· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Novambra, 2011

Ejipta: Miverina Indray Ny Revolisiona!

Maherin'ny 100.000 ireo olona voalaza fa ao amin'ny Kianja Tahrir amin'izao fotoana, ary ny polisy sy ny tafika dia mitohy midaroka ny mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fitsaharan'ny fitondràna miaramila ao Ejipta. Anaty ady tsy mitsahatra manenjika ireo olona mitam-piadiana miasa ho an'ny governemanta Ejiptiana ireo mpanao fihetsikesehana hatramin'ny Zoma ary ankehitriny dia mitoetra ho tsy azo hozongozonina ao an-kianja mandra-pivalin'ny fangatahan-dry zareo.

Yemen: Ampangain'ireo Mpiondana Aterineto Ho manao Tatitra Mitongilana Ny Reuters

Marobe ny olona no tohina nahita fa ilay loharanom-baovao malaza sy mba nitokisany, Reuters, dia manaràma an'i Mohammed Sudam, mpandika teny manokan'ny Filoha Ali Abdullah Saleh, sady sekreterany hatramin'ny 2009, ho toy ny solotenany mivantana sy iraka manokany ao Yemen. Nandefa siokantsera ireo Yemenita, izay nanomboka nampiasa ny tenifototra #ShameonReuters tao amin'ny Twitter, no tohina tamin'ny zavatra hitany, manontany ny amin'ny mbola fahamendrehan'ny Reuters sady mangataka fanazavàna.

Shina: Fahavalo An'eritreritr'i Japana

  16 Novambra 2011

Tatitra vao haingana avy amin'ireo mpampita vaovao Japone izay manondro an'i Shina ho ny fahavalo ao anatin'ilay fanazarantena an-dranomasina iarahan'i Japana sy Etazonia izay voalaza fa nokarakaraina hatao amin'ity herinandro ity no nitondra hatramin'ny fihenjanana amin'ny resaka ady sisintany eo amin'ireto firenena aziatika roa ireto. John Kennedy no mitatitra.

Syria: Naaton'ny Ligy Arabo Ny Maha-mpikambana An'i Syria

Nosazian'ny Ligy Arabo i Siria androany noho ny famonoany ny olom-pirenena efa ho maherin'ny 3.000 ka naato ny maha-mpikambana azy ao amin'ity vondrona iraisan'ny Arabo ity, manomboka amin'ny Alarobia. Ireo mpiondana aterineto dia maneho hevitra momba ilay fanapahan-kevitry ny Ligy, nambara taorian'ny fihaonana maika natao tao amin'ny foibeny tao Kairo. Nambara koa fa ny Ligy Arabo dia eritreretina hamoaka sazy ho an'ilay lehilahy matanjak'i Siria, Bashar Al Assad.

Kolombia : Maty Ilay Mpitarika Ara-Poto-kevitra Ngeza Lahy Tao Amin'ny FARC, “Alfonso Cano”

  13 Novambra 2011

Alfonso Cano, ilay mpitarika ngeza lahy amin'ny "Revolutionary Armed Forces of Colombia" (FARC) na ny Hery Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia, dia lavo ny 4 Novambra tao amin'ny departemantan'i Cauca nandritra ny ady nifanaovana tamin'ny miaramila. Ny Kolombiana dia naneho hevitra mikasika ny nahafatesany tao amin'ny bilaogy, ary naneho koa ny fijeriny tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasany ny tenifototra #AlfonsoCano.