· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2013

“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.

Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama

  21 Avrily 2013

Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka izany ihany koa ireo Panameana te-hanaraka ny zava-nitranga tao Venezoela, mpifanolo-bodirindrina akaiky azy. Panamaniana daily Día a Día (@DiaaDiaPa) [es]...

#Yemen: Vodaroky Ny Drôna Amerikana i Dhamar

Taorian'ny telo volana mba niatoan'ny fanafihana drôna (fiaramanidina kely mpandaroka baomba baikoana avy lavitra) Amerikana tao Yemen, dia namono olona dimy noahiahiana ho Qaeda ny drôna halina 16 Aprily 2013. Halina, i Farae Al-muslimi, Yemenita mpanao gazety sady mpikatroka mafàna fo, avy ao amin'ny tanànan'i Wessab, any amin'ny faritanin'i Dhamar, no namoaka voalohany ny vaovao mikasika ilay fanafihana drôna Amerikana tao amin'ny Twitter.

Làlana Mihoson-drà Mankany Amin'ny Fifidianana Ao Pakistan

  18 Avrily 2013

Fanaovana vy very ny aina amin'ny fanapoahana baomba, grenady iray sy fipoahana baikoana avy lavitra - izany rehetra izany anaty andro iray monja. Olona siviambinifolo no maty taminà tranga telo samihafa nikendrena ireo mpirotsaka hofidiana avy aminà antoko politika telo samihafa. Ny 16 Aprily 2013 no andro iray vonton-drà ho an'ireo mpanao fampielezankevitra tao Pakistana.

Syria: Misioka Avy Eny Aleppo

  12 Avrily 2013

Tafaverina ao Aleppo, Syria ilay mpanao gazety Jenan Moussa, ary nisioka izay zava-niainany, mbola mihamafy hatrany anefa ny ady eo amin'ny mpitandro ny filaminana mpanohana sy mpanohitra ny governemanta. Vaovao sy miavaka ireo siokan'i Moussa, mampahafantatra ireo mpamaky mikasika ny fiainan'ireo izay ao anatin'ny ady. Moussa, mpanangom-baovaon'ny Al Aan TV, avy...

Korea Atsimo sy Avaratra Anatin'ny ‘Tany Miady’

  04 Avrily 2013

Manana tantara lavabe momba ny fomba fiteny tia ady sy tia mandrahona an'i Korea Atsimo sy ny mpiara-dia aminy i Korea Avaratra. Saingy nafana vay tsy misy toy izany ny fandrahonana nataon'ny any Avaratra farany, ary mihazakazaka mampatahotra ny fifanenjanana ao amin'ny renim-paritra Azia Atsinanana tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.