The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Ady & Fifandirana Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Ady & Fifandirana

2009-09-13

Palestina: Ny fiatrehana ny Ramadany any GazaVideo post

Manoratra momba ny fiatrehan'ny olona ny Ramadany ao Gaza ny mpitoraka bloagy maro, sady manoritroritra koa ny mbola mampitoetra ny fomban-drazana.

2009-09-07

Maoritania sy ny fanapoahana baomba nanaovana vy very aina voalohany indrindra

Niharan'ny fanafihan'ireo mpanao vy very ny ainy voalohany i Maoritania tamin'ny Sabotsy, naharatrana teratany Maoritaniana iray sy Frantsay roa.. Mihetsika an'ity tranga ity ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpampiasa Twitter.

2009-08-30

Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

2009-08-20

Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?

Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny firenena ny fiandohan'ny volana aogositra, dia nisy fiovana be tany Mauritanie. Ny 12 aogositra lasa teo dia nampitsahatra ny fandaharan'asany tany ...

2009-08-14

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael BogarPodcasts post

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

2009-08-09

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity ...

2009-08-04

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.

2009-07-31

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn EzraVideo post

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

2009-07-15

Rosia: Nisy namono ny nahazo ny lokan'ny politkovskaya

Mpiaro ny zon'olombelona malaza iray Natalya Estemirova indray androany maraina no nalain'olona mitam-piadiana an-keriny tao an-tranony tany Ingushetia. Ny fatiny sisa no hita avy eo ary nisy bala ny fony. Raha zara fa nitatitra ny fahafatesana mpikatroka iray indray ny gazety mahazatra - eny fa na dia famonoana ny mpiaro ...

2009-07-14

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa ...