· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.

Pakistana : Fipoahana nisesisesy tao amin'ny tobin'ny tafika tao Karachi

  23 Mey 2011

Re izao fa nisy ny fipoahana nisesisesy tao amin'ny Tobin'ny seranan'ny tafika an-dranomasina tao Pakistana ao Karachi, teo amin'ny manodidina ny  amin'ny 11 ora alinateo ny 22 mey 2011. Ny P.N.S. Mehran (Tobin-tafika an-dranomasina sy an-habakabaka Mehran), foto-drafitrasa ambenan'ny Tafika an-dranomasina pakistaney fatratra ao Shahrah-e-Faisal,  no etamazaoron'ny tafika an-habakabaka. Mpampihorohoro valo...

Gresy: fanafihana misesisesy atao amin'ireo mpifindra monina ao Athène

  20 Mey 2011

Tao ho ato izay dia niha-nahazo laka ny tahaka-ny-fandringanana ireo mpifindra monina tany afovoan-tanànan'i Athènes nataon'ireo antoko mahery fihetsika ao Athènes . Tamin'ny 10 May no nanomboka nisian'izao toe-draharaha izao raha iny ka nitondra ny vadiny bevohoka ny lehilahy iray 44 taona ka nisy namono ary notsatohan'ny olona tamin'ny antsy...

Filipina: Gadra Politika Manoratra Diary Avy Any Am-Ponja ao Anaty Aterineto

  17 Mey 2011

Nanangana bilaogy iray handraketana ny fiainany any am-ponja sy ny eritreriny ny mpanakanto Filipiana iray, mpanao gazety sy mafàna fo izay notazonin'ireo manampahefana ao Philippines am-ponja. Ny fianakaviany, ny namany, ireo mpanakanto mpiara-miasa aminy sy mpanoratra avy amin'ny fiarahamonina sivily koa dia nampiasa ny vohikala ho fanentanana ny amin'ny hamotsorana azy.

Pakistana : Nampiova ilay toeram-pisotroana kafe ny fahafatesan'i Ben Laden

  16 Mey 2011

Nitondra hafaliana tsy ho an'i Etazonia sy ny filohany  Barack Obama ihany fa koa ho an'ny mpandraharaha sasany ao an-toerana ny fahafatesan'i Oussama Ben Laden tao Abbottabad, ao Pakistan. Coffity, toeram-pisotroana kafe ao an-tanàna, nanjary toerana faharoa be mpitsidika indrindra ao an-tanàna takaikin'ilay trano namonoana an'i Ben Laden. “Toeram-pisotroana kafe voalohany ao...

Koety: Raiki-pitia amin'i Osama bin Laden

Ahoana no atao mba hahatonga ny vehivavy ho tia olona tahaka an'i  Osama Bin Laden lehiben'i Al-Qaeda? Toa tahaka ny hoe ny volombava lavabe, araka ny filazan'ny vehivavy Koesiana mpanoratra Khulood Al-Khamis, izay nanaitra ireo mpamaky tamin'ny taratasim-pitiavana nosoratany ho an'ilay atidoha mikotrika ny fampihorohorona, izay efa novonoin'i Etazonia, tao...

Tontolo Arabo: Fanontaniana ary Fiafaran'ny tantara Taorian'ny Fahafatesan'i Bin Laden

Maty novonoina tamin'ny fanafihan'ny CIA nataon'ny Amerikana tao Abbottage ao Pakistan ilay mpampihorohoro Oussama bin Laden  omaly. Mpiserasera manerana ny tontolo Arabo no nilaza ny heviny manoloana izany vaovao izany. Tao amin'ny Twitter, nirongatra nandritra ny tontolo andro ireo fihetsehampo, ny sasany falifaly amin'ny fahafatesany, ary ny hafa  kosa malahelo ny...