· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Aogositra, 2009

Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza

  30 Aogositra 2009

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

Mauritanie: Vanim-potoana vaovao ve?

  20 Aogositra 2009

Taorian'ny fanonganam-panjakana herintaona lasa izay, sy ny nahavoafidy ny mpitarika io fanonganam-panjakana io Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz ho filoham-pirenena, ary ny voalohany sady farany nipoahana baomba nahafaty tao amin'ny firenena ny fiandohan'ny volana aogositra, dia nisy fiovana be tany Mauritanie. Ny 12 aogositra lasa teo dia nampitsahatra ny fandaharan'asany...

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

  14 Aogositra 2009

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

Rosia, Georgia: fanafihana an-tserasara an'i “Cyxymu” mpamaham-bolongana

  09 Aogositra 2009

Herintaona lasa izay dia nifanandrify tamin'ny lalao olaimpika tany Beijing 2008 ny adin'i Rosia sy Georgia, takon'io lalao ara-panatajahantena mitandro ny fandriampahalemana io. Ilay mpampiasa ny LJ/Twitter/Facebook cyxymu mipetraka any Tbilisi kosa indray no tena nokendrena, nahatonga ny fanembatsembanana goavana nahazo ny LiveJournal, Twitter ary Facebook tamin'ity herinandro ity, nanampy...

Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

  04 Aogositra 2009

Velona ny rotaka tao an-tanànan'i Gojra, Pakistan tamin'ny Asabotsy lasa teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina ary dia nisy nandoro ny tranon'ireo kristiana tany an-toerana ka olona 7 no may velona tao ary 18 no naratra mafy. Henjana dia henjana ny fanamelohan'ny tontolom-bolongana karana tamin'ity raharaha ity.