· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2012

Mampikorontan-tsaina An'i Zeorzia Ny Sarin'ady Ataon'i Rosia

Akon  28 Aogositra 2012

Amin'ity Septambra ity, miomana ny hanao ny 'Caucasus-2012' miaraka amin'ireo tafiky avy amin'ireo faritra nihataka tamin'i Zeorzia, faritanin'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Caucasus-2012 dia hatao any amin'ny faritra Kaokazy Avaratra, ary hahitàna fandraisan'anjaran'ny [ru] miaramila 8.000, hatraminà fitaovana mavesatra, artillerie, sambo, ary fiaramanidina mpiady. Io no ho fanazarantena lehibe indrindra nataon'ny Rosia tamin'ity taona ity. Hampitony ny Zeorziana ve izany?

Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.

Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón

  20 Aogositra 2012

Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.

Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita

  20 Aogositra 2012

Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra, nisintona Silamo Shiita 20 ary namono azy ireo an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana. Mpikirakira aterineto no manamarika hoe : "Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!"

Meksika: Manao Amboradara Ho Amin'ny Fandriampahalemana

  19 Aogositra 2012

Miaraka manatontosa ny amboradaran'ny Fandriampahalemana any amin'ny tanàna tahaka an'i Guadalajara, Monterrey ary Mexico City, ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra hametaka ny anaran'ireo niharan'ny herisetran'ny Ady amin'ny Rongony amina mosoara fotsy.

Iran, Israely: ‘Tsy Vonona Ny Ho Faty Amin'izay Adinareo’

Avy amin'ny lohateny lehiben'ireo fampahalalam-baovao mahazatra dia tahaka ny eo an-tokonan'ny ady i Iran sy Israely. Mitohy mandrahona hanafika ireo foto-drafitrasa nokleary iraniana ireo mpanao politika Israeliana, ary ireo manampahefana Iraniana kosa mitanisa ireo teny fanentanany hatrizay milaza ny "hanjavonan'i Israely eo amin'ny sarintany". Nefa arakaraky ny fitomboan'ireo sahoan-dresaka hisian'ny ady eo amin'ny roa tonta, no itomboan'ny hafanam-po mikatsaka fandriam-pahalemana ihany koa