· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2011

Ejipta : Nirehitra Ny Kianja Tahrir

Ireo Polisy Miaramila dia nandrehitra ny kianja Tahrir tao Kairo ary nanery ankolaka ireo mpanao hetsi-panoherana izay nanao fihetsiketsehana ivelan'ny Lapan'ny Governemanta tamin'ny fankalazana ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'i Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia.

Lahatsary: Mamaly ny Media Amin'ny Alalan'ny Webcam i Afovoany Atsinanana

Maneho hevitra Amin'ny Fahitalavitra ao Moyen Orient (Talk Back TV Middle East), fomba iray ahafahan'ny olona ao Moyen-Orient sy Afrika Avaratra mamaly sy  maneho hevitra ao amin'ny fahitalavim-panjakana voafehy sy amin'ny fampahalalam-baovao mampiasa webcam sy solosaina fotsiny. Nohazavaina tato amin'ny maneho hevitra amin'ny tranokala (talk back website ny fandehan'izany: Mahita zavatra...

Palestina: Matory Ary Fohazin'ny Fipoahana Ny Ao Gaza

Ny fahanginan'izao tontolo izao amin'ny fanafihana tsy an-kiato an'i Gaza dia nahatonga hatezerana mafy tamin'ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny Twitter, izay niampanga fa tsy mijery ireo Palestiniana ho toy ny olombelona intsony izao tontolo izao. Ireo fihetseham-po ireo dia taorian'ireo vaovao momba ny nanafihan'i Israely ny Lemak'i Gaza tamin'ity maraina ity , izay nitarika fahafatesana olona iray sy dimy naratra. Mizara ny zavatra niainany ao amin'ny Twitter nandritra ny fanafihana tahaka izao ireo Palestiniana.

Ejipta : Famintinana Ilay Hetsi-panoherana Revolisionera Andiany Faharoa Farany

Miran Hosny dia namintina ilay hetsi-panoherana andiany faharoa farany tao Ejipta. Ny isan'ireo olona maty ao Ejipta dia efa eo amin'ny 40 eo ary araka ny nambara dia mbola nanohy ny fanafihana sy ny fangalam-piery tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny "Central Security Forces" sy ny polisy, izay mitoraka entona mandatsa-dranomaso sy entona simika hafa izay mbola tsy fanta-piaviana azy ireo

Iran: Voaroba ny Ambasady Britanika

Ny 29 Novambra 2011, olona tokony ho arivo eo ho eo no nanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Masoivoho Britanika tao Teheran rehefa nanapaka ny fifandraisana ara-bola tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary i Angletera. Nilamina ny fihetsiketsehana, nialoha ny nanakorontanan'ny sasany ny fanorenana.