· Janoary, 2009

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Janoary, 2009

isiraely: Fa aiza i Mahmoud al-Zahar?

  28 Janoary 2009

Loharanom-baovao Palestiniana iray no voatsonga tao amin'ny Sunday (alahady) raha nilaza fa naratra nandritra ny andro farany nanaovan'ny Isiraeliana fanafihana tany Gaza ny Loholona ambony ao amin'ny Hamas Atoa Mahmoud Zahar. Nolazain'ny gazety fa nalefa haingana tany Kairo ny tenany mandra-pahatongan'ny ekipana mpitsabo tany aminn'y toerana misy azy. Tsy nisy...

Palestina : “Any Gaza, ny maty ihany no nahita ny fiafaran'ity ady ity”

  23 Janoary 2009

Nahita ny fahalebiazan'ny fahapotehan'i Gaza ireo mponina taorian'ny 3 herinandro nanafihan'ny Israeliana ny tanàna, ary efa manomboka mamerina ny fiainany andavanandro tsikelikely. Ireo mpitoraka bilaogy sasantsasany no manahy ny amin'ny fahasimbana ara-tsaina sy ara-po. Misy ny manontany hoe : “Inona no valisoa ho an'izay afa-mitsangana ka mandeha indray?” Sharyn Lock,...

Faritra Arabo: Fanehoan-kevitra @ fitokanana an'i Obama

  21 Janoary 2009

Androany (20 janoary) no fotoana manan-tantara eto Etazonia hanaovan'i Barack Obama fianianana amin'ny maha-prezidà faha-44 azy. Raha nihanihena ny fanohanana an'i Obama any @ tontolo arabo nandritra izay volana vitsy nanginany sy nanginan'ny governemantany nandritra ny fahafihan'ny Isiraely tany Gaza izay, dia mbola manana zavatra maro hotenenina kosa ny mpamaham-bolongana...

Gresy: fanoherana ny fitondrana fitaovam-piadiana ho an'Isiraely

  19 Janoary 2009

@izao ady misy any Gaza izao dia nitroatra ny mitoraka blaogy grika noho ny vaovao nivoaka t@ ity volana ity nilaza fa nisy fitondrana fitaovam-piadiana maro dia maro avy any etazonia ho any isiraely nandalo tao @ seranan-tsambo tanan'olon-tsotra grika ao Astakos. Nampiasa twitter ry zareo hanaovany famotorana sy hanerena...

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

  19 Janoary 2009

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena...

Maraoka: Firenena nisara-kevitra noho i Gaza

  17 Janoary 2009

Ary satria moa mivory any Doha ny mpitarika Arabo, dia lasalasa saina ihany izao tontolo izao te-hahalala hoe amin'ny fomba ahoana moa ahafahan'izy ireo mampitsahatra ny fifanandrinana misy any Gaza. Omaly no nipoaka ny vaovao fa tsy ho any Doha na fihaonana an-tampony hafa ny mpanjakan'i Maraoka Mohammed VI, satria...

Nitsidika ireo Palestiniana voahilikilika ny mpitoraka blaogy Ejyptiana

  16 Janoary 2009

Vondron'olona maratra Palestiniana maro no nitsofoka any Ejypta avy ao amin'ny sisintany ao Rafah ary ry Ahmed Al Sabbagh sy Mohamed Hamdy izay mpitoraka blaogy dia nanao fitsidihana ho fankaherezana azy ireny tao amin'ny tobim-pitsaboan'ny Croissant Rouge. Nanoratra i Al Sabbagh taorian'izany fa : بكاء .. وألم .. وعجز .....

Palestina: “Toa efa simba sahady na ny hoavinay aza eto Gaza”

  14 Janoary 2009

Anatin'ity jery todika momba ny hafatra anaty blaogy avy any Gaza ity no andrenesantsika adolantsento iray vao avy namoy ny namany ary manahy mafy ny amin'ny ainy koa, mpiasan'ny fahasalamana iray maty raha iny izy handeha hamonjy olona iny indrindra, ary lehilahy iray nilaza ny tsy fironany amin'ny resaka politika:...