· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2012

Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

  30 Marsa 2012

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka...

Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra

  29 Marsa 2012

Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea Atsimo tamin'ity herinandro ity. Nandeha dia nandeha ny resaka tao Korea Atsimo sy Japana, ity farany izay vao avy nikarakara...

Sri Lanka: Fihetseham-Po Tamin'ny Fanapahan-Kevitr'i Etazonia Tao Amin'ny UNHRC

  26 Marsa 2012

Tamin'ny 22 Marsa 2012, firenena 24 no nifidy ny tolo-kevitr'i Etazonia tao amin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'Olombelona nandritra ny fivoriana miresaka momba an'i Sri Lanka ary mandrisika ny fitondrana hametraka ny hafatra avy amin'ny Lessons Learned and Reconciliation Commission (LLRC) [Vaomieran'ny Lesona Nianarana sy ny Fampihavanana] sy hanao famotorana amin'ny fomba azo itokisana ihany koa ny fisian'ny lazaina fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona ,nitranga nandritra ny ady an-trano naharitra dia naharitra nifanaovana tamin'ny LTTE misy ny Tigra Tamola mpitaky ny fizakan-tena.

Miomana Hanome Voninahitra An'Ireo Maty Noho Ny Ady Tao Malouines I Arzantina

  25 Marsa 2012

Any Arzantina, isaky ny 2 Aprily no ankalazaina ny ny Andro ho an'ireo bekotro maroholatra sy ny maty noho ny Ady tao Malouines. Saingy tsy ho daty mandalo tsy tazàna akory ny an'ity taona ity noho ny zava-misy ankehitriny amin'ny fifanolanana ara-diplaomatika amin'i Angeletra. Ireto ny fanehoan-kevitra farany sy fomba fihevitra mifandraika amin'io fifanolanana io.

Honduras : Ao Sabanagrande, Vazivazy Tsy Fanao Intsony Ny Fanabarabaràna Polisy

  25 Marsa 2012

Teo anivon'ny fiampangana maro nahazo ny polisy mikasika ny kolikoly ataon'izy ireo ao Honduras, hetsika ara-kolotoraly nentim-paharazana fanao isan-taona ao an-tananàn'i Sabanagrande,no nampiakatra ny fahatezerana teo amin'ireo olon-tsotra sy ny polisy. Antokonà mponina maro no namaly ny famoretana tsy misy antony nataon'ireo polisy tamin'ny alalan'ny fananganana Komity Miaro ny Zon'olombelona voalohany tao an-tananàn'i Sabanagrande. Ilay bilaogera sady poeta Fabricio Estrada dia nizara ilay tantara tao amin'ny bilaoginy.

Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora

Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny manam-pahefana nandritra ny hetsi-panoherana ny didy jadona, izay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy ireo. Avy any Bahrein, Sayed...

Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy

Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz - izay taombaovaony ny Kiorda