· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2012

Syria: Nahatonga Izao Tontolo Izao Hampiaka-peo Ny Vonomoka Tao Houla

Tamin'ny 25 May, ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao Houla, avaratra andrefan'i Homs, dia nidina an-dalambe teo amin'ny mitatao vovonana teo, tsy nanampo na dia kely aza fa hoe mety hivaly vonomoka feno habibiana tsy roa aman-tany ny hetsika fanehoan-kevitra nataon-dry zareo. Raha kely indrindra dia 116 no olona matin'ny mpitandro filaminana mpomba ny governemanta.

Shina, Filipina: Mihenjana Ny Tadin-dokanga Momba Ny Fiandriananm-pirenena Ao Scarborough Shoal

  10 Mey 2012

Niakatra ny maripàna eo amin'ny fifanolanan'i Shina sy Filipina momba ny fifandroritana ny fari-dranon'i Scarborough Shoal na ny Nosy Huangyan, miaraka amin'ny filazan'ny fampahalalam-baovao eo ambany fitantanan'ny fanjakàna Shinoa izay niteny fa tsy afaka ny handefitra intsony i Shina amin'ny fisian'ireo sambo mpiady avy any Filipina ao amin'ny fari-dranomasina atsimon'i Shina.

Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny “International Relations and Security Network” (ISN)

  10 Mey 2012

Nifanaiky hiara-hiasa ny Global Voices sy ny International Relations and Security Network (Orinasam-Piarovana sy Fifandraisana Iraisampirenena), mba hampahafantatra ny hevitry ny olona mikasika ny  fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerana izao tontolo izao. Halefa ao amin’ny bilaogin’ny ISN sy ao amin’ny  Global Voices isaky ny faharoan’ny volana ireo lahatsoratra avy...