· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2011

Côte d'Ivoire : Rahoviana Ny Fanokafana Indray Ireo Anjerimanontolo?

  31 Oktobra 2011

Nandritra ny disadisa nialoha ny fifidianana tao Côte d'Ivoire, ireo anjerimanontolo telo ao amin'io firenena io (Cocody, Abobo-Adjamé sy Bouaké) dia nakatona ary tsy nasiana olona tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra. Raha betsaka tamin'ireo Ivoariana no nadray izany fanapahan-kevitra izany tamin'ny lafiny tsara, amin'izao fotoana kosa dia maro ireo mametra-panontaniana manoloana ny manjavozavo mikasika ny ho fanokafana indray ireny anjerimanontolo ireny. Mandroso vaha-olana fiandry ny mpampiasa aterineto.

Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

Kenya: Domberina An-tSerasera Noho ny Fanafihana Grenady Avy Amin'ny Al Shabaab

  27 Oktobra 2011

Nanafika ny vondrona mitam-piadiana Somali Al Shabaab ny tafika keniana vao tsy ela izay ka ny anaran'ny fanafihana dia midika hoe “Operation Linda Nchi” amin'ny teny Swahili na Operation Fiarovana ny Firenena. Nampanatena ny Al Shabaab taorian'ny fanafihana fa hanafika an'i Nairobi. Efa nahitana fanafihana tamin'ny alalan'ny grenady indroa nahafatesana olona...

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana

Siria: Ity « Tafika Mahaleotena » Mihantsy Ny Fitondrana Ity

Akanjo aro bàla, satroby vita tamin'ny Kevelar sy basy fitondra an'ady eny an-tànany, 13 lahy no mamakivaky ireo olona marobe mihorakoraka miaraka amin'ny dona kely eny an-tsoroka, fiandohan'ny volana septambra, tao an-tanànan'i Boustan al-Diwan, ao Homs. Taraiky mijery ny fanamiana ny fakantsary, ireo galona kely miloko maitso eo an-tsoroka anaty tokotany mena voatapaky ny teny hoe Al quwat al khassa (« Hery Manokana »). Ho an'ireo mafàna fo avy ao an-tanàna, goavana ny « fahazoana » ny tanàna io andro io. Ireo no miaramila Siriana niala an-daharana.

Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera

Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampihaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.. Noon Arabia dia manolotra haja manokana ho an'ireo vehivavy Yemenita ato anatin'ity lahatsoratra ity.