Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta
An'ny voambolana ny fitenenana: Fizaràna #11
Ato anatin'ny “An'ny voambolana ny fitenenana - Les mots ont la parole”, asongadinay ireto telo ireto: Beur, le mot nippo-français タカラジェンヌ, et l'anglicisme très courant, le deal.
Adihevitra an-tserasera ataon'ireo Ghaneàna momba ny zon'ny zazavavy iray 16 taona nampanambadiana lahiantitra 63 taona, pretra nentim-paharazana
Navoitran'ny angondrakitra fa manerana izao tontolo izao, isa-minitra dia ankizivavy miisa 23 no ampanambadiana, ankizivavy iray isaky ny roa segondra. Ao Ghana, manodidina ny ampahadimin'iero ankizivavy no alefa manambady alohan'ny faha-18 taonany
2.202 andro taoriana, nahazo valiny tamin'izay mety ho nanome baiko hamonoana an'i Marielle Franco ny breziliana
Rehefa nanontany izay namono an'i Marielle Franco ny breziliana, dia nisambotra olona telo voarohirohy ho nanome baiko hamono ny polisy federaly, ka anisan'izany ny lehiben'ny polisy tao Rio taloha.
Famahana ny olana ateraky ny ahidratsin-drano ao Nepal
Mora mameno izay itoerany ao amin'ny faridranon'i Nepal ny "tsikafon-dava", karazam-boahirana Amazoniana ka manempotra sy zavamaniry zanatany sady manakana ny hanina ilaina amin'ny fiainana an-drano. Misy koperativam-panao asa-tanana Nepali iray nahita izay mahasoa amin'ilay zavamaniry mba hanaovana ny tsiraka ao aminy ho fanaka an-trano.
Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.
Mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ao amin'ny firenena.
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Nahita fianarana ny vehivavy any Moldavia, saingy kely kokoa ny karamany ary manambady aloha loatra izy ireo
Angon-drakotra momba ny vehivavy monina ao Moldavia amin'izao fotoana avy amin'ny birao nasionaly misahana ny antontanisa ao Moldavia
Mafana ny adihevitra momba ny lalàna famosirana ireo mpanolana zaza tsy ampy taona eto Madagasikara
Miteraka resabe ny lalàna vaovao momba ny famosirana ireo mpanolanana zaza tsy ampy taona ao Madagasikara.
Fandrika ho an'ny fitondrana Sandinista any Nikaragoa ny vola fisotroan-dronono
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.
Nofoanan'ny Fitsarana Tampony ao Però ny fizotram-pitsarana fanamombàna ankaterena nandritra ny fitondran'i Fujimori
Tonga izao fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony izao vokatry ny fitorian'ny minisitry ny fahasalamana teo aloha nandritra ny governemanta Fujimori, mba tsy hitsarana azy amin'ity raharaha ity.