· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2011

Myanmar: Baomba nipoaka tany amin'ny tanàna telo

  24 Jona 2011

Baomba telo no nahazo ny tanàna telo lehibe tany Myanmar androany. Tsy nisy ny naratra araka ny tatitra. Nadikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Tan ny tatitra vitsivitsy amin'ny teny Birmana izay manome ny vaovao voalohany momba ny fahapotehana naterany

Rosia: Mampiseho ny ratra lalina navelan'ny adin'i Tsetsenia ny namonoana an'i Yuri Budanov

Namerina indray ny fifampihenjanana ara-poko na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny namonoan'ny sasany an'i Yuri Budanov kolonely taloha tamin'ny tafika Rosiana izay noampangaina ho namona vehivavy Tsetsenina 18 taona nandritra ny Ady Tsetsenina Faharoa tamin'ny 10 jona 2011, ary nanamafy ny fahadisoam-panantenana satria mbola manjaka ny tsy fanarahan-dalàna ao amin'ny firenena

Mpandika asongadina: Fabienne Der Hagopian

Mpandika an-tsitrapo ho an'ny Global Voices i Fabienne. Avy aminà fianakaviana Armeniana, nandika betsaka ho amin'ny teny Frantsay izy tamin'ireo lahatsoratra momba an'i Kaokazy, nefa koa mahaliana azy ny mikasika izao tontolo izao amin'ny lafiny rehetra. Miverina mijery ny niainany ny maha-mpandika an-tsitrapo azy eto amin'ny Global Voices i Fabienne

Serbia: Fisamborana an'i Ratko Mladic

Sady misento no tsy mino ihany koa ireo Serba marobe sy Bosniaka androany raha nandre ny fisamborana ny jeneraly Serba Bosniaka teo aloha Ratko Mladic, izay voampanga noho ny famonoana olona faobe sy ny heloka amin'ny ady nandritra ny ady an-trano tamin'ny taona 1992 hatramin'ny 1995 tao Bosnia-Herzegovina. Talanjona avokoa...

Yemen: Antony nahatara an'i Saleh!

Nanala azy ny mpisiokantsera tamin'ny fampiasana ny tenifototra #AntonynahataraaniSaleh teo am-piandrasana ny kabarin'ny filoha Yemenita Ali Abdullah Saleh, izay nanaraka ny tatitra fa naratra tao amin'ny Lapam-panjakana izay nisy nanafika maraina tao  Sanaa. Efa nilalao tenifototra mitovitovy aminy ny mpisiokantsera raha nahemotra ny kabarin'ny filoha Ejipsiana Hosni Mubarak – #AntonynahataraaniMubarak...

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.