· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Mey, 2009

Rosia: Fandraisana fepetra noho ny finoanoam-poana

  25 Mey 2009

Nanoratra (teny rosiana) toe-draharaha tsy tokony hisy dikany any amin'ny faritra hafa ivelan'i Osetia avaratra, firenena mizaka tena ao anatin'ny firaisamben'i Rosia, ary nizaka ny herisetra maro isan-karazany ny mponina ao aminy hatramin'ny nianjeran'i Firaisana sôvietika, ny mpampiasa ny LJ liza-valieva – na ny mpanao gazety Osetiana tavaratra Liza Valieva...

Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea

  22 Mey 2009

Ny 18 May no anamarihana ny faha  65 taonan'ny  Sürgün,  ny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée. J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany: Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD...

Iran: ex-mpiambina revolisionera mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena mampiasa aterineto kely

  21 Mey 2009

Anisan'ny efatra tsara vintana nofantenan'ny filan-kevitry ny mpiambina revolisionera any Iran ny mpitarika revolisionera tany Iran teo aloha Mohsen Rezai hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 12 jona ho avy izao. Maivana ny fampielezankevitra an-tseraseran'i Rezai mitaha amin'ny an'ireo telo hafa mifaninana aminy, saingy vitany lisitra ao amin'ny vohikalany fanaovany propagandy ny anaran'ireo mpamaham-bolongana manohana azy.

Madagasikara: Mandrahona ireo mpitoraka bilaogy sy mpikirakira twitter ny miaramila

  07 Mey 2009

Manao fihetsiketsehana isan'andro ao an-drenivohitry Madagasikara ao ireo tsy mankasitraka ny HAT (Haute Autorité de la Transition) hatramin'ny 21 martsa 2009. Ilay diabe nokarakaraina tamin'ny asabotsy teo dia nosakanan'ny miaramila tamin'ny herisetra ka naharatrana farafahakeliny olona 34, ary nisy ankizy tamin'izany. Nandritra ny fihetsiketsehana dia nisy tovolahy nantsoin'ny mpikirakira internet...

Tsy mitsaha-mitombo ny fanakatsakanana ataon'ny miaramila any Madagasikara

  07 Mey 2009

Raha tsy mitsaha-mitombo manerana an'i Madagasikara ny tsy fankasitrahana ny governemanta vaovao kanefa sakanan'ny miaramila izany, dia miasa mafy kosa ireo mpikambana ao amin'ity governemanta ity manazava ny fandehan-javatra rehetra nahatongavan'izy ireo teo amin'ny fitondrana amin'ny fikambanam-be iraisam-pirenena. Ny fiovan-kevitra tampoka teo amin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny HCC (Fitsarana Avo momba ny...