· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2009

Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, arymavitrika anatin'irony vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

Rosia: Nisy namono ny nahazo ny lokan'ny politkovskaya

  15 Jolay 2009

Mpiaro ny zon'olombelona malaza iray Natalya Estemirova indray androany maraina no nalain'olona mitam-piadiana an-keriny tao an-tranony tany Ingushetia. Ny fatiny sisa no hita avy eo ary nisy bala ny fony. Raha zara fa nitatitra ny fahafatesana mpikatroka iray indray ny gazety mahazatra – eny fa na dia famonoana ny mpiaro...

Sina, Korea Avaratra: mitovy amin'i filoha Mao ve i Kim?

  14 Jolay 2009

Ny 04 jolay lasa teo, fetim-pirenen'i Etazonia, dia nanao fanandramana nokleary vaovao indray i Korea Avaratra ka nandefa balafomanga 7, ary antonontonony ny fahalavirana vitan'ny sasany ka mampidi-doza an'i Japon sy Korea Atsimo. Raha noheverina fa mpanao didy jadona i Kim Jong Il dia milaza kosa ireo mpiserasera sinoa fa...