· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2012

Ny Fanavaozana ny Tafik'i Yemen nandrasana efa ela

Gaga sady faly ireo Yemenis omaly naheno ny momba ireo fanapahan-kevi-dehibe noraisin'ny Filoha Abd-Rabbu Mansour Hadi mba hanambatra ny tafika - ary hanala ireo havan'ny filoha teo aloha Ali Abdullah Saleh, izay nitàna toerana ambony tamin'ny tafika sy ny fiarovana. Am-pitandremana ihany no hanehoan'ny mpampiasa aterineto hevitra, ary ny sasany manahy valifaty.

“Drone” Amerikana Nidaroka Baomba in-droa tany Yemen Nandritra ny Noely

Ny andron'i krismasy no andro nitifiran'ny 'drone' tany Yemen, namonoany 'ahiahiana' ho mpitolona dimy. Ny daroka voalohany nahafaty olona roa nandeha tanaty fiara iray tany amin'ny tanàna atsimo, faritanin'i al-Bayda tamin'ny alatsinainy. Tamin'ny fanafihana faharoa, izay nitranga tamin'ny alatsinainy ihany koa, Nitifitra tamin'ny balafomanga olona telo nandeha moto mamakivaky ny faritanin'i Hadramout.

Fanafihan'ireo Vondrona Mpikomy Tao Ndélé sy Bria Ao Amin'ny Repoblikan'i AFrika Afovoany

  25 Desambra 2012

Tao anatin'izay herinandro lasa izay, notafihan'ireo mpikomy ny tanànan'i Ndélé sy i Bria ary nandrahona ny fitondran'ny filohan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany François Bozizé izy ireo. Tsy manankery intsony ankehitriny ireo fifanekena momba ny filaminana nosoniavina tamin'ny taona 2007 noho ireo fanafihana vaovao izay niteraka hetsi-bahoaka goavana. Notafihan'ireo mpikomy i Ndélé  Tamin'ny 10...

Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra.

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

  16 Desambra 2012

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao...

Feon'ny Fahamendrehana – Vehivavy Nieren-doza Tamin'ny Ady Mitam-piadiana Tao Kolombia

  14 Desambra 2012

Feon'ny Fahamendrehana, tetikasa marolafy karakarain'ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena Ho Amin'ny Fitsarana Tetezamita (ICTJ), mizara ny tantaran'i Yoladis Zúñiga sy Petronila Mendoza, vehivavy Kolombiana roa nitsoaka ny trano fonenany taorian'ny famonoan'ireo milisy mitam-piadiana ny vadin'izy ireo sy ny fanafihana ny tanànany. Tamin'ny faran'ny volana Novambra 2012 no navoaka ny tetikasa, ahitana raki-tsary telo sy lahatsary...