Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta

30 Oktobra 2014

Fahatsiarovana An'i Hazel Ward-Redman ilay Olo-Malaza Mpisava Làlana Ny TV Tao Trinidad & Tobago

Nodimandry i Hazel Ward-Redman, izay nanasongadina ny talenta ara.javakanto sy mozikan'ireo tanora ao Trinidad sy Tobago tamin'ny alàlan'ny fandaharany tao amin'ny fahitalavitra. Maneho fanajàna azy ireo taizany sy ireo mpankafy.

25 Oktobra 2014

Sazy Ara-drariny Sa Be Fampindram-po Loatra? Nahazo Sazy 5 Taona An-tranomaizina i Oscar Pistorius

Nivoaka taorian'ilay didy manameloka higadra 77 taona ilay mpihaza Tokatandroka iray tamin'ny Jolay, ilay didim-pitsarana, nanameloka ilay atleta Afrikana Tatsimo voaheloka ho namono an'i Reeva Steenkamp.

16 Oktobra 2014

Afaka Ho Raràna Tsy Hividy Toaka Ve Ireo Vehivavy Ao Myanmar?

Ny tahan'ny fisotroana toaka ao Myanmar no ambany indrindra any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanan'i Azia, maro anefa ny resaka fa miova izany ankehitriny. Voatatitra fa miady hevitra amin'ny fandraràna ireo vehivavy any amin'ny faritra sasany tsy hahazo hividy toaka ireo manampahefana.

29 Septambra 2014

Miala Tsiny Ilay Tranombarotra Lehibe Iray Ao Filipina Noho ny Nivarotany Akanjo Milaza Hoe “Safosafo Miharo Herisetra” ny Fanolanana

Tezitra mafy ireo mpampiasa aterineto tamin'ity herinandro ity, taorian'ny fitaritarihana vehivavy maodely iray tamin'ny tady nataonà lehilahy iray nandritra ny filatroana

26 Septambra 2014

Fotoana Fohy Talohan'Ny Nahafatesany, Nizara Ny Fihetsehampony Tao amin'ny Tedx Talk Momba Ny Tolony Handresena Ny Homamiadana i Lara Khatib , Mpianatra Avy Any Libanona

"Tsy nisafidy ny ho Sara Khatib aho, izay mararin'ny homamiadana sy bory tànana, fa ny hijanona ho Sara Khatib, mpianatra ao amin'ny taona fahaefatra ao amin'ny sampana farmasia [...] tratry ny homamiadana fotsiny izao "

16 Septambra 2014

Maty Nisy Namono Tao St. Petersburg ilay Mpampianatra Queer Tango

Akon'ny RuNet

Matoky ny fikambanan'ny LGBT ao Saint-Petersburg fa nisy ifandraisany tamin'ny fahafatesany ny asan'i Khomenko amin'ny maha-mpampianatra "tango"-n'ny pelaka azy.

15 Septambra 2014

Jamaika: Tian'ny ‘Nuh Guh Deh’ Ho Lasa Toerana Iray Tsy Anekena Ny Fanararaotana Ara-Pananahana Atao Amin'ny Vehivavy

Mihevitra ny Jamaikàna sasany, indrindra ny lehilahy, fa ekena ny fampiharana ny fampianarana ara-pananahana amin'ny vehivavy dieny izy mbola kely taona. Hifanojo amin'ny Andro Iraisam-Pirenena Ho an'ny Ankizy Vavy ny fanombohan'ny fanentanana.

06 Septambra 2014

Tsy Mahita Toerana Hitadiavam-bonjy Intsony Ireo Lasibatry Ny Herisetra An-tokantrano Ao Bermuda

Voatery nakatona ny toby tokana fampiantranoana ireo lasibatry ny herisetra an-tokantrano ao Bermuda satria tsy misy ny vola hampandehanana azy.

03 Septambra 2014

‘Avy Ao Ambadiky Ny Kodiarana': Topimaso An’ Ireo Vehivavy Tavela Irery Ao Tajikistan, Nilaozan'ny Vadiny Nifindra Monina Any Rosia

"Behind the Wheel" dia horonantsary fohy iray miresaka mpifindra monina sy i Nigora, ilay vehivavy iray mahavariana, izay nitady vahaolana taorian'ny namitahan'ny vadiny azy, nohadinoiny ny fomba amam-panaon'ny mponina tao an-toerana nisy azy ka lasa nanamboatra ny simba amin'ny kodiaranà fiara izy.

24 Aogositra 2014

‘Tsy Mila Sipa Aloha, Lalao Volley ihany': Tsy Miraharaha Tolotra Mariazy Atao Aminy Ilay Kazakh Vehivavy Mpilalao Fanatanjahantena Taorian'ny Resaka Niely Be Tety Anaty Aterineto

Sabina Altynbekova, 17 taona, mpilalao volley, misolo tena ny Kazakhstan amin'ny sokajy tanora no lasa nalaza sy voaresaka matetika taorian'ny nilalaovany ho an'ny fireneny tamin'ny fifaninanana tany Taiwan.