· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2013

Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana

  31 Janoary 2013

Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra na hampifandraisana ny olona amin'io hevitra io. Jereo ny fomba fampiasan'ny Syriana ny fahaizany mamorona eo amin'ireo rindrin'i Syria.

Mizaky Mafy Ny Vokatry Ny Ady Ny Ankizy Syriana

Nandritra ny 10 taona, tombanana ho 10 tapitrisa eo ireo ankizy namoy ny ainy vokatry ny ady, araka ny tatitra avy amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Zon'ny Ankizy “Children's Rights Portal”. Mamatreka ho sokajy manokana tahaka ny ankizy lasibatra tahaka ny anasokajiany ny olo-tsotra lasibatra, miaramila, mpitsoa-ponenana, kamboty, maratra na sembana, zaza nogadraina na nohararaotina...

Kiorda Tery Anelanelan'ny Islamista Sy Ny PKK

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Azaz, Syria: Tafintohina anaty toe-draharaha mangozohozo ny Antokon'ny Mpiasa Kiorda (PKK) ao Torkia, sy ny sampany mpanao politika Syriana, ary ny...

Voapotsipotsitra Ny Taratasin'ny Filoha Tiorka Ho an'i Bangladesh

  25 Janoary 2013

Tamin'ny volana lasa [bn] teo ny Filoha Tiorka Abdullah Gül no nandefa taratasy tamin'ny filohan'i Bangladesh. Ny votoaty ankapoben'ny taratasy dia fangatahana “famindram-po” ho an'ireo mpitarika Islamista hotsaraina noho ny fiampangana ho nanao heloka bevava nandripaka olona nandritra ny adim-panafahana an'i Bangladesh. Nosoratany moa fa raha voasazy ireo mpitarika ireo dia mety...

Ireo Fitsabahana Ara-tafika Ataon'ny Frantsay Ao Afrika

Nanomboka ny 11 Janoary ny firotsahana ara-tafika ataon'ny frantsay ao Mali, antsoina hoe Opération Serval, taorian'ny fandrosoan'ny vondrona islamista nankao Bamako. Noarahabain'ny ampahany tamin'ny vahoaka tao Mali sy ny mpanaramaso avy any ivelany, nefa miala amin'ny fitsipiky ny tsy fitsabatsabahana any Afrika nofaritan'ny filoha frantsay Hollande ity firotsahana ity.

SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

  18 Janoary 2013

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny...

Andron'ny Fampihavanana Ao Atsimon'i Yemen

Vahoaka an'arivony avy amin'ny faritany enina ao atsimon'i Yemen no niara-nirohotra tao an-tanànan'i Aden nandritra ny andro vitsivitsy ho fandraisana anjara amin'ilay fetiben'ny “fampihavanana sy fifamelana”. Mankalaza ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao Atsimon'i Yemen taloha izay niseho tamin'ny tamin'ny taona 1986 ny fetibe. Ny ady an-trano dia nifanandrinan'ny mandatehezana roa...