· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2011

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Pakistana: Fanabeazana, Fanantenana Farany

  29 Aogositra 2011

Satria eo am-pivoahana amin'ny krizy sosialy sy politika ny ao Pakistana, navoitran'ny fiaramonim-pirenena ny maha-zavadehibe ny fanabeazana. Izany hevitra izany dia noho ny zava-misy sy fanantenana  angamba, angamba fotsiny satria ny fanabeazana no fanalahidy  hitondra filaminana eo anivon'ny ady an-trano anatiny mampitebiteby izay iainan'ireo Pakistaney isan'andro . Mpisionkatserasera PakistaneyAly Nasser nanoratra...

Georgia: Nampiasain'ireo Mpilatsaka Ho Fidiana Ho Filoham-pirenena Ny Haino Aman-jerim-bahoaka Any Amin'ny Faritra Misintaka

  28 Aogositra 2011

Mpilatsaka ho fidiana telo no nifaninana ho filoham-pirenena tamin'ity herinandro ity tany Abkhazia, faritra iray misaraka amin'i Georgia izay Rosia, Nicaragua, Venezuela, Nauru, ary Vanuatu ihany no nankatoa azy.Ny Komisiona Foibe Misahana ny Fifidianana dia nanombatombana ny taham-pahavitrihana ho 70 isan-jato ho an'ny latsabaton'ny faha 26 Aogositra.

Libia : Tànan-Kavanan'i Gaddafi, Abdessalem Jalloud Niondrana Nankany Italia

Ny vaovao avy any Libia dia miparitaka erak'izao tontolo izao, noho ny nahazoan'ireo mpihoko tsikelikely ny tanàna. Ny vaovao lehibe iray nalaza, dia ny fitsoahan' ny olo-maventy faharoan'i Libia teo aloha, Abdessalem Jalloud nankany Italia tamin'ny fiaramanidin'ny zotram-pitateran'i Malta nandalo tany Tonizia, araka ny nambaran'ny olona ambony iray ao amin'ny Governemanta Toniziana ankehitriny. Noraisin'ny olona maro ho mariky ny fiafaràn'i Gaddafi ny fialàn'i Jalloud.

Rosia: Ireo Bilaogera Nahatsiaro ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny Fanonganam-panjakana ny Volana Aogositra

Akon  27 Aogositra 2011

Ny 19 Aogositra 2011, Ny Rosiana dia nankalaza ny faha 20 taona nanomboka tamin'ilay "August Putsch," ( Fanonganam-panjakana ny Volana Aogositra) "coup d'etat" tsy nahomby, notarihin'ny manampahefana vitsivitsy avy tao amin'ny KGB sy andianà miaramila izay nanohitra ny fandaharan'asam-panovan'i Gorbachev sy ny fanapariahana ny fahefana any amin'ireo Repoblika Sovietika. Notarihana ho eny an-dalambe ny mponina mba hiaro ny demokrasia , ary mahatsiaro ny ezaka nataony ireo bilaogera .

Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”

Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i Sultan Al Qassemi avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra: @SultanAlQassemi: Are you watching Bashar? You're next. #Syria Mijery ve ianao...

Libya: Mahatsiaro an'i Mohammed Nabbous

Miely ao amin'ny Twitter ny fahatsiarovana an'i Mohammed Nabbous, mpanorina ny televiziona Libyana AlHurra TV. Maty nandritra ny fifampitifirana nalainy sary tamin'ny 19 Marsa i Nabbous. Araka ny nolazain'ny mpankasitraka azy moa dia mankalaza ny fivoaran'ny toe-draharaha any Libya ny fanahin'i Nabbous.

Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.