fihetsiketsehana tsy mankasitraka ny fampisarahana ny lahy sy ny vavy tamin'ny atalata faha-4 marsa. Maniry ireo mpianatra mba hanafoanana ilay fanasarahina ny lahy sy ny vavy anaty lakilasy samihafy izay nanomboka tamin'ny volana febroary teo. Nangataka ny mpianatra ny hialan'ny prezidan'ny...