· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2012

Syria Anaty Fahapotehana

Mampiseho, mizara ary mandrakitra ho tahiry ny fitroarana tany Syria amin'ny alalan'ny fampirantiana sarim-pahapotehana ny mpaka sary Syriana manerana ny firenena. Na dia voafetra aza ny loharanom-pampahalalam-baovao dia mampihoronkoditra kosa ny zavamisy iainan'ny Syriana ao an-toerana

Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo

  29 Oktobra 2012

 Ny mpiblaogy Zenaida Machado no nanapariaka tamin'ny alalan'ny siokan-tserasera [na twitter] fa: “@zenaidamz: #GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured” “Voasambotra i Pansau N´Tchama, izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny Alahady amin'ny alalan'ny fanafihana toby miaramila izay namoizana aina enina.”

Afghanistana Aorian'ny 2014: Mbola Hiverina Ve Ireo Andro Manjombona?

  29 Oktobra 2012

Tamin'ny 7 Oktobra 2012 lasa teo no nitsingerina ny faha-11 taona nisian'ny ady notarihan'i Etazonia tao Afghanistana. Tokony handao ny firenena ny tafika iraisam-pirenena amin'ny fiafaran'ny taona 2014, na dia mbola “tsy tontosa aza ny ady“. Taorian'ny taona maro nisian'ny ady, voatery hiala ny tafika OTAN ary hamindra ny andraikitra ho an'ny...

Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?

  29 Oktobra 2012

Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara: Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise...

Tontolo Arabo: Mitovy i Obama sy Romney Mikasika An'i Syria

Nanana teny masiaka hozaraina ny mpiserasera Arabo rehefa avy niandry hatramin'ny vao maraimbe mba haneho hevitra mikasika ny adihevitra momba ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana teo amin'ny filoha Obama sy ilay Repoblikana be fanantenana Mitt Romney alohan'ny fifidianana amin'ny Novambra izao. Tao amin'ny Twitter, nitsikera ny politika Amerikana momba an'i Syria...

Mpikarama An'ady Avy Ao Mali Mikonokonina Korontana ao Côte d'Ivoire?

  25 Oktobra 2012

Araka ny tatitra mampifanditra notontosain'ny Firenena Mikambana, nanakarama Islamista avy ao Avaratr'i Mali ny filoham-pirenena Ivoiriana teo aloha Laurent Gbabo mba hanakorontana ny governemanta ankehitriny tarihin'ny filoha Alassane Ouattara. Nivoka tamin'ny Asabotsy 6 Oktobra 2012 teo ny vaovao tao amin'ny Onjam-peo Radio France International (RFI). Tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny...

Pakistan: Malala Yousufzai sy ny fanafihana amin'ny fiaramanidina baikoana

  18 Oktobra 2012

Hatramin'ny nanafihan'ny olona mitam-basy an'ilay mpitolona tanora Malala Yousufzai tany Swat, dia nampametra-panontaniana maro ny fahombiazan'ny fanafihana ataon'ny fiaramanidina baikoana any Pakistan. Taorian'ny fanafihana tamin'ny 9 oktobra 2012 (jereo ny fanadihadihana Global Voices) dia hatezerana no nivoaka eran'izao tontolo izao, ary anisan'ny tezitra koa aza ireo antoko politika sy antokom-pivavahana any...

Syria: Revolisiona Mandeha Amin'ny Fiteny Maro

Tsy hoe tery an-tanin'ady ihany akory no nàka toerana ny Revolisiona tao Syria, teo anelanelan'ny làlana tao Daraa na ny toeram-pitiliana ao Aleppo. Fa misy koa ny ady goavana atrehan'ireo mpifanandrina, na ny mpanohana ny fitondrana izany, na ny mpanohitra, ety anaty aterineto, ahitàna taratra ny ady tsy misy indra fo ifamelezan'ny andaniny sy ny ankilany. Nitafatafa tamin'ny mpanangana ny pejy "La Revolution Syrienne en Français" (Ny Revolisiona Siriana amin'ny Fiteny Frantsay) izahay mba hahalalàna ny antony mandrisika azy ireo hanangana pejy toy izany amin'ny fiteny Frantsay manokana ary ny fomba eritreretin-dry zareo ho fandraisany anjara amin'ny revolisiona - amin'ny fomba virtoaly.

Tontolo Arabo: Ny Anjara-ratsin'Ireo Vehivavy Mpitsoa-ponenana Syriana

Satria mbola mitohy ny Revolisiona Syriana, mitohy miantraika amin'ireo mpitsoa-ponenana ny herisetra tao amin'ny firenena hatrany ny voka-dratsin'izany [Revolisiona], ny vehivavy indrindra no tena mandoa avo roa heny ny voka-dratsin'ny ady noho izy ireo iharan'ny herisetra amin'izany ady mitam-piadiana izany. Amin'ny kolontsaina entina sy anjakazakan'ny lehilahy izay manararaotra tsy an-kiato ny...

Meksika: Mbola Velona Ilay Mpikatroka Aleph Jiménez Tsy Hita Nandritra Ny Fotoana Ela

  09 Oktobra 2012

Mbola velona sy salama tsara i Aleph Jiménez, mpikatroka amin'ny #YoSoy132 rehefa tsy hita popòka nandritra ny herinandro maro, hita tao an-tanànan'i Meksika La Paz izy, 800 metatra mahery miala amin'i Ensenada, toerana onenany. Taorian'ny nahitana azy, nentina tany an-drenivohitr'i Meksika i Jiménez mba hanao fanambarana amin'ny Komisiona nasionaly misahana ny Zon'olombelona. Tamin'ny fanadihadiana [espaniola] nataon'ny gazety azy voalohany...