· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2011

Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.

India: Mombai Niaina Tontolo Andro Feno Horohoro

  21 Jolay 2011

Androany hariva baomba telo no nifanesy nipoaka tao anatin'ny tsena fivarotana be olona mifamahoaho tao Mombai. Haingana ny famoahan'ny mponina ny vaovao any amin'ny fampielezam-baovao sosialy ary mifanolotra fomba hifanampiana. Tamin'io andro io no nahitanay ezaka matotra avy amin'ny mponin'ny aterineto izay nampiasa fomba fampitam-baovao toy ny Google sy Ushahidi niaraka tamin'ireo mpandefa Tweet