· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2011

Libya: Nitombo tao Misrata ny Helok'i Gadhafi.

Ao anatin'ny tantaran'ny fandravana sy ny fiakaran'ny isan'ny maty, nifoha maraina ny olom-pirenena Libyana androany noho ny vaovao momba ny fahafahan'ny Zintan sy ny fandroahana ireo tafik'i  Gaddafi ao Addabiya. Nandritra izany, nanohy nijery ny zava-mahatsiravina sy ny habibiana mibaribary ao Misrata izao tontolo izao, izay mbola notohizan'ny tafik'i Gaddafi...

Syria: Namotika sy Nanaisotra ny Sarin'ny Fitondrana Syria ny Mpanao Fihetsiketsehana.

  27 Marsa 2011

Fanadihadina manokana momba ny Fihetsiketsehana ao Syria taona 2011 ity lahatsoratra ity. Ao Syria, hita matetika eny amin'ny takelaka fametrahana dokambarotra, eny amin'ny trano be, ary amin'ny endrika sarivongana ny tarehin'ny Filoha Bashar al-Assad sy ny rainy, ny Filoha teo aloha Hafez al-Assad. Gaga indraindray ireo vahiny eto amin'ny firenena...

Syria : Horonantsarin'ny famoretana tao Daraa

Mitohy ny famaizana ny fihetsiketsehana ao Daraa ary tsy mitsaha-mitombo ireo olona maty sy maratra, misy ny  sary nalaina tao amin'ny YouTube an'ireo  olo-tsotra mpaka-sary ao an-tanàna, YouTube izay tranokala vao noesorina vao haingana ny fanivanana azy tao Syria. Nalaina tamin'ny 23 martsa ireto horonantsary manaraka ireto izay mampiseho ny famoretana tao...

Shina: Tsy maintsy mandeha i Gaddafi (Kadhafi)

  21 Marsa 2011

Ny toerna ofisialy raisin'i Shina dia ny hoe tokony horesena lahatra amin'ny fifanakalozan-dresaka sy fomba milamina maro hafa aloha i Lyiban'i Koloney Gaddafi; tsy ny rehetra any Shina no miombon-kevitra amin'izany. "Vitao ny aminy," hoy ny soratan'ilay Sinoa mpitoraka bilaogy be mpamaky indrindra manerantany.

Côte d’Ivoire : Horohoro ao Abidjan.

  21 Marsa 2011

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana nataon'ny Global Voices tamin'ireo zava-nitranga tao Côte d'Ivoire taona 2011 (amin'ny teny malagasy; misy amin'ny teny frantsay koa ny ankamaroan'ny lahatsoratra) Niaina ireo herisetra nisesisesy  alohan'ny nisian'ny ady anaty akata izay niainany nandritra ny andro vitsivitsy i Abidjan, fanafihana ireo fonenan'olo-tsotra izay fahavalo politikan'i Laurent...

Palestina: Fihetsiketsehana ho amin'ny firaisam-pirenena

Niantso fihetsiketsehana ao Gaza sy Cisjordanie ireo tanora tsy miankina ao Palestina ny 15 martsa 2011,  mba hampiseho ny fankatoavany an'i Palestina fa tsy i Hamas sy Fatah. Nokarakaraina tamin'ny alalan'ny Facebook izany, an-jatony ireo nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianjan'ny al-Katibah  ao an-tanànan'i Gaza. Hita tokoa fa ny sainam-pirenen'i Palestina...

Côte d'Ivoire: Nankaiza ny Jeneraly Philippe Mangou ?

  17 Marsa 2011

Nafana ny andro Alatsinainy 14 martsa tao Côte d'Ivoire ary koa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy sy ny tontolon'ny Twitter. Any Abidjan, taorian'ny herisetra tao amin'ny faritra Abobo tamin'ity herinandro ity, taitra tamin'ny torimasony ny Ivoarinina noho ny tifitra kalachnikov sy  fitaovampiadina lehibe tao amin'ny faritra  Yopougon, mandatehezan'i Laurent Gbagbo, filoha teo aloha...