· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2011

Shina : Miaraka Fiverenan'ny Fahalinan'i Amerika

  24 Septambra 2011

Tsy ny olon-drehetra no nàka iny faran'ny herinandro – fialantsasatra any Shina – ho toy ny fotoana iray ahafahana mamoaka fihetseham-pon’ny henatra tamin’izay nambarany mikasika ny fanafihana tany Etazonia efa ho folo taona lasa izay, kanefa betsaka no nanao izany. I Yang Hengjun, mpanoratra, izay nanoratra momba an'i New York sy ny USA (Etazonia) tao anaty tantara nosoratany dia nizara zavatra mitovy amin'izay koa.

Malezia: Nilaza i Mahathir Fa Nandainga Mikasika ny 9/11 i Bush

  21 Septambra 2011

Mahatsiaro ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 11 septambra 2001 nitranga tao Etazonia izao tontolo izao. Mbola nanambara indray ny Praiminisitra teo aloha, Mahathir Mohamad fa tsy ny Miozolomana mahery setra no nahavita izany asa fampihorohoroana izany. Nanao fanambarana miezinezina fa ‘raha azony natao ny namorona Avatar izy ireo, azony atao daholo izay rehetra tiany...

Makedonia: Tsy nigadra ireo nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko

  20 Septambra 2011

Nahazo sazy mihantona ireo rehetra fantatra fa nandray anjara tamin'ny herisetra nandritra ny adim-poko tamin'ny volana febroary 2011, tao amin'ny lapa-manda tao Skopje (Kale), nandritra ny fitsarana natao an-tsokosoko. Tanora sy vatombatony an-jatony maro no nandray anjara tamin'ny fifandonana, nialohavan'ny alina namotehan'ny mpiasam-panjakana ambony ao amin'ny foko Albaniana ny fiangonana...

Yemen: Vonomoka Nandeha Mivantana Tamin'ny Aterineto

Vonomoka iray no nojerena maso mivantana , isak'izay bitsika nalefa, tao Sanaa renivohitr'i Yemen. Ny tafika mitam-piadiana Yemenita dia nitifitra ireo mpanao hesi-panoherana, nahafaty olona 22 raha kely indrindra ary naharatràna an-jatony maro hatreto. Mandeha mivantana amin'ny alalan'ny live feed ilay zava-mahatsiravina, ary hitan''ireo mpijery an'aliny maro izay tohina nanerana ny tany

Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

  13 Septambra 2011

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"

Tontolo Arabo: Mahatsiaro ny 11 Septambra

Nanome voninahitra ireo namoy ny ainy 3000 tamin'ny 11 septembra ny Mpisiokantserasera manerana ny tontolo Arabo, mahatsiahy ny zava-niseho mahatsiravina nataon'ny mpampihorohoro Al Qaeda izay nandefa fiaramanidina mpitondra olona 4 handona ny tranobe tao Etazonia izao tontolo izao folo taona lasa izay. (tohizo)