· Marsa, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Marsa, 2009

Irak : Enin-taona no lasa

  30 Marsa 2009

Enin-taona sahady izao ny ady tany Irak, ary raha mitodika ny lasa ny mpitoraka bilaogy dia tsy misy te hieritreritra ny ho avy. Ilay mpitoraka bilaogy voalohany, Salam Pax, izay nanomboka ny tontolon'ny bilaogy tany Irak no mijery ny 6 taona lasa tamin'ny fotoana nanombohan'ny ady. Ao amin'ny sorany maromaro...

Serbie : Fahatsiarovana ny faha10 taona nandarohan'ny OTAN baomba

  29 Marsa 2009

Ny 24 martsa 1999 no nanomboka nanafika an'i Serbie sy Montenegro ny OTAN. Naharitra 78 andro ny fandarohana baomba. An'arivony vitsivitsy ny olona maty tamin'izany, ary tranobe maro, tetezana, lalamby, lalana ary orinasa maro koa no potika. Ary fanampin'izany, olona maro no mbola miaina ny vokatra ara-pisainana sy ara-batana noho...

Ny “New Citizen Media Projects Foster Rising Voices” tany Côte d'Ivoire, Liberia, Sina, Mongolia, ary Yemen

  15 Marsa 2009

Tamin'ny volana Janoary dia tolotra maherin'ny 270 avy amin'ireo mpikatroka mafana fo, mpitoraka blaogy, ary ONG [Fikambanana tsy miankina]  no voarainay, izay samy maniry mafy ny hampiasa ny fitaovam-pampitàna vaovaom-bahoaka hampahafantarany ireo vondron'olona – nataon'ireo mpampita vaovao tranainy sy vaovao ankilabao hatry ny ela – mba ho eo amin'ny tranonkalan-tserasera...

Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!

  12 Marsa 2009

Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro,...

Israely: Noraisina tamin-kafanampo ny rindrin’ny hatsiaka

  08 Marsa 2009

Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana aok’izany ny rotsa-panala sy ny ranomandry izay nampangatsiatsiaka an’Israely tamin’ity herinandro ity. Kely sisa dia ho tapitra ny vanim-potoanan’ny orana, maro ireo matahotra fa ho tafiditra ao anatin’ny haitany mahatsiravina noho ny ny rotsak’orana kely dia kelin’ity taona ity ny vanim-potoanan’ny fararano.

Guinée-Bissau : Ahiana hitarika tsy filaminana ny fahafatesan'ny Filoha

  05 Marsa 2009

Nisy namono ny alatsinainy 02 martsa vao mangiran-dratsy ny filoham-pirenena any Guinée-Bissau, Joao Bernardo Vieira, novonoin'ny miaramila mpioko raha iny izy nandositra niala ny trano fonenany iny. Nitranga ity vono olona ity ora vitsy taorian'ny nahafatesan'ny fahavalon'ny filoha hatry ny ela, mpitarika ny etamazaoro, ny jeneraly Batista Tagme, ny alin'ny...

Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza

  01 Marsa 2009

Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka ‘rôkety’ any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy...