Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2013
Bangladesh : Tsy Afaka Miatrika Fifidianana Ny Antoko Jamaat-e-Islami
Nataon'ny didim-pitsaràna miatrika tsikera misavovona be noho ny fanoheranay ny fahaleovantenan'i Bengladesh ny antoko, ary ireo mpitarika dia voampanga ho nanao heloka bevava tamin'ny ady.
Ejipta : “Tena naheno bala nandalo tambonin'ny soroko aho”
Tantaran'ilay mpanao gazety sady mpaka sary Mosa'ab Elshamy izay saiky voatifitra sy nisy nangalatra ny fitaovam-piasany nandritra ny zava- nitranga tao Rabaa Al Adawiya tamin'ny androny 14 aogositra. Fifandonan'andian'olona maro sy ireo "mpitandro ny filaminana hampiasa ny fitaovam-piadiany tahaka ny eny an'ady. Nitantara ny zava-nanjò azy izy
Vaky ny Ady Tany Amin'ny Fiangonana Silamo Saodiana Rehefa Nanozona an'i el-Sisi ny Pretra
Lasa nihanaka io ady io, izay navoaka tao amin'ny YouTube, ary mbola mitohy ny fifandirana amin'ny alalan'ny teny ao anaty aterineto
Voadoro ny Fiangonana Kôpta ao Ejipta
Maro ny mihevitra ao amin'ny tambajotra sosialy ejipsiana fa nandranitra ny fifandranitana ara-pivavahana ny Mpirahalahy Miozolomana, nampifandrafy ny miozolomana amin'ny kristiana ka nahatonga ny fanafihana fiangonana, varotra, tranon'ny kopta ny andron'ny 14 aogositra, tsy mbola nahitana trangana herisetra toy izany
Ejipta : Tifirina, Samborina ary Rahonana Ny Mpanao Gazety
Misy mitifitra anay amin'ny balam-borona raha miezaka ny ho any amin'ny sit-in ao Rabaa, mitorovoka miafina ao ambadiky ny fiara. hoy i i Bel Trew mpanao gazety iray
“Novonoin-dRy Zareo Ny Eid ao Iràka”
Nampalahelo ny fiafaran'ny Ramadany tany Iràka fa fandripahan'olona no nitranga. Nivadika rà mandriaka ny tokony ho fetim-piravoravoana sy fiarahan'ny mpianakavy. Fa moa mba misy miraharaha izany ve ny hafa?
Mitady Ainga Vaovao Amin'ny Alalan'ny Fisafidianana Filoha Amin'ny Roa Farany Tavela i Mali
Nitrangana krizy niainga avy amin'ny fanonganam-panjakana i Mali herintaona sy tapany lasa izay. Efa amin'ny dingan'ny fifidianana kosa ry zareo ankehitriny ary miditra amin'ny fiodinana faharoa. Manao ahoana moa ny hevitr'ireo any Mali sy ny Maliana manoloana ny toe-javatra atrehin-dry zareo amin'izao fotoana izao? Rakotomalala no nandrafitra ny lahatsoratra.
Voaheloka Namono An-kerisetra Tovovavy Ilay Ramatoa Mitondra Vohoka Sy Ny Vadiny Tao Shina
Namoy ny ainy i Hu Yixuan, mpianatra mpanampy mpitsabo 17 taona raha iny namonjy ramatoa bevohoka niangavy hampiakatra azy any an-tranony.