· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2012

Bahrain: Aiza I Abdulhadi Alkhawaja?

Efa andro vitsy lasa izao no tsy nahazoam-baovao ilay Bahraini mafana fo mpiaro ny zon'olombelona sady mpitarika ny mpanohitra Abdulhadi Alkhawaja, izay nanao fitokonana tsy hihinan-kanina hatramin'ny 8 Febroary. Atahorana fa mety fahanana sakafo an-katerena na mety ratsy tokoa ny fahasalaman'i Alkhawaja.

Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Bahrain: Entona Mandatsa-dranomaso, Herisetra MAnodidina Ny Hazakazaka Grand Prix F1

Nampiantrano ny Formula One Grand Prix i Bahrain ny 22 Aprily, saingy fihetsiketsehana goavana iray no nialoha làlana ny hetsika fanokafana ilay fifaninanana hazakazaka. Tanatin'ireo fifandonana dia nandefa entona mandatsa-dranomaso sy grenady mankarenin-tsofina ny polisy, ka i Salah Abbas Habib, iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no hita namoy ny ainy..

Korea Avaratra: Resaka Manodidina Ny Fandefasana Balafomanga Tsy Nahomby

  19 Avrily 2012

Nandefa balafomanga i Korea Avaratra tamin'ny 12 aprily 2012 na dia teo aza ny fampitandremana iraisam-pirenena sy ny fandrahonana fanokana-monina mafimafy kokoa. Indrisy anefa, fa nipoaka tanteraka ny balafomanga taoriana indrindra ny nandefasana azy ka nilatsaka tao anaty ranomasina ny potiny. Niteraka fanehoan-kevitra marobe teo anivon'ny aterineto Koreana-tatsimo izany voina izany. Tsikera...