· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2011

Libya: Tahotra sy korontana ao an-tseranam-piaramanidin'i Tripoli

Tahotra, korontana, tebiteby ary hakivina - nampiasaina hitantarana ny zava-manjaka ao an-tseranam-piaramanidin'ny renivohitra Libyana nandritra ny andro faramparany avokoa ireo voambolana ireo. Tafiditra anatin'ny tsy fahafantarana izay ho avy i Libya hatramin'ny nisian'ny fitroarana hikomy amin'ny mpitondra ity firenena iray ity, dia ny fikomiana amin'ny Kolonely Muammar Al Gaddafi ny alin'ny 16 Febroary 2011 (#Feb17) .

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana amin'ny maha-olona sy ireo mpanao gazety

Libya: Maty izay rehetra manao zavatra

Vao nanao lahateny tezitra tamin'ny fahitalavi-panjakana Lybiana ny mpanao didy jadona any Libya Muammar Al Gaddafi mampitandrina sy mampatahotra ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny mpanara-dia azy, fa hiafara toan'i Afghanistan, Irak, na Somalia i Lybia. Mankahery ny Libiana izy hivoaka ny tranony ary handroaka ny "mpampihorohoro" ary hitaona ireo any amin'ny hery fiarovana mba "hanasaziana azy ireo mandra-pahafatiny".

Libya: “Roso toy tsa mimpody intsony”

Mety ho ora sisa no isaina amin'ny fitondran'i Muammar Al Gaddafi. Saingy rehefa nandrahona ny hamono ny mpanao fihetsiketsehana sy ny miaramila mihaika ny fitondrany izy dia mamparary an-doha ny ora sisa andrasana. Any amin'ny toerana tsy eo ambany fifehezan'i Gaddafi intsony dia efa manomboka manangona tahirin-kevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny olona.

Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia. Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana  Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony tao amin'ny Trano Fotsy [Maison Blanche] ny zoma , saingy tsy dia nahafa-po an'ireo izay nihaino Twitter ny hafatra nataony,...

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al...

Libya: Sakano Ny Vonomoka Ataon'i Gaddafi

Anaty horohoro no hibanjinan'izao tontolo izao an'ireo tatitra mampivarahontsana avy any Libya. Nampiray feo ireo olona avy amin'ny lafy valon'ny tany mba hiantso fampitsaharana ny vono moka ataon'ilay mpitarika Libiana Muammar Al Gaddafi amin'ny vahoaka Libiana ireo vaovao nilaza fandarohana baomba an'i Tripoli avy eny an'habakabaka.