· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2011

Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina

Androany ny  Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena anarana hoe “Antontan-taratasin'i Palestina.” Ireo taratasy navoaka androany dia namoaka ho fanta-bahoaka ny fifanarahana miafina maromaro nifanaovan'ny Lehiben'ny mpanelanelana OLP,...

Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohan-kevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri

Nisy niditra an-tsokosoko ny Twitter sy vohikala ofisialin'i Korea Avaratra

  12 Janoary 2011

Nisy fanafihana amin'ny aterineto nipoaka teo amin'i Korea Atsimo sy Korea Avaratra. Natomboky ny mpampiasa aterineto Koreana Tatsimo iray namoaka tononkalo manevateva mikasika ny fianakavian'i Kim tao amin'ny vohikala ofisialin'ny Korea Avaratra Uriminzokkiri, ary dia novalian'i Korea Avaratra tamina fanafihana DDOS. Androany, dia namely ny kaonty twitter ofisialin'i Korea Avaratra ireo piraty.

Amerika Latina : tamberina ny taona 2010

  10 Janoary 2011

Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay terantany avy any Peru Mario Vargas Llosa, ary ny Global Voices nanao ny fihaonana an-tampony tany Santiago, Chili. Andeha hiverenantsika ireny...

Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

  08 Janoary 2011

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra - voalaza ho mpomba an'i Alassane Ouattara - ao amin'ny MACA, fonja any Abidjan. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.