Global Voices teny Malagasy » Ady & Fifandirana
Alzeria sy Ejipta: Efa tsy resaka baolina fandaka intsony
Iza moa no mba nino fa niteraka romoromo amina firenena roa tahaka izao ny lalao baolina fandaka iray? Saingy ny marina dia tafakatra hatrany amin'ny dingana tsy nampoizina ny fifanenjanana teo amin'i Ejipta sy Alzeria. Maro ny mpamaham-bolongana no mihevitra fa tsy misy ifandraisany ilay lalao sy ny gidragidra misy eny an-dalambe, ary maro ihany koa no tahaka ahy no tohina tanteraka fa misy ireo fampahalalam-baovao malaza no tsy mahatakatra akory ny fandehan'ny tantara iray manontolo - Mbola mino ihany ireo fampahalalam-baovao ireo fa fihetsiketsehana sy gidragidra eo amin'ny samy mpanohana ny ekipam-pireneny noho ny vokatry ny lalao no misy. Toy izao ary ny antsipirian'ny fivoaran'ny toe-draharaha - araka ny nosoratan'ny mpamaham-bolongana.
Taorian'ny lalao natao tany Ejipta dia nilaza ny gazety Alzeriana fa nisy ny Alzeriana no maty (saingy nolavin'ny ambasadera Alzeriana any Le Caire izany vaovao izany). Niteraka fanafihana ny fonenana sy toeram-piasana Ejipsiana tany Alzeria izany tsaho izany; Potika ny masoivohon'ny Egypt Air. Notaterina ihany koa fa mpiasa Ejipsiana mihoatra ny 1500 no voatafika sy voatakalon'aina tao anatin'ny rotaka; Voatery narovan'ny mpitandro ny filaminana Alzeriana ihany koa ny Ambasady Ejipsiana.
Manoratra ireny tsahotsaho ireny ao amin'ny bolongany El Journaljy i Ihab Omar:
ثم اتت الطامة الكبرى، حينما رأى الاعلام الجزائري ان الادعاء بوجود وفيات في المبارة سوف يدعم الموقف الجزائري بطلب اعادة المباراة، خاصة ان ملف المباراة تحت التحقيق بالفعل في الفيفا، و هكذا خرجت الصحف الجزائرية تتحدث عن نعوش جزائرية وصلت الي مطار الجزائر قادمة من مصر، جثث المشجعين الجزائريين المساكين الذين طاردهم المصريين الهمج في كل شوارع مصر
Tonga ny tsy nampoizina, rehefa nilaza ny fampahalalam-baovao Alzeriana fa nisy ny mpanohana ny ekipan-dry zareo no maty. Noheverin-dry zareo fa raha manao izany ry zareo dia afa-mangataka fanafoanana ny lalao, indrindra moa fa hoe eo ambany fiahian'ny FIFA io lalao io. Avy eo dia nanambara ireo gazety Alzeriana ireo fa nisy vatampaty avy any Ejipta tonga tany amin'ny seranam-piaramanidin'izy ireo. Mitondra ny vatamangatsiakan'ireo mpanohana Alzeriana notafihan'ny barbariana Ejipsiana nanerana ny lalamben'i Ejipta ireo vatapaty ireo araka ny filazany.
Taorian'izany dia nandà ny fisian'izany ny Ambasadera Alzeriana ka nilaza fa tsy nisy Alzeriana maty izany tany Ejipta. Saingy araka ny nosoratan'i Inferad ao amin'ny bolongany, dia tsy nahasakana ny fielezan'ny tsaho sy ny herisetra niaraka taminy io fanambarana io.
وأشار السفير حجار إلى أن ما أشاعته صحيفة “الشروق” الجزائرية يوم الأحد عن مصرع سبعة جزائريين بالقاهرة عقب المباراة عار تماما من الصحة، مؤكدا أن هذا الأمر لا يمكن أن يحدث دون علم السفارة، منوها في الوقت ذاته بوجود إصابات بين عدد من الجزائريين نتيجة للتدافع أثناء خروجهم من استاد القاهرة عقب المباراة
يأتي ذلك في الوقت الذي أكدت فيه الخارجية المصرية تعرض العاملين في عدة شركات مصرية بالجزائر لإصابات واعتداءات جماهير جزائرية تقدر بالآلاف، جراء الإشاعات التي روجت لها الصحف الجزائرية لها عقب المباراة
Nanambara moa Atoa Hajjar, Ambasadera Alzeriana any Ejipta, fa tsy misy fahamarinany mihitsy ny navoakan'ny “El Chorouk” milaza ny fahafatesana mpanohana Alzeriana fito tany Le Caire. Nampiany moa fa tsy misy zavatra tahaka izany ka tsy fantatry ny masoivoho, na izany aza dia maromaro ny naratra noho ny firohotana nivoaka ny kianjan'i Le Caire.
Taorian'izany moa dia nanambara ny minisitry ny raharaham-bahiny Ejipsiana fa maro amin'ny Ejipsiana miasa any Alzeria no notafihan'ny Alzeriana anarivony notarihin'ireny tsahotsaho ireny, izay niely tamin'ny alalan'ny gazety Alzeriana.
Nandritra sy taorian'ny lalao tany Ejipta moa dia mbola nilamina ny tontolom-bolongana Ejipsiana. Nanoratra ny mpamaham-bolongana tahaka an'i Nile Wise fa lalao baolina fandaka fotsiny iny ka tsy tokony hanao zavatra mihoam-pampana ny olona:
مباراة كرة القدم بين الفريق المصرى والجزائرى تحولت وبشكل سخيف الى مايشبه اعلان الحرب بين الدولتين ,فالمباراة مهما كانت اهميتها للفريقين فانها فى النهاية مجرد مباراة نعلم جميعا أن مصر لم تتأهل لكأس العالم من 20 عام والجزائرلم تتأهل منذ 24 عام
Niofo ho fihantsiana ady teo amin'i Ejipta sy Alzeria ny lalao baolina fandaka nisy teo amin'ny roa tonta. Lalao baolina fandaka tsotra iny raha tsy jerena ny lanjany eo amin'ny ekipa tsirairay avy, indrindra moa rehefa fantatsika rehetra fa tsy tafita amin'ny dingan'ny famaranana eo amin'ny fiadiana ho tompondaka erantany i Ejipta tao anatin'ny 20 taona izay, raha 24 taona kosa izany ho an'i Alzeria.
Nanambara ny bolongana tahaka an'i Inferad fa ny fampahalalam- baovao eo amin'ny firenena roa tonta no mendrika hotreronina. Niangavy ny olona eo amin'ny firenena roa tonta izy tsy hinohino fahatany izay vakìny sy henony:
لا تصدق كل مايقال لك عن اعمال عنف ضد المصريين فى الجزائر ولا عن قتل الجزائريين فى شوارع القاهرة ..نعم هناك حالة احتقان يفتعلها الاعلام المتطرف بمساندة حكومات فاسدة وفاشلة هنا وهناك ..حكومات لا تعبر عن الشعوب بل استولت على السلطة بالقوة وتحاول الهاء الشعوب بمباريات الكرة والافلام العارية والصحافة الداعرة
Aza mino izay rehetra voasoratra amin'izany hoe Ejipsiana notafihina tany Alzeria na Alzeriana nisy namono tany Le Caire izany. Eny, misy ny faka mangidy (lonilony) foronin'ny fampahalalam-baovao ary ankasitrahan'ny governemanta mpanao kolikoly andaniny sy ankilany - governemanta nahazo fahefana tamin'ny alalan'ny hery, ary te-hisarika ny fifantohan'ny olona amin'ny baolina fandaka, fiboridanana, ary amin'ny gazety tia fanafintohinana (horikorika na journaux à scandales).
Misy ihany koa ny mpamaham-bolongana hafa tahaka an'i Al Journaljy, no manaiky ny fisian'ny herisetra nisy eo amin'ny firenena tsirairay natao tamin'ny mpankasitraka ny hafa:
في مباراة الذهاب التى اقيمت بين مصر و الجزائر هنالك في التصفيات الجارية حالياً، تم قذف اتوبيس المنتخب بالحجارة في شوارع الجزائر
Nandritra ny lalao natao tany Alzeria dia voatora-bato teny an-dalana ny fiara nitatitra ny ekipa ejipsiana.
Ary dia nanohy izy:
سهر الجماهير محدثين أكبر قدر من الضجيج و العربدة اسفل نوافذ اللاعبيين المصريين حتى لا ينعمون بالراحة والنوم لمباراة اليوم التالى
Nandany ny alina hitabataba teny akaikin'ny trano natorian'ny mpilalao Ejipsiana ny mpanohana an'i Alzeria mba tsy hahafahan'ireo mpilalao ireo miala sasatra sy matory.
Nanaiky ihany koa izy fa tsy tsara tahaka ny mpanohana an'i Ejipta ny mpanohana an'i Alzeria, ary samy nanao ny hadalany ry zareo talohan'ny lalao natao tany Le Caire.
و لنصل الي المحطة الاخيرة، الي مباراة السبت الماضى، بالطبع كان هنالك تجاوزات جرت من الطرف المصرى
Ary nitranga izany nandritra ny lalaon'ny sabotsy, azo itokisana fa nisy ny fihoaram-pefy nataon'ny andaniny Ejipsiana.
Ary izao ihany koa no nanoratan'i Daily Barid avy hatrany:
هناك أمر مؤكد بشأن أعمال الشغب من الجانبين المصري و الجزائري فهم ليسوا ملائكة والكل يعلم هذا ,ولكن من يفصل في هذه الأعمال هي السلطات وليس أحد آخر و يجب أن تتحمل السلطات مسؤولياتها الكاملة إذا كان هناك وفيات كما أشيع ولا أتمنى ذلك فالوحيد المسئول عن هذا الأمر هو القضاء و التعامل يكون كالتعامل مع أي قضية إجرامية ودون التوسع إلى أمور أخرى يجب على السلطات في كلى البلدين محاسبة جميع الوسائل الإعلامية غير النزيهة و التي ساهمت بشكل فاضح و شرير في إلهاب مشاعر الحقد بين أفراد الشعب ين
Azo itokisana fa samy nanao herisetra na ny Ejipsiana na ny Alzeriana. Tsy olo-masina ireo, ary samy mahalala izany ny rehetra. Fa ny governemanta (roa tonta) no tompoon'andraikitra nifampiraharaha tamin'ireo nanao action fa tsy tamin'ny hafa. Raha nisy ny fifamonoana, manantena aho fa ny rafi-pitsarana no miditra an-tsehatra, ary tokony ho raharahan-keloka ihany. Tokony hanasazy ny fampahalalam-baovao tsy nanaja ny etikany niteraka savorovoro teo amin'ny vahoaka roa tonta ny governemanta roa tonta.
Raha ny marina ireo zava-nitranga notantaraina tetsy ambony ireo dia azo heverina ho fampidirana ny zava-nitranga tamin'ny alarobia teo tany Soudan. Toy ny manao famaranana na ny Ejipsiana na ny Alzeriana mba ahafahana mahafantatra izay hiakatra amin'ny dingana famaranana hotontosaina any Afrika Atsimo amin'ny herintaona.
Misy ny mpamaham-bolongana manahy fa hisy herisetra hihatra amin'ny mpijery baolina Ejipsiana any Soudan. Izany no nahatonga an'i Lokmet Eish miantso ny mpitandro ny filaminana hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana any:
بعد أخبار صحيفة الخبر الجزائرية المفبركة والكاذبة
مطلوب حماية أمنية خاصة للفريق القومى المصرى،وللجماهير المصرية المرافقة
Taorian'ny vaovao tsy marina navoakan'ny gazety Alzeriana, Al Khabar, dia nisy ny mpitandro ny filaminana manokana nangonina hiaro ny mpanohana sy ny mpilalao Ejipsiana.
Nanao izay ho afany ihany ny Sodaney hifehezana ny kianja tamin'ny nandefasana miaramila miisa 15 000. Saingy efa nivadika moa ny toe-draharaha ka na dia maro tahaka izany aza tsy mbola ampy hahafehy ny raharaha. Nosoratan'i Zeinobia ao amin'ny bolongany izay nitranga:
Natory tamin'alahelo ny ankamaroan'ny Ejipsiana halina taorian'ny faharesena teo anatrehan'i Alzeria, lalao io ary samy mahafantatra fa mety ho resy izahay ary tsy izay akory no farandro saingy mbola niari-tory ihany ny maro amin'ny Ejipsiana manerantany hatramin'ny maraimbe fa hazain'ny jiolahimboto Alzeriana romotra hoe, raha izay no ilazako azy, ny mpanohana antsika nandritra ny alina.
Ejipsiana anarivony no nandany ny alina tany ampiafenana na izany tany amin'ny trano fandriambahiny na trano fisakafoanana na tany amin'ny orinasa Ejipsiana HQ ao Khartoum ary misy aza miafina any an-tranon'ny Sodaney noho ny tahotra sao dia tratra ka voadaroky ny jiolahimboto Alzeriana entin'ny voromby Alzeriana.
Araka ny filazan'ny nanatri-maso tao amin'ny kianja Sodaney dia tsy ireo mpanohana Alzeriana mahazatra ireo tonga tany ireo, tsy nohirainy akory manko ny hira malaza ahafantarana azy ireo manao hoe “1,2,3 Algerie”. Jiolahy efa zatra ady namotsy ny tsenan'i Um Darman tao anatin'ny telo andro katroka tamin'ny alalan'ny kalaza, antsy, sabatra ry zalahy ireo. Mazava loatra fa efa nampitandremana izahay fa tsy noeritreretinay ho tahaka izany ny fandehany indrindra moa efa fantatra fa resy isika. Teny ampividianana tapakila aza dia efa maro ny Ejipsiana tsy nandeha tany noho ny tahotra hisian-javatra tahaka izao indrindra.
Nihaza ny fiarakodianay sy ny fiarabenay tamin'ny vato sy tavoahangy ireo jiolahy Alzeriana ireo, ary maro mihitsy ny Ejipsiana no naratra. Ny seranam-piaramanidin'i Khartoum moa dia tahaka ny tsy haiko ny milaza azy,mety hoe mahantra noho ny toe-karena fa tena hipoka, tena hipoka mihitsy.
Nandritra ny alina manontolo ny firenena no mahare antsom-pihorohoroana avy any Soudan ataon'ny olo-malaza, mpanao gazety, solombavambahoaka sy mpanohana mahazatra izay voafandrika any an-dalamben'i Khartoum any mandritra ny ora ary tsy mahafantatra izay lalan-kodiavina.
Nanoratra momba ny mpankasitraka Ejipsiana iray poa-maso noho ity raharaha ihany koa izy, ary mampitaha izay nitranga ihany koa 20 taona lasa izay raha nanapoaka masona mpankasitraka Ejipsiana iray ihany koa ny mpankasitraka Alzeriana iray:
Aoka ho fantatrao fa olo-pirenena Ejipsiana iray antsoina hoe Marwa Abdel Karim ihany koa no poa-maso, tahaka ny hoe misy fifandraisany fa nanao toy izany tamina olo-pirenena Ejipsiana hafa ihany koa 20 taona lasa izay i  Baloumi tamin'ny 1989.
Eto ihany koa dia nanoratra izay nitranga tany Soudan i Bani Adam Maa Waqf El Tanfeez. Nosoratany ny lahatsary iray nivoaka an-tserasera nampitandrina ny Ejipsiana tsy hankany, ary misy ahitana ireo mpankasitraka Alzeriana mitondra antsy eny an-tanany:
أولا أعتذر عن سوء فهمي للموضوع و قيامي بمبادرة تعمل على نبذ التعصب و للأسف كتبت عنها الجرائد الجزائرية .. مما يجعلني أشعر بالعار الآن
لا أعرف كيف لم أصدق كلامهم .. فقد شاهدت بعيني فيديو أسمه ( تحذير لكل مصري ) يقول فيه كل ما سوف يحدث و أنهم سوف يرسلون بلطجيه و لصوص و مسجلين خطر للانتقام من المصريين
بعد فهمي للموضوع أري أن الحكومة الجزائرية و سفيرها في مصر مشارك في المجزرة التي حدثت
Tena miala tsiny indrindra aho, noho ny tsy fahazoako ny resaka iray manontolo ary niantso fandraisana andraikitra hampitsahatra ny herisetra misy eo amintsika sy ny gazety Alzeriana nanoratra momba an'io. Tena manao azafady indrindra noho izany aho ankehitriny.
Tsy fantatro hoe naninona no tsy ninoako izay nambaran-dry zareo. Nahita ny lahatsary iray navoakan'izy ireo aho [tao amin'ny YouTube] izay “Nampitandrina ny Ejipsiana rehetra”, izay efa nilazan-dry zareo ny hitranga ary efa nanampikasana ny handefa mpamono olona mitondra fitaovam-piadiana hamaly faty ny Ejipsiana.
Ankehitriny hitako fa nandray anajara tamin'ity famonoana ity ny governemanta Alzeriana sy ny ambasaderany.
Ary dia notohizany ny resaka:
أرسلت مصر خير أبنائها لمشاهدة المباراة لإضفاء نوعا من السلام و الحب ..
فمن في الوطن العربي كله ؟ لا يسمع محمد فؤاد ؟؟ من في الوطن العربي كله لا يحترم الفنانة فردوس عبد الحميد . من الوطن العربي كله لم يضحك على كوميديا الفنان احمد بدير ؟؟ و غيرهم و غيرهم
أنهم رموز مصر و رموز الوطن العربي كله
بينما أرسلت الجزائر أبنائها من قاطعين الطرق و مسجلين الخطر و غيرهم و نقلتهم على قواتها الحربية ؟؟ كما أكدت وسائل الإعلام أمس أن الجزائر كانت تستخدم الطائرات الحربية ؟؟؟
أذن الجزائر تكره مصر ؟؟
نعم
الجزائر تكره مصر …. الجزائر أعلنت الحرب و نحن كنا نقول وردة لكل جزائري
هل رأيتم شعب يتصرف بساذجة مثلا !! بالطبع
Nandefa ny vato nasondrotry ny tany avy amin'ny fiaraha-moniny tany i Ejipta hijery ny lalao, mba ho mariky ny fitiavana sy ny fandriampahalemana.
Iza tamin'ny tontolo arabo moa no tsy efa nihaino an'i Muhammad Fouad [mpihira ejipsiana], na efa nanaja an'i Fardous Abdel Hameed [mpanao tantara tsangana Ejipsiana], na efa nihomehy tamin'ny hatsikan'i Ahmed Bedeir. Ary ireo hafa ihany koa.
Olomangan'ny Arabo ireo.
Nefa etsy ankilan'izany kosa i Alzeria dia ireo mpisetrasetra sy mpamono olona no notaterin'ny voromby maro an'ny miaramila.
Koa mazava ankehitriny fa mankahala an'i Ejipta i Alzeria. Eny, halan'i Alzeria i Egypt, ary efa nihantsy ady tamintsika, raha mbola teo ampiresahana raozy ho an'i Alzeriana tsirairay isika.
Efa nahita vendrana tahaka antsika tahaka izao ve isika taloha? Tena tsia mihitsy.
Ary dia hita ampahibemaso izany ankehitriny, vonton'alahelo (adala) noho izay nitranga tany Soudan na ny fampahalalam-baovao, na ny vahoaka eny an-dalambe, na ny fitondrana Ejipsiana.
Manoratra ato izay nolazain'ny manam-pahefana Ejipsiana i Zeinobia:
Nampiantso ny Ambasadera Ejipsiana (hody) i Ejipta tao anatin'ny fotoana efa naharatsy ny fifandraisantsika ka vao maika nanampy trotraka ny faharisarisam- pifandraisana tamin'i Alzeria izany
Efa tsy hita eto Ejipta intsony ny Ambasadera Alzeriana, mino aho fa mangoron'entana izy izay.
Efa mifaninana amin'ny fepetram-piarovana ny ambasadin'i Etazonia, i Isiraely ary i Danemarka ny fiarovana any ambasady alzeriana ao amin'ny lalana Brezila any Zamalek.
Nisy fifampiantsoana hanafika ny ambasady manko hatramin'ny maraimbe tany amin'ny takelaka facebook
Nanao fanambarana ofisialy mitsipaka sy manameloka ny fanafihana ny mpanohana antsika ny federasiona Ejipsiana , antenaina fa hotaterintsika any amin'ny FIFA izany
Niala tao amin'ny federasiona baolina fandaka Afrika avaratra ny federasiona Ejipsiana
Nanambara ny orinasa mpamokatra lahatsary tantara (tantara an-tsarimihetsika) Ejipsiana “ orinasa Arabo mpamokatra sy mpampiely lahatsary tantara” fa hanao ankivy ny hetsika Alzeriana.
Tarek Amr
India: Mpanao gazety mpitoraka bilaogy nanelanelana hanavotana polisy takalon'aina
Tao amin'ny fanjakan'i Bengal andrefana dia nisy ady nifanandrinan'ny mpioko maoista(Naxalites) sy ny miaramilam-pirenena. Noraran'ny fitondrana tamin'ny volana jona lasa teo ny Antoko Komonista Indiana (Maoista), antoko miafina sady tsy manana solontena ao amin'ny antenimiera, noho ny lalàna mandrara ny hetsika tsy manara-dalàna  ka nanondroany io antoko io ho fikambanana mpampihorohoro.
Aradhana Jhunjhunwala ao amin'ny OpenIndia no manazava ny fototry ny fifandonana.
Ny 20 oktobra lasa teo dia maoista 12 no nanafika ny biraon'ny polisy tao Sankrail any Midnapore Andrefana ka lasany tamin'izany ny basy 10 sy bala maro tao amin'ny trano fitehirizana. Polisy 2 no maty ary inspektera iray antsoina hoe  Atindranath Dutta no nalaina an-keriny.
India under attack and other musings!! (Inda ao anatin'ny fanafihana sy ny nofy hafa koa) no namariparitra ny toe-draharaha izay nahombiazan'ny mpanafika:
Polisy 13, mpiambina 5, mpilatsaka an-tsitrapo 3 ary inspektera lefitra 3 no tao amin'ity paositry ny polisy ity raha nanafika tao ny maoista. Tsy nisy nitondra fiadiana ireto polisy na dia iray aza. Ny antony, ny fanao aty dia hidiana any amin'ny kôfra ny fitaovam-piadiana [..]
Nahoana? Milaza ireto polisy fa ny antony iray dia mifanentana amin'izay ampiasain'ny Naxals ny fitaovam-piadiany - noho izany naleo nohidiana izy ireny ho “azo antoka”
Nalain'ireo maoista ho takalon'aina ny polisy manam-boninahitra iray ary ho takalony dia takian'izy ireo ny hamotsorana ireo vehivavy 14 avy ao amin'ny fokony nosamborina satria noahiahiana ho mpikambana ao amin'ny antoko miafina maoista.
Sans Serif no nitatitra fa omaly dia mpanao gazetin'ny BBC roa mpitoraka bilaogy ao amin'ny Subir Bhowmik “no nanampy tamin'ny famahana ny olana teo amin'ny fanjakana sy ireo maoista, mandrapaha-afak'i Atoa Dutta. Ny tohiny dia ny famoahan'ny fitsarana didy manafaka ireo vehivavy 14 tany am-ponja tamin'ny alalan'ny fandoavana caution.
Araka ny voalazan'ny mpanao gazety iray ao amin'ny Times of India, dia “nanelanelana sy nampifandray ny mpioko sy ny fanjakana” ireto mpanao gazetin'ny BBC ireto satria ny lehiben'ny maoista, Koteshwara Rao antsoina hoe koa Kishenji, dia nanda tsy nety niresaka mivantana tamin'ireo solon-tenam-panjakana.
Mampitaha ity zava-nisy ity amin'ny efa niseho taloha ny mpitoraka bilaogy, zava-nisy izay nahitana mpanao gazety mandray andraikitra mamaha olana.
Dr. Ujjal K. Pal no mampahatsiahy antsika:
Tsara fiafarana iny fakana an-keriny iny.
Na izany aza dia tsy mitsahatra akory ny raho-mitatao satria polisy 2 hafa, Kanchan Garai sySabir Ali avy ao amin'ny tobin'ny Bengale andrefana ihany, no nisy naka an-keriny 3 volana lasa izay ary tsy mba nanam-bitana tahaka an'i Mr Dutty. Tsy misy mahalala izay misy azy ireo ankehitriny ary tsy misy mahafantatra na mbola velona izy ireo na efa maty. Angamba tsy mieritreritra ny hitady azy ireo intsony ny fanjakana.
Nirmalya Nag avy any Kolkata no nanasongadina ny fototry ny olana:
Misaotra ny fanjakana mamela ny polisy hisambotra anjambany izay noheverina ho maoista izy ary mamela ireto polisy koa hitsikaraka samy irery izay ho fiarovan-tenany, misaotra ny mpanohitra tsy nanameloka ny vono olona nataon'ny maoista, misaotra ny mpiaro ny zon'olombelona izay manameloka ny fanafoanana ny maoista kanefa mangina rehefa mamono olona izy ireo.
Ankehitriny dia andrasantsika indray ny fakana an-keriny manaraka.
Rezwan
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra  90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any  Gaza,  “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena  ary ahitana tsikera 200 ao amin'ny YouTube, ka mbola mitohy mitombo hatrany.
Cinemascopian, Israelity Bites, One Jerusalem, sy ny Promised Land samy mampiseho ilay vidéo sy ny hafatra tiany ampitaina, fa tsy mitsikera.
Ao amin'ny blaogy Checkpoint Jerusalem, Dion Nissenbaum manome ny foto-dresaka sy ny mombamomba ilay sarimihetsika, manazava fa ny “Closed Zone” dia natao ho an'ny Gisha, ONG Israeliana tsy mpitady tombontsoa , izay miasa ho fiarovana ny fahalalaha-mihetsik'ireo mponina 1.4  tapitrisa ao amin'ny faritr'i Gaza.
Ao amin'ny fanambaràny momba ny fikatonan'ireo faritra fivezivezena any Gaza,  izay efa nampiharina nandritra ny 18 volana, dia manoratra i Gisha:
Raha ny hevitr'i Gisha dia tsy ara-dalàna ny fanakatonana satria manasazy ireo mponin'ny faritr'i Gaza amin'ny zavatra tsy nataony sy noho ny tranga ara-politika tsy miankina amin'izy ireo. Ity fikatonana ity dia misy fiantraikany eo amin'ireo mponina sivily sy ireo sampan-draharaha noho ny fandraràna ny fidiran'ny kojakoja ilaina amin'ny fahasalamana, amin'ny fiainana andavanandro, ary ny ara-toekarena.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="295" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Hzqw7oBZT8k&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="295" src="http://www.youtube.com/v/Hzqw7oBZT8k&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny nanao ny “Closed Zone” dia i Yoni Goodman. I Goodman dia malaza manokana amin'ny naha Talen'ny Fanentanana azy tao amin'ny “Waltz with Bashir,” nandresy tamin'ny Sarimihetsika Vahiny Tsara indrindra tamin'ny Golden Globes Award ary amin'ny fitsarana ankapobeny ihany koa dia mbola isan'ireo tsara toerana tamin'ny sokajy nisy azy tamin'ny  Academy Awards 2009. (Ilay sarimihetsika Zapone “Departures” no nibata ny fandresena.)
Tao amina resadresaka iray niarahana tamin'ny Jerusalem Post tamin'ny fotoana namoahana ny “Closed Zone” dia nanazava i Goodman:
“Halako Hamas. Mitady hamono anay izy ireo. Mazava ho azy fa fahavaloko izy ireo. Miala tsiny amin'ireo vahoaka  Palestiniana izay te hiaina ny fiainan'izy ireo aho… Ny olona tsy te-handre   hoe tena olona tokoa anie ireo Palestiniana. Aleon'ny olona mieritreritra azy ireo toy ny hoe devoly, sady Hamas daholo ry zareo. Mora ny miteny hoe:  ‘sazio ry zareo, na koa vonoy ry zareo.'  Sarotra be  ny mijery azy ireo ho toy ny olon-tsotra te-handry fahalemana.
Anaty video fanampiny “Closed Zones: Any ambadiky ny sehatra,” manindry mafy i Goodman:
Nahatonga ity tetikasa ity hanjary andraikitro manokana ny ady.  Ny mpandray anjara eto dia zazalahy kely, sady ankizy izy no olon-dehibe, sady arabo no Jiosy, zavatra iray azon'ny tsirairay hakàna taratra. Tsy tsara loatra ny hamadihana azy ity ho sarimihetsika stereotype [
Ginea: miaramila nijoro vavolombelona tamin'ny famonoana ny 28 septambra tao Conakry
Ity resadresaka teto ambany ity dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila Gineana iray nandray anjara tamin'ny famoretana ny fihetsiketsehana nataon'ny mpanohitra tany Conakry, any Ginea, tamin'ny 28 Septambra 2009. Noraisimpeo tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra ary navoakan'ilay mpanao gazety frantsay Olivier Rogez tao amin'ny Radio France Internationale tamin'ny voalohany Oktobra 2009, roa andro taorian'ny fandripahana tao Conakry,  ary mivoaka amin'ny teny frantsay tao amin'ny vohikan'ny RFI.
Nijoro vavolombelona rehefa tsy lazaina ny anarany ity miaramila ity, saingy fantatra sy iantohan'ny solontenan'ny RFI any Afrika Andrefana kosa ny anarana sy ny asany. Hatramin'izay dia nohamarinin'ny loharanombaovao maro sy fijoroana vavolombelona ny fisian'ny famoretana sy ny fanolanana faobe. Na eo aza izany dia vaovao mivaingana maneho ny toeran'ny  tafika Gineana, ny fisian'ny miaramila vahiny ao anatiny ity fijoroana vavolombelona iray ity, ary efa nahatsinjo ihany koa ny adim-pahefana tao anatin'ny tafika Gineana izay nipongatra tamin'ny 7 Oktobra [fr].
Nanaiky ny handikan'ny Global Voices ny voasoratra sy ny famoahana ity resadresaka manan-tompo [copyright] ity ny Radio France Internationale ho antontan-taratasy hiarovana ny zon'olombelona ary hamoaka ny dikany amin'ny teny anglisy eo amin'ny vohikalany [ka azo avoaka teny malagasy ve?].
Olivier Rogez (Radio France Internationale): Miaramila avy amin'ny BATA ianao, vondro-tafika mpilatsaka an'elon'aina, ary anisan'ireo miaramila nandrava ny fihetsiketsehana tamin'ny 28 septambra.
Miaramila : Voalazanao, anisan'ireo nandrava ny fihetsiketsehana nisiana ra mandriaka tao amin'ny kianjan'ny 28 Septambra aho;
RFI : Ny tiako anontaniana anao voalohany, araka ny vaovao niely nandritra andro vitsivitsy izao, nanatri-maso ny tifitra tamin'ny bala tena izy ve ianao sy ny fanolanana vehivavy araka ny fijoroana vavolombelona maro? Nanao izany zaatra izany tokoa ve ny mpiray tafika aminao avy ao amin'ny BATA?
Manamarina aho fanisy tokoa ny fanolanana sy ny tifitra tamin'ny bala tena izy.
Ny marainan'io andro [28 Sept] io, efa nahazo baiko manokana ve ianareo rehefa hanakana ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra teo an-kianja?
Ny zandary aloha no niandraikitra azy, fa rehefa tsy nifanaraka tamin'ny mpanohitra ry zareo dia nahazo baiko izahay hanafay ny mpanohitra, izay lazain'ny lehibenay ho tsy voafehy. Dia nandeha tany izahay. Izaho koa izay anisan'ny miaramila. Tsy afa-mandà ny baiko hanaparitaka ny mpanohitra izahay, mba ho azon'izy ireo fa tokana ny fahefana misy eto Ginea ary manome lesona azy ireo. Maro loatra ny isan'ny faty ka tsy tambo isaina. Narary ny lohako, lazaiko anao fa tena fanina aho. Tany ho any amin'ny 160 na 180 tany ny isan'ny maty… Na izaho aza tsy afa-milaza aminao ny isany. Ary fantatro ihany koa fa nasaina naka ny faty izahay ny alin'ny alatsinainy [28 Sept]. 47 ny isan'ny nafenina, fa tsy azoko lazaina anao hoe taiza marina izany.
Nandray anajara tamin'ny fakana ny faty tany amin'ny tranoim-paty ve ianao?
Mpiasam-panjakana aho.
Noterena ve ianao hanangona ny razana?
Tsy misy afa-mandà. Izay mandà dia maty.
Maty ve ianao raha vao mandà?
Izay indrindra.
Nizarana basy sy bala izany ianareo?
Efa herinandro nialoha izahay no nizarana basy sy bala ary efa niatrana.
Herinandro ianareo no efa niatrana?
Eny.
Rehefa nialazana ianareo hanaparitaka sy hanome lesona ny mpanohitra, nahazo baiko hamono ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika politika ve ianareo?
Tsia, tsy misy baiko hamono ny mpanohitra. Fa tsy maintsy manome lesona. Raha miteny aho hoe “manome lesona”, amin'ny fiteny miaramila dia fantatrao ny dikany!
Azonao azavaina bebe kokoa ve?
Manafay no dikan'izany fa tsy manao izay mahafaty, fa hampisehoana amin'izy ireo fa misy mitondra ny firenena. Izay no nolazaina anay.
Betsaka no nilaza taminay fa nisy ny fiaraha-nanao fanolanana faobe, ny daroka sy ny fanaovana an-keriny ny vehivavy tamin'ny basy. Azonao nofantarina ve ny vondro-tafika nisy ireo miaramila nanao izany?
Ry zalahy mpiambina ny filoha, rehefa somary nihemotra taoriandriana kokoa ny zandary. Tsy tamin'ny basy ihany, fa nisy tamin'ny vatan-kazo. Izay azo noraisina rehetra. Nisy aza tamin'ny alalan'ny daka!
ilaza ianao teo fa tsy afa-mandà hanaparitaka ny mpanohitra. Ahoana ny fihetse-ponao amin'izao fotoana izao [1 Okt]?
Tsy nahita tory aho hatry ny alatsinainy. tsy mety mahita tory aho. Mitamberina amiko hatrany ireo sary mampihoron-koditra, tifitra bala tena izy atohoka eo amin'ny… tsy mampahita tory. Manonofy ratsy aho. tsy mety mahita tory. (sento).
Namono daholo ve?
Izay no baiko andriamatoa : na mamono na vonoina.
Ianao koa, tsy maintsy namono ve ianao?
(fanginana) Sarotra ho ahy nyhamaly izany fanontaniana izany. Efa nilaza taminao aho fa na mamono na vonoina.
Avy any amin'ny ambaratongam-pahefana izany ny baiko?
Tsoriko aminao fa tsy misy ambaratongam-pahefana izany ao amin'ny tafika. Mandray ny baiko avy amin'ny rehetra ianao. Manome baiko avokoa ny rehetra, manome baiko avokoa. Tsy misy ambaratongam-pahefana eo amin'ny tafika Gineana. Manjaka ny korontana. Tahaka ny milisy voalamina. Efa ela izahay no tao amin'ny tafika fa mikorontana e! Raha tsy mamonjy anay ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia manhy ny ho amin'ity firenena ity aho.
Lazaina betsaka ny fikorontanana misy eo amin'ny tafika. Azonao lazaina e ny momba izany? Ahoana ny fomba fiasan'ny BATA amin'izao fotoana izao? Nisy fandraisana zazavao e teo aloha teo? Misy milisy ve ao amin'ny BATA?
Eny, manamarina aho fa misy milisy ao anatin'ny BATA. Misy ny olona tonga tao. Misy aza milisy avy any Liberia no tafiditra ao anatin'ny tafika Gineana, ao anatin'ny BATA, tsy manana toe-tsaina miaramila, tsy nofanina ho amin'izany. Tena mpampono olona mihitsy ireo noraisina ireo. Lazaiko fa miaramila aho, miaramila aho fa manahy ny amin'ity firenena ity. Tsy amin'ny fisainana tahaka izao mihitsy no nandraisana ny fahefana. Noraisinay ny fahefana tsy hampivakivaky ny firenena, hanaovana azy ho andrin'ny demokrasia. Saingy tsy izany ankehitriny no mitranga eo amin'ny tafika Gineana. Tena mankaloiloy, manahy mihitsy aho. matahotra na dia izahay miaramila aza. 600 ankehitriny no nampidirna tao amin'ny tafika, misy ny avy any an'ala, misy ny avy any Liberia. Ahiana hatamin'ny valifaty.
Hatramin'ny oviana ianao no miaramila?
Hatramin'ny 2002.
Hatramin'ny nahatafiditra anao tao amin'ny tafika, tao amin'ny  BATA, nahita ny fitotongan'ny toe-draharaha ve ianao?
Miharatsy isan'andro isan'nadro ny toe-draharaha.
Mahazo fitaovam-piadiana ve ny zazavao? Nahazo fitaovam-piadiana vaovao ve ianareo? Betsaka ve ny fitaovam-piadiana nozaraina any an-toby?
Mivezivezy any an-toby isan'andro ny fitaovam-piadiana. Mahazo fitaovam-piadiana ireo vao zazavao. Omena azy ny rehetra: grenady, basy, bala. Tsy heverina ny andro nampidirana azy ireo (ao amin'ny tafika). Nozarina fotsiny dia aseho azy ny lalan'ny ady, izay ihany. Misy ny tanora vonona, ary tsoina fa ny hiaro ny fitondrana mijoro ihany no ataony, tsy manana fiofanana ara-miaramila. Mitady y fomba ijanonana eo amin'ny fitondrana ny ekipa misy ankehitriny. Tsy te-hiala teo amin'ny fitondrana izy. Tahaka ny filoha Conté. Ankehitriny vao tena miseho endrika izany sefo izany. Izahay koa dia voahilikilika ao amin'ny tafika. Feno tahotra, tsy afa-miteny. Lazaiko anao ny zavamisy ao amin'ny tafika amin'izao fotoana izao: Baranahiny tanteraka, baranahiny tanteraka, baranahiny tanteraka! Tsy misy mifankafantatra intsony ny ao ami'nny tafika ankehitriny. Tsy misy mahalala hoe iza no komandà ary iza no kaporaly. Nidaroka ny Jeneraly Toto ry zalahy tao amin'ny mpiambina ny filoha. Kaporaly ry zalahy ireo. Tsy misy fitsipi-pifehezana ao amin'ny tafika Gineana. Ao amin'io tafika io, rehefa tsy misy ny “hery vonjy taitra” dia lazaiko anao fa ho fanjakan'i baroa tanteraka i Ginea, ary ho avy amin'ny tobin'i Alpha Yaya (tobin'ny Kapiteny Camara) ihany no iavian'izany. Efa feno avokoa ny fepetra rehetra hisian'ny gidraka, akaiky dia akaiky, ao amin'ny tobin'i Alpha Yaya [ihany]. Tsoriko fa manahy indrindra ny ho amin'ity firenena ity aho.
Copyright : resadresak'i Olivier Rogez, Radio France Internationale
Claire Ulrich
Rosia: Filazana ny fihaonambe ho fahatsiarovana an'i Anna Politkovskaya
Ilay mpanao gazety Anna Politkovskaya dia nisy namono tamin'ny 7 Oktobra  2006. Amin'ny Alarobia ho avy izao, hisy fihaonambe ho fahatsiarovana azy nomanina hatao eo ivelan'ny metro Chistyye Prudy any Moscou.
(lahatsoratra  GV momba ny famonoana an'i Anna Politkovskaya tamin'ny 2006 - ato sy ato; 2007 - ato; 2008 - ato.)
Nisy lahatsoratra fohy (RUS) milaza ilay fihaonambe ho fahatsiarovana navoaka voalohany tao amin'ilay vohikalan'ny Novaya Gazeta, gazety nanoratan'i Anna Politkovskaya:
Telo taona izay no lasa taorian'ny andro namonoana an'i Anna Politkovskaya; mbola mandehandeha eny ireo nibaiko sy nanatontosa izany famonoana izany.
Handray anjara amin'ilay fihaonambe ireto olona ireto:
Aleksey Simonov [filohan'ny Glasnost Defense Foundation], Ilya Politkovsky [zanakalahin'i Anna Politkovskaya], Dmitry Muratov [Talen'ny famoahan'ny Novaya Gazeta], [vehivavy mpilalao sarimihetsika Liya Akhedzhakova], Grigory Chkhartishvili [mpanoratra, solonanarana: Boris Akunin], [mafana fo mpiaro ny zon'olombelona Lyudmila Alekseyeva], [mpanao pôlitika Grigory Yavlinsky], [mpanao pôlitika Boris Nemtsov], [vehivavy mpilalao sarimihetika Chulpan Khamatova], [mpanao pôlitika Mikhail Kasyanov], [mpanoratra sariitatra Victor Shenderovich], [mpanao gazety] Yulia Kalinina, sy maro hafa.
Hanomboka amin'ny 4:03 ora hariva tsy diso ny fihaonambe.
Nahazo alalana tamin'ireo manam-pahefana ao an-tanànan'i Moscou ilay fihaonambe.
Miaraka amin'ilay lahatsoratra fohy ny sarin'i Anna Politkovskaya:
ANNA - 7 Okt.  2006: Mbola mandehandeha any ireo mpamono.
Ary misy koa sarina mpanao gazety sy mafana fo maro hafa izay “namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asany” tany Russia, nanomboka tamin'ny 2000 hatramin'ny 2009 - Telman Alishaev; Anastasiya Baburova and Stanislav Markelov; Magomed-Zagid Varisov; Igor Domnikov; Magomed Yevloyev; Valery Ivanov and Aleksei Sidorov; Vagif Kochetkov; Pavel Makeev; Maksim Maksimov; Eduard Markevich; Ivan Safronov; Natalya Skryl; Paul Klebnikov; Yuri Shchekochikhin; Natalya Estemirova; Vladimir Yatsina:
Hatramin'izao dia mbola hevitra efatra ihany no naterak'ity antso avo ity:
konoplyov:
Dia iza no mpamono dia iza no nibaiko izany? Mety tsy efa maty ve izy?
gerantidi:
Mbola velona tsara tokoa izy. [Berezovsky no anarany.]
miksread:
Kiriko aho mahita ity iconostase saro-takarina ity. Kiriko aho mieritreritra ny hoe farafaharatsiny ny isan'ireo handray anjara amin'ilay fihaonambe dia tsy ho latsaka [amin'ny isan'ireo olona amin'ilay peta-drindrina]. Maty tamin'ny tsy antony ve izy ireny? Toa sahala amin'izany an.
igel_68:
Tsy maintsy handray andraikitra amin'ity i [Putin] indray andro any. Mpanao gazety roa isan-taona eo no maty novonoina raha ny salanisa. Indrindra ireo mitatitra ny tena zava-misy any Rosia. Ireo izay nifidy ny tsy hanasoaso ny fitondràna. Sady azo atao koa ny miresaka momba-na famonoana iniana atao. Famonoana mifototra amin'ny asa. […]
viking_nord, mpampiasa LJ dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy ampolony vitsivitsy izay namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny blaoginy. Ny lohatenin'ilay lahatsoratra dia “Ho any aho.” Somary maina ihany ny hevitra voalohany napetraka tamin'io:
vzzhbzl:
“Ho any aho.” Any amin'ny misy an'i Politkovskaya ankehitriny ve? Aza maika amin'izany. Tsy maintsy ho any daholo isika indray andro any.
Ity ny tohin'ny resaka:
viking_nord:
Ilay fihaonambe no tiako resahana.
vzzhbzl:
Inona ary no handanianao andro amin'izany? Hanandratra  tabataba kely fotsiny ianareo dia avy eo hiparitaka - hanova zavatra ve izany?
viking_nord:
Kanefa raha tsy manao tabataba mihitsy izahay, izay vao tena tsy hisy mihitsy ny fiovàna.
andrei_naliotov, mpampiasa LJ dia namerina namoaka ilay filazana (RUS) tao amin'ny vondrona LJ ru_politics (mpikambana 8 722). Toa miavaka ny resaka misy ao amin'ny fametrahan-kevitra amin'izao fotoana izao - feno faharatsiam-panahy miharihary sy zara raha misy  alahelo na vaovao marina bitika dia bitika:
kidman_moscow:
*manoaka*
Aza adino ny mamoaka sary.
fetisoff:
Ie, tia mandehandeha any amin'ny Chistoprudnyi aho [ Lalambe migodana, toerana hanaovana ilay fihaonambe sy nanaovan'ny antoko mpanohitra fihaonambe maro taloha]. Nefa izao aho tsy maintsy mijery aterineto alohan'ny handehanana, hijery raha misy [adala] mitady hanao fihaonambe eny (na dia ireo ihany aza no manohitra eny isaky ny mihetsika).
bobrok_gso:
[Haha], fa maninona no nosoratanao hoe mpanao gazety i Stasik Markelov? Fa angaha izy tsy mpisolo vava? Sa azo aseho eny daholo [na iza na iza]?
atollos:
Mitovy fiafaràna daholo ireo Mazepas rehetra. [araka ny anaran'i Cossack Hetman Ivan Mazepa - sy ny anaran-jazavavin'i Anna Politkovskaya, Anna Mazepa.]
knpnk:
Hm… Eo amin'ilay peta-drindrina misy ireo mpanao gazety dia misy toerana banga eo amin'ny laharana farany… Tsy maintsy misy antony ao…
vitaly:
Sipakelin'ireo be volombava. [milaza ankolaka an'i Anna Politkovskaya sy ireo mafana fo Chechen.]
salnikov_vova:
Koa tsy  ‘ndeha sambory àry ry zareo [ireo namono an'i Anna Politkovskaya]! Raha mbola olona miriaria izy ireo, maninona ianareo no tsy misambotra azy ireo  na manome ny mombamomba azy ireo any amin'ny mpitandro filaminana!
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Notsongaina tao amin'ny bolonan'ny Komity miaro ny mpanao gazety tamin'ny 2 Oktobra 2009 ity lahatsoratra ity. Nierana ny famoahana azy etoana.
Tapabolana izay no lasa ka nandaozako an'i Gabon, iray volana kosa ny fifidianana ny mpandimby an'i Omar Bongo, izay nitondra ny firenena fahaefatra mpamokatra solika be indrindra eto Afrika nandritra ny 41 taona. Mbola tsy nivaha ny olan'ny fanisam-bato sy ny isan'ny olona maty noho ny gidraka taorian'ny fifidianana.
Mifanatrika amin'ny mpanao gazety ny  polisy misahana ny rotaka tao Rio nandritra ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra tamin'ny 7 aogositra (Andriankoto Ratozamanana)
Hatramin'ity fahavaratra ity dia tsy nahalala zavatra betsaka momba an'i Gabon aho, ankoatra ny heno kisandrasendra fa manana PIB mitovy amin'ny an'i Paortigaly ity firenena manana mponina 1,4 arivoarivo ity. Niova izany fahafantarana izany taorian'ny 3 Jolay rehefa nahazo mailaka avy tamin'i Alice Backer, tonian'nyGlobal Voices Lingua teny frantsay teo aloha izaho sy i Lova Rakotomalala, samy mpamaham-bolongana avy eto Madagasikara, mba hitatitra ny fifidianana ho filoham-pirenena notontosaina tany Gabon tamin'ny 30 aogositra. Nanaiky aho satria nila rivo-baovao.  Sady amin'ny  maha-mpamaham-bolongana ahy ao amin'ny Global Voices teny Malagasy, dia efa nitati-baovao ny momba ny krizy politika nandrovitra ny nosin'ny Oseana Indiana dia i Madagasikara rahateo aho. Nanampy tamin'ny alalan'ny  fametrahana sehatra Foko-ushahidi, nahafahan'ny olo-tsotra nandefa SMS nijoroany vavolombelona, fitateram-baovao mivantana (eo noho eo) amin'ny alalan'ny Twitter, ary ny vohikala eto an-toerana tahaka an'i Topmada,  i Lova, izaho ary ny mpamaham-bolongana hafa no nitatitra ny  endriky ny krizy amin'ny lafiny rehetra. Misy aza ny fitateram- baovaon' olo-tsotra no notsongain' ny gazety iraisam-pirenena rehefa hita fa nisara-kevitra ho lasa mpanohana vondrona politika ny gazety malagasy.
Eo amin'ny lafiny ilany kosa dia voasokajy ho firenena “voageja” eo amin'ny lafiny teknolojia i Gabon. Latsaky ny 6 isanjaton'ny mponina no manam-pahafahana hijery aterineto, araka ny voalazan'ny InternetWorldStats. Raha nihora-panoherana ny nanakatonan'ny filohantsika teo aloha ny fahitalavitry ny mpanohitra azy ny olona ary  anisan'ny nampianjera azy teo amin'ny fitondrana, efa maridrefy eken'ny  gazety any Gabon hatramin'ny taona maro kosa ny sivana, araka ny lazain'ny fikambanana mpiaro ny fahalalahan-gazety maro.
Na izany aza, nandao ny fotoam-pahavaratr'i Madagasikara aho ka nankany amin'ny rivotra mafana sy mandon'ny morondranomasin'i Libreville renivohitr'i Gabon, ambony kelin'nyEkoatera indrindra, Efa fantatro fa hanana ny tantarany ity fifidianana ity, eny fa na dia ny anjara toerana sambany misy ny fampitam-baovao teknolojika fotsiny aza.
23 ny isan'ny nirotsaka hofidiana, maro no nanao fampielezan- kevitra  tamin'ny alalan'ny vohikala toa an'i Ali9, Mamboundou, AndreMbaObame na i Moubamba. Henjana dia henjana tokoa ny fampielezan-kevitra tamin'ny alalan'ny vohi-tserasera sosialy. Navitrika dia navitrika tamin'ny fampiasana Facebook, Flickr, YouTube ary Twitter ohatra ny iray amin'ny mpifaninana, dia ilay mpanao gazety Frantsay-Gaboney Bruno Ben Moumbamba. Niavaka tamin'ny alalan'ny fampiasana SMS ho an'ny tsirairay indroa miantoana tamin'ny alalan'ireo mpanao tolotr'antso am-pinday telo lehibe tany an-toerana dia ny Zain, Libertis, ary ny Moov kosa ny kandidàn'ny antoko eo amin'ny fitondrana  Ali Ben Bongo.
Any amin'ny bar (antsoina any hoe “makis”) afovoan-tanànan'i Libreville distrikan'i Louis, moa ny olona no miady hevitra amin'ny zavatra rehetra sady miara-misotrosotro ny labieran'ny ao an-toerana “Regab” sy tsaky endin-trondro. Koa satria moa ataon'i Bongo ampihimamba ny haino aman- jerim- panjakana, ary miompana amin'ny fivavahana na amin'ny fialam-boly ny ankamaroan'ny radio ao an-toerana, sady eo ampelatanan'ny sangan'olona amin'ny lafiny politika, fandraharahana ary fivavahana ny fahitalavitra, dia  lasa mitodika any amin'ny haino aman-jery iraisam-pirenena no manara-baovao ny ankamaroan'ny Gaboney te-hihaino vaovao tsy mitongilana. Indrisy moa fa voafefin'ny sivana, fampitahorana, ary herisetra ny mpitati-baovao an-gazety sy amin'ny haino aman-jery manaraka ny fifidianana.
Rehefa tonga tany Libreville aho dia tsapako avy hatrany fa sadaikatra ny olona any hanambara amim-pahalalahana ny heviny amin'ny olona tsy fantany. Eny fa na dia ilay mpanety nanapaka ny voloko aza dia nandà tamim-panajana ny haneho ny heviny momba ny fifidianana, nefa nandritra ny fotoana nanontaniako azy dia mitatatata aok'izany ny fahitalavitra ao  aminy eo amin'ny fantson'i Africa 24 mitatitra ny voka-pifidianana. Hafahafa.
Tamin'ny voalohany ny tanora maro nifanena tamiko dia tsy liana loatra tamin'ny aterineto. Ny zava-misy, ireo mba nandalim-pahaizana indrindra no niteny tamiko fa ny ampiasan'izy ireo ny serasera dia natokana hamakiana mailaka, hikarajiana ary mandany andro amin'ny vohikala fikaotiana olona. Misy ireo liana ihany ny hamaham-bolongana saingy mitady karama amin'ny fanaovana izany. Na izany aza, noho ny fifanampiana, dia misy ireo maningatsingana nanao ny dingana voalohany hampiasa ny aterineto ho fampitan-kafatra ara-tsosialy, ka mihamisongadina tsikelikely ny feon'ireo  mpiserasera vaovao ireo. Nizara ny niainany nandritra androm-pifidianana ao amin'ny YouTube ny mpanao gazety sady mpikatroka Gaston Asséko. Roger Edima Mavoungou Wilson, matihanina amin'ny fifandraisana, kosa dia nanokatra bolongana ary mazoto mi-tweet (sioka). Régis Ngoma, mpanao hatsikana ao an-toerana, aza moa dia nanokatra kaontyYouTube ihany koa ary namoaka lahatsary manebaka ny fifidianana.
Raha tsy jerena kosa izany, dia tena nandia fotoan-tsarotra tokoa ny fanangonam-baovao nataoko. Tsaroako tsara fa tsy afa-namoaka lahatsoratra aho rehefa notapahin'ny mpanao tolotr'antso ny SMS nandritra ny fifidianana. Vokatr'izany, dia tsy afa-niainga mihitsy ny sehatra Ushahidi nampiasain'ny Gaboney ampielezana nonina tany Frantsa antsoina hoe Ny anjely mpiambin'i Gabon. Na izany aza dia nanamora ny fifampitam-baovao teo amin'izay tao an-toerana sy tany ampielezana ny seha-tserasera sosialy. Nitsambikina ho eo amin'ny tampony aza ny tag  “#Gabon” ho an'ny Twitter miteny frantsay nandritra ny namoahana ny valim-pifidianana, araka ny voalazan'ny Twirus.
Mbola mampisalasa ny valim-pifidianana ho filoham- pirenena rehefa nihanandroso ny fanisam-bato indray mandeha koa, mbola voateritery ihany ny mpanao gazety. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo aza moa dia notazonina noho ny nanoritany sariitatra-na polisy roa ny mpanao sariitatra sady mpamaham-bolongana Patrick Essono. Ny omalin'io moa dia notazonina ihany koa noho ny namoahany an-gazety ny fakana feo ireo mponina any Port-Gentil ny tonian'ny lahatsoratry ny  gazetim-panjakana L’Union, Albert Yangari, satria nambaran' ireo olona ireo fa maro kokoa noho izay nolazain'ny governemanta ny olona matin'ny herisetra taorian'ny fifidianana. Tamin'ity herinandro ity kosa indray dia maro no nilaza fa tadiavin'ny mpitandro ny filaminana ny tranon'ny mpanao gazetyJonas Moulenda, izay nanao ny fakana feo, ary efa nahazo fandrahonana ho faty izy.
Andriankoto Ratozamanana
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Isaorana ny vaomieran'ny loka Nobel fa nanala andro anay izy androany. Maro angamba ny olona no tsy matoky hoe nahoana moa no nomem-boninahitra ny filoha Amerikana Barack Obama, sady mihevitra fa tsy mendrika azy izany. Saingy faly avokoa izy rehetra, fa mampisy fanantenana azy ireo izao fa hay mety hahazo ny loka avokoa ny tsirairay. Tsy vitan'ny hoe ny olo-tsotra ihany no hendratra, fa na dia ny Associate Press aza dia mitovy fijery amin'izy ireo:
Voninahitra lehibe ho an'ny iray amin'ny filoha Amerikana tanora indrindra, izay tsy mbola ampy sivy volana ny nandraisany ny asany — ary vao 12 andro monja mialoha ny andro farany hanaovana ny fifantenana izany tamin'ny volana febroary izany.
Taratra fa noho ny fampanantenana no tena nahazoan'i Obama ny loka fa tsy noho ny zava-bitany.
Ny hevitry ny Ejypsiana nandritra ny fotoam-panambarana  tao amin'ny Twitter
@amradelamin: Azon'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana.
@fustat: Notolorana ny loka Nobel fandriampahalemana 2009 ny filoha
Ary gaga tanteraka ny sasany.
Ghafari: نعم! اوباما فاز بنوبل للسلام؟ سلام ايه؟ وفين وامته؟.
@Ghafari: Eny! Nomena an'i Obama ny loka Nobel fandriampahalemana? Fandriampahalemana inona? Oviana ary tamin'ny fomba ahoana?
@embee: Obama? WTF?
@alaa: Ompao aho kle. Ny filohan'ny firenena nanangana ady amin'ny firenena roa (tsy lazaiko ny any Pakistan) ve no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
@waelabbas: Nahazo ny loka Nobel tamin'ny fanampiana ny mpanao didy jadona i Obama
@Ssirgany: Nifarana tamin'ny 1 febroary ny faran'ny fifantenana ny olona hahazo ny loka Nobel, izany hoe 10 andro monja taorian'ny nandraisany ny asany. Inona no vitany tao anatin'ny 10 andro?
Ary dia nanomboka nanala azy ny ankamaroany
@nightS: Obama sy ny loka Nobel fandriampahalemana?!?!?! heveriko fa vaovao tsara izany..Ny tiako lazaina dia mety hahazo io ihany koa aho amin'ny 2010 reheefa tena hitan-dry zareo fa mendrika an'io izy!!
@Sarahcarr: Tokony hotontosaina any Afghanistan ny fanolorana ny loka Nobel ary atrehin'ny havan'ireo sivily najedaky ny miaramilan'i Obama.
@minazekri: Azon'Atoa Obama ny lokan'i Nobel fandriampahalemana  noho ny nampitomboany ny isan'ny miaramila hiady any Afghanistan.
@minazekri: Afghanistan, Iraq ary ankehitriny dia HANAFAY an'i Iran koa i Obama, tena matoky aho fa izy no safidy tsara indrindra amin'ny loka Nobel fandriampahalemana
@moftasa: Mampihomehy ny fahazoan'ny mpanao politika ny loka Nobel mialoha ny hanaovany zavatra, nefa ny mpikaroka tsy mahazo azy raha tsy ampolony taona taorian'ny nampody ventiny ny rano natsakaina.
@moftasa: Nahazo ny loka Nobel momba ny fitsaboana i Barbara McClintock tamin'ny 1983 noho ny nahitany ny “gene transposition” tanelanelan'ny taona 40 sy 50.
@alaa: @moftasa ny tena mampihomehy dia ny fotoana niandrasan'i Mandela hahazoany io loka io no sady tsy maintsy nifampizarany azy tamin'ny mpanavakava-bolo-koditra mpamono olona sy ny tsy nahombiazan'i Ghandi in'efatra hahazoany azy
@WilYaWil: Mendrika hahazo ny loka Nobel noho ny kabariny i Obama fa tsy ami'ny fandriampahalemana!
@BooDy: قلت لابوي و انا صغير يابا انا عاوز آخد جايزة نوبل ضحك علي الندل و قالي ذاكر و ابقى عالم و انت تاخدها أتاريني الأسهل اني ابقى سفاح
@BooDy: Niteny tamin'ny raiko aho indray mandeha, fony mbola tanora, fa te-hahazo ny loka Nobel aho. Nitokelaka ny anao sady niteny hoe mianara mafy mba ho mpanao fikarohana raha te-hahazo, saingy hitako fa toa mora kokoa ny manao mpamono olona raha te-hahazo azy.
@WilYaWil: Notapahin'i Kanye West ny kabarin'i Obama momba ny Nobel “Avelako ianao hamarana azy, saingy ity no loka Nobel ho amin'ny fandriampahalemana ratsy indrindra hatramin'izay nisiany”
@Amiralx: Ary tokony ho izaho no hahazo ny Grammy amin'ny fihirana eo am-pandroana an!
Namoaka lahatsoratra manokana momba io ao amin'ny bolongany i Arabawy.
Nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana ny mpanombi- kenan'i (boucher) Iraq sy Afghanistan (ary Pakistan) . Arahabaina e! [Mabrouk!] Andro lehibe ho an'ny tontolo anjakan'ny fahafahana izao. Obama, Manachem Begin, Henri Kissinger–ireo olona rehetra nahatonga ity planeta ity ho  toerana maha-te-honina. Ary maninona raha mba mahazo an'io ihany koa ry Mubarak sy ry Habib el-Adly? Lasa ny hafatra ho an'ireo mpisolelaka any Nôrvezy: Ny famonoana sy ny fanajedahana no lalana atoronareo hahazoana ny loka Nobel.
Ary farany, dia misy ihany ireo manana fijery hafa:
@majdtweets: Eo amin'ny lafiny iray: Rehefa azon'i Obama izao ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana, dia mety hijoro amin'ny voninahitra azony izy ka hametraka ny fandriampahalemana amin'izay!
@sarsour: Tiako i Obama - hitako ho bandy tsara ihany ny akama. Fa mbola  be ny miandry zavatra azy MIALOHA ny hahavitany ireny.
Tarek Amr
Libanona: Hatezerana misonga noho ny fampiatoana ny fanamboarana ny toby Palestiniana
JustImage: Matthew Cassel
Nisonga ny hatezerana sy hetsi-panoherana ho valin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta  Libaney hampiato  ny fanamboarana ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina, Nahr el Bared.
An-jatony no nanao fihetsiketsehana  tany amin'ny tànana andrefan'i  Tripoli tamin'ny herinandro lasa teo, noho io fampiatoana io, nefa raha ny fanazavan'ny mpanao gazety sady mpitoraka blaogy mipetraka any Libanona, Matthew Cassel, ao amin'ny  JustImage, na ireo hetsika ireo aza sarotra vao vita:
JustImage: Matthew Cassel
Mpitsoa-ponenana an-jatony avy any amin'ny toby sy ireo mpomba azy no nihaona tany Tripoli, tanàna lehibe akaiky indrindra an'ny Nahr al-Bared. Taorian'ny nandavan'ny kaomisaria akaiky indrindra ny afovoan-tanana ny hanaovana fihetsiketsehina, dia nifindra toerana ireo mpanao fihetsiketsehana ka nisafidy toerana lavitra ireo tranom-panjakana sy ireo olona maneho ny fitondrana.
Ity toby ity dia ivon'ny fanoherana mihoson-drà tamin'ny 2007 izay nifandonan'ny mpiady Islamistan'ny Fatah al-Islam tamin'ny miaramila Libaney, namoizana ain'olona am-polony.
Maro tao amin'io toby io no voa mafy nandritra ireny fifandonana ireny, nanery azy ireo hitady toeram-ponenana tany amin'ireo tanàna mifanolo-bodirindrina na ireo tobin'ny mpitsoa-ponenana hafa izay efa be mponina mihoatra noho ny tokony ho izy.
Ireo tetikasa fanamboarana izay efa nitarazoka ela,  dia vao mainka koa tojo sakana lehibe tamin'ny 13 Aogositra tamin'ity taona ity rehefa nanapa-kevitra ny Governemanta Libaney fa haato ny ezaka  fanamboarana noho ny antony fahitàna rakitry ny fahagola tao [archaeological purposes).
JustImage: Matthew Cassel
Ity hetsika ity dia notarihan'ny lehiben'ny Free Patriotic Movement (FPM), Michel Aoun, izay nanambara fa najanona noho ny fahitàna rakitry ny fahagola [archaeological artifacts] ao amin'ny toeran'ny Nahr el Bared. Ireo mpitsikera dia mihevitra baikon'ny resaka politika ny toerana raisin'i Aoun amin'izy ity.
Roa taona taorian'ny nitsaharan'ny ady tao  Nahr el Bared, an'arivony amin'ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina no mbola tsy manana toeram-ponenana, ary toy ireo Libaney maro, dia very hevitra amin'ity zava-mitranga ity.
Haingana be ny fandraisan'andraikitry ny tontolon'ny blaogy ka nanokafany blaogy iray vaovao ho  fiarovana ny zon'ireo mpitsoa-ponenana  Palestiniana any Nahr el Bared.
Ireo sarintany sy ny fizotran'ny fanamboarana dia hita ao amin'io blaogy vaovao Nahr Al Bared io. Izao no tenin'ny mpitoraka blaogy iray momba ny fampiatoana  ity fanamboarana ity:
Nitranga indrindra ity fepetra ity  taorian'ny roa taona nanemorana ny resaka ara-pitantanana ho amina daty manaraka lava izao, ao anatin'izany ny fandaharan'asa sy ny fijerena ny pitsopitsony rehetra momba ny asa fanamboarana izay nankinina tamin'ny faneken'ny Governemanta, ny ministera ary ny politika. Izao vao misy fanapahan-kevitra mivaingana hampiatoana ny fanamboarana, izay mampitombo ny fotoana famindran-toerana ireo mpitsoa-ponenana Palestinianina maherin'ny 20,000.
Ny mpitoraka blaogy  Mlokheya Resistance ihany koa dia naneho ny tsy fahafaliany:
Roa taona taorian'ny  fahasimban'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana tao  Nahr ElBared , ireo mponina dia faly fa ho tanteraka ihany ny fanamboarana ny toerana. Nefa, vao natomboka ilay izy, dia MBOLA najanon'ny governemanta Libaney indray ny fanamboarana an'i  Nahr ElBared!!!
Ireo mpampiasa Twitter dia tsy ambaka an'izany, naverin'izy ireo nalefa ao amin'ny Twitter ireo fitarainana sy fijoroana vavolombelon'ny mpitsoa-ponenana ao Nahr El Bared ho fanentanana:
uruknet,  fampiatoana ny asa fanamboarana ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao  Nahr El-Bared [14 septembre 2009 01:18 ECT]: 13 septembre, 2009… http://twurl.nl/ly8efw
illdalal, RT@marcynewman blaogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com
marcynewman, laogy vaovao milaza momba ny asa fanamboarana  (na ny marina kokoa dia ny tsy fisian'izay) ao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Nahr El-Bared, http://albared.wordpress.com
MXML, RT@nmoawad RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com
nasawiya, RT@tamaraqiblawi blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'inahr el-bared albared.wordpress.com
tamaraqiblawi, blaogy vaovao misy ny vaovao+fitakiana hanamboarana an'i nahr el-bared albared.wordpress.com
Mpitoraka blaogy maro hafa, isan'ireny ny Body on the Line sy ny  Green Resistance  dia namoaka koa ny hetsi-panoheran'i  Tripoli.
*Ny sary rehetra dia an'i JustImage
Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet
Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina  Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny.
Niteny avy ao amin’ny foiben'ny Firenena Mikambana any New York, ilay nitonon-tena ho Mpanjakan’ny mpanjaka, izay mitondra an'i Libya efa ho 40 taona izao, dia niresaka nandritra ny 100 minitra  eo ho eo. Ireo lohahevitra noventesiny dia momba ny fitsikerana ny  Firenena Mikambana tamin’ny ady tany Irak sy tany Afghanistan avy eo nankany amin’ny firesahana momba ny H1N1 hatrany amin’ny faniriana mba hijanona ho Filoham-pirenena foana i Barack Obama… Tsy adino koa ny fangatahana amin’ny fanohizana ny fanadihadihana momba ny famonoana an’I JFK.
Kadhafi, izay misarika media maro ny diany noho ny fombany hafa kely sy ny fihizingizinany hipetraka any anaty  trano lay, ary niteraka hafatra marobe tao amin'ny Twitter. Any New York, natsatony teo amin'ny tanin'ny  tycoon Donald Trump - asa voatery naato noho ny fitarainan'ireo manodidina. Ny fanehoan-kevitra nateraky ny fandraisam-pitenenany dia tonga hatrany amin'ny fiantsona an'io Lehilahy Matanjaka any  Libya io ho ‘fruitcake' (adala) ka hatrany amin'ny fanehoana fitoviam-pijery momba ny toerana raisiny manoloana ireo olana maro iraisan'izao tontolo izao.
Maro tamin'ny mpampiasa Twitter no nanome naoty an'i Gaddafi tamin'ny fanolorana fanalana andro.
ThomasRon miteny:
Kalimark mponina ao New York dia mananihany miaraka amin'ny fanasongadinana tati-baovao:
Mahmoud Ahmadinejad, Hugo Chavez, Kadhafi sy Mugabe nameno ny famoaham-baovao rehetra androany - Sa mankalaza ny andron'ny gaigy isika androany?
Laura Quinny nahita hoe kabary nanala hamohamo ilay izy:
tena afa-diana tamin'ny kabarin'ny Kolonely tao aminny fihaonamben'ny Firenena Mikambana. Tena paiso
Bobonbusiness indray sahiran-tsaina amin'ny fomba fanoratana ny anarany ka manontany tena:
Qadaffi-Kaddafi-Gadaffi ve e? Dia manana endrika maro sy anarana maro ka! Anaty taratsy moforiporitra ve lery no mamaky ny kabariny e? aooouu.
Ary Matt Cundill manampy hoe:
Hafahafa ilay Gadaffi ity. Nandalo fandidiana firy? Mampahatahotra ny lokon'ny volo saritakany. Ny kabary nandritry  ny 95 minitra. Ny tranolay natsangany. N°1 amin'ny fitafy mendrika ny Halloween amin'ity taona ity
Zuzf mila bebe kokoa:
Sao misy any ho any ‘besf of ‘ amin'ny kabarin'i Gadaffi? Mba handre bebe kokoa  ny eritreriny momba ilay fihokoana momba ny gripan-kisoa.
Ary Chickyog kosa manantena ny solika Libiana:
Oh , Gadaffi, tena marary saina ianao miaraka amin'ity volo saritaka sy kabary lavabenao! BTW, AZAFADY vidio ny fitaovam-piadianay dia amidio aminay ny solikareo. Bà mamy,  avy amin'i UK xxx
Na izany aza, @bigajm manamarika fa isika rehetra dia volavolain'ireo media ireo avokoa. Hoy izy:
Mariho ny fomba nisarihan'ny ‘fampahalalam-baovao' antsika hitokelaka amin'ny kabarin'i Gadaffi re:”i Blair tokony hohenjehina amin'ny resaka heloka an'ady, tsy ilaina ny Firenena Mikambana.
Photo credit: Wikipedia
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany Gabon satria nolazaina ho mpandresy tamin'ny fifidianana i Ali Bongo, ny zanakalahin'ny filoha maty vao haingana Omar Bongo. Nitarika fandoroana ny masoivohon'i Frantsa ao  Port-Gentil, tanàna misy ny foiben'ny orinasan-tsolika frantsay Total ny herisetra nitranga taorian'ny fifidianana tany.
Eto Madagasikara, toa handamoka indray ny dinika notarihin'ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena hamerenana ny fandriampahalemana fa henjana ny famoretana nataon'ny mpitondra tetezamita ny mpanohitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny zoma lasa teo. Tao an-drenivohitra Antananarivo ohatra dia nahitana mpanao fihetsiketsehana nisintontsintona  vazaha teo akaikin'ny hotel Glacier rehefa nandrava ny fihetsiketseham -panoherana ny fananganana governemanta tsy iraisan'ny ankolafin-kery rehetra misy araka izay nifanarahana tany Maputo ny hery miaramila.
Ary ny farany ao Maoritania, dia lasa ara-dalàna noho ny nanantanterahana fifidianana heverin'ny mpanohitra tany an-toerana ho feno hosoka ny fahefan'ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, izay nanongam-panjakana tamin'ny herintaona. Ary dia efa nanontany tena moa ny Maoritaniana hoe nahoana moa no i Frantsa no anisan'ny voalohany nanaiky (fr) ny valim-pifidianana.
Fonjan-kevitra efa eken'ny besinimaro amin'ny ankapobeny ny resaka Francafrique hany ka niteny mihitsy ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny  fampandrosoana ny ampitan-dranomasina teo aloha Jean-Marie Bockel tamin'ny Janoary  2008 fa “te-hanasonia ny filazam-pahafatesan'ny Françafrique izy”
Efa ananan'ny maro dôsie ny fomba fiainan'ny mpitondra Afrikana monina ao Frantsa. Porofo mivandravandra iray amin'ny fanaovan'i Frantsa vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka ny sarintanin'ny fonenan'ny Afrikana mpanao didy jadona manodidina an'i Paris navoakan'ny Rue89. Nametraka lisitry ny tatitra sy ny sary ao amin'ny flickr ho porofon'ny fisian'ny Françafrique ihany koa ny ONG cellule Francafrique.
Haingana dia haingana ohatra ny nanasongadinan'ny bolongana Malagasy sy Frantsay fa ny Ambasadera Frantsay Chataignier  no diplaomaty vahiny voalohany tamin-dRajoelina ny andro manaraka ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Mampiseho ny fomba fiasan'ny Frantsafrika eto Madagasikara amin'ny alalan'ity lahatsary manaraka ity ny mpamaham-bolongana malagasy NJ:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny antony lazain'ny mpamaham-bolongana matetika nidiran'i Frantsa an-tsehatra eto Madagasikara dia ny habetsahan'ny solika azo trandrahana any amin'ny faritr'i Bemolanga. Nahazo ny 60%n'ny toerana ny Total izay heverina hitrandraka solika 180 000 barikana solika isan'andro mandritra ny 30 taona mahery. Nolazain'ny Reuters aza fa ny tahirin-tsolika ao Tsimiroro dia mahatratra hatramin'ny 1,7 miliara barika.
Manjary mivadika ho herisetra matetika izany fihetsika ataon'i Frantsa heverina ho manelingelina ny fivoaran'i Afrika izany.
Mba miezaka ny nanome soso-kevitra isorohana ny fanalàna fo amin'ny  teratany frantsay ho setrin'ny Frantsafrika ny mpamaham-bolongana Malagasy Vony. Nanokatra taratasy ho an'ny mpizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara i Vony (fr):
On dit que vous, Français, venez du pays des droits de l’Homme
Mais on sait aussi que vous vivez désormais dans un pays où la terreur règne,
Parce que Madagascar est aussi une partie de votre histoire, nous vous demandons
solennellement de nous soutenir et nous aider à retrouver notre dignité de
Malgaches et notre fierté de vivre sur cette île [..] Nous Malgaches au pays, en France et à l’étranger faisons appel à votre solidarité envers votre peuple ami et à votre foi en la démocratie et le respect des droits de l’Homme.
Parce que vous êtes aussi menacés par l’avenir sombre et désastreux qui nous guettent tous, , ne détournez pas les yeux mais tendez nous la main pour mieux dénoncer ce que vous ne toléreriez pas dans votre propre pays!
Lazaina fa avy any amin'ny firenen'ny zon'olombelona ianareo Frantsay nefa fantatra ihany koa fa miaina aty amin'ny firenena anjakan'ny horohoro ianareo, satria manko efa tafiditra ho anisan'ny tantaranareo i Madagasikara,
Koa miangavy anareo izahay hanampy anay hamerina ny hasina mahamalagasy sy ny fahamendrehan'ny Nosy […] Miantso ny fiaraha-mientana avy aminareo noho ny fanajanareo ny demaokrasia sy ny zon'olombelona izahay Malagasy. Satria manambana aminareo ihany koa  ny ho avy matroka, aza mangarika anay fa tolory tanana izahay ahafahanay manameloka izay tsy zakanareo ihany koa any amin'ny tany fiavianareo
Niresaka ny herisetra tamin'ny zoma i Tahina sy ny tsiaro ratsy niainany:
My bus line passes through the 13 Mai Square, a hot spot if not the hottest after the Ambohijatovo Park. And this logical question asked to the conducteur before getting on the bus “Do you go till Analakely?”, “Yes, Sir.” Along the street you pay attention to any abnormal things, people gathering at one place, suspicious traffic, you to stretch your ears to over hear others’ conversations. You take out your mobile and try to call someone who’s supposed to be downtown to know if he’s safe and ask him what he’s witnessed. All of that recalls me bad things. Things that I’m likely to live again in the days to come.
Mamakivaky ny kianjan'ny 13 mey ny fiara fitaterana nandehanako, toerana mafana, raha tsy ny mangotraka indrindra taorian'ny kianjan' Ambohijatovo. Tsy maintsy nanontany ny saofera ihany hoe: “Handeha hatrany Analakely ve ianao?”, “Ie!”. Tsikaritrao avokoa ny zavatra hafahafa rehetra nandritra ny dia, tahaka ny fivorian'ny olona tamin'ny toerana iray, ny fifamoivoizana mampiahiahy, tsy maintsy mba mihaino ny resaky ny hafa ihany. Miantso olom-pantatra amin'ny finday amin'izay heverinao ho any afovoan-tanàna ianao manontany raha milamina ny tany ka hitantarany izay hitany. Mampahatsiaro ahy zava-dratsy avokoa izany rehetra izany. Tranga izay mety mbola hiseho indray.
Any Gabon kosa no itantaran'ny mpamaham-bolongana Malagasy Harinjaka, izay mitoetra any Libreville ny mety ho porofon'ny hosoka izay nahatonga ny fandresen'i Ali Bongo:
of the cards featured in the image above, the one on the left is authentic, while the one on the right has been forged. The difference is quite clear - the one on the left has been stamped after the photo was attached, whereas the photo on the right was not stamped with the card, meaning that the photo can be changed - so that several people can vote with the same electoral card.
Amin'ny karatra hita amin'ny sary eo ambony ireo dia  tena izy ny eo ankavia, raha namboamboarina kosa ny eo ankavanana. Mazava ihany ny fahasamihafana - notombohina ny eo ankavia rehefa avy nametahana sary, nefa ny eo ankavanana kosa dia tsy misy fitomboka ny sary, izay midika fa mety ho nosoloina ny sary - mba ho maro ny olona afaka hifidy amin'io karatra iray io.
Ity manaraka ity kosa dia lahatsary ahitana vehivavy Gabonezy miampanga mivantana an'i Lafrantsa ho tompon'andraikitra mivantana amin'ny fanaovana hosoka nandritra ny fifidianana hampandresy an'i Bongo (fr):
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="295" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="295" src="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Nolavina matetika ho tsy misy tahaka ny petrakevitry ny fiokoana (théorie du complot) any amin'ny tany Tandrefana ireny rehetra ireny. Saingy manaporofo ny fisian'ny Frantsafrika mivantana eo imason'ny mpamaham-bolongana sy ny olo-tsotra Afrikana maro ny gidragidra nitranga tany Gabon, Maoritania ary Madagasikara.
Lova Rakotomalala