· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2011

Iraka: Mbola Velona ve i Saddam?

Naparitak'i Saddam Hussein eran'ny valan-tserasera, tamin'ny alalan'ny fitaovana fandraisam-peo izay milaza fa mbola velona ny mpanao didy jadona Irakiana fa ilay olona mitovy be aminy Mikhail no any tokana notapahan-doha tamin'ny 30 Desembra 2006. Marobe ireo mpiserasera nihevitra ny horonantsary ho lainga ary mampanantena ireo mpijery izany fa efa maty sy nalevina i...

Syria: “Mitohy ny Revolisiona ao Daraa; Miaraka Aminay ve Ianao?”

Tsy nahitana na inona na inona intsony ny toe-draharaha ao Daraa, Syria, kanefa manohy manambara ny fisian'ny fihetsiketsehana vaovao ny fampahalalam-baovao, ary ny famaizana mahery vaika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ao amin'ny Twitter, Daraa Now mitatritra hoe: MAIKA: Fatin'olona Folo no mitsirara eran'ny tanànan'i #Daraa #Syria ary nanampy hoe: MAIKA: Fahamaizinana tanteraka...

Pakistana: Ady Atao Amin'ny Taliban Sy Ny Drones

  27 Avrily 2011

Alaivo sary an-tsaina ny hoe fiainana ao Pakistan; toerana iray izay ny andro tsy isian'ny mpanao vy very ny ainy na fanafihana drone (fiaramanidina baikoana lavitra) indray no toa zary vaovao, ary any ny vahoaka dia miaina ny isa-minitrany amin'ny tebiteby toy ny dona, hatezerana, fikorontanana ary tsy fahatsapana halemena lalina isanandro.

Nigeria: Bitsika Mitatitra sy Miresaka Herisetra Taorian'ny Fifidianana

  24 Avrily 2011

Natao ny 16 Aprily 2011 teo ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ao Nizeria. Goodluck Jonathan no nambara ho mpandresy. Ny mpanaramaso sasany, ka isan'ireny ny The Action Congress of Nigeria (ACN) dia nilaza fa nisy fanodinkodinana ny fifidiana mba hitongilana any amin'ny filoha teo aloha. Nitranga ny herisetra maro taorian'ny fifidianana tany amin'ireo fanjakana avaratra nahitàna ireo mpanohana an'i Muhammadu Buhari manafika fiangonana, tranon'olona sy paositry ny polisy. Ity ny famehezana ireo tatitra sy fanehoan-kevitra avy amin'ny bitsika nampiasàna ny tenifototra NigeriaDecides. Nigeria's presidential election was held in on 16 April 2011. Goodluck Jonathan was declared the winner. Some observers have alleged that the election was rigged to favor the incumbent. Post-election violence erupted in northern states where supporters of Muhammadu Buhari attacked churches, homes and police stations. This is a summary of reports and reaction from tweeps using NigeriaDecides hashtag.

Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna nataon'ny Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy.

Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo

  16 Avrily 2011

Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy. Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan,...

Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo

  14 Avrily 2011

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity. Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny, Simone, sy ireo olona akaiky azy. Dimy volana aty aorian'ny fandavany hiala amin'ny fitondrana ha hanome...