· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2013

Hoy Ejipta : “Tsy Fanonganam-panjakana io”

Ny fitsabahan'i Etazonia amin'ny raharahan'ny Ejiptiana - sy ny resaka resahan'ny filazam-baovao anaty aterineto, indrindra ny CNN, mikasika ny fivoarana ara-politika ao Ejipta - no namaivay be ny alina lasa teo. Nahitàna fankalazana nanerana ny firenena ny fanalàna ilay filoham-pirenena Mohamed Morsi taorian'ny herintaona nitondràny, teo ihany koa ny andianà herisetra nifanaovan'ireo mpanohana sy mpanohitra an'i Morsi.

Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho "nandrasana" sy "tsy fahita."