· Oktobra, 2008

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2008

Afganistana:Fandriampahalemana …

  24 Oktobra 2008

Na dia voizina mafy indray aza amin’izao fotoana ny momba an’i Afganistana amin’ny fampahalalam-baovao any Etazonia, dia isan’izay raharaha goavana saro-bahàna ho an’ny firenena izy ity. Na tsy hiresaka izay hitan’i Azar Balkhi ho fahalemen’ny ‘Vondrona miara-dia’ mba hifehy ny fifanenjehana ara-poko ka niantsoany fanafihana an’habakabaka aza. Resaka tsy azo...

Pakistana: Filohan'ny foko vonoin'ny mpitolona

  23 Oktobra 2008

Chowrangi no mitatitra fa kendren'ny mpikatroka (antoko politika) ny filohan'ny foko maro any Pakistana: “Ny rafi-pandaminan'ny foko mihitsy no kendreny…Vonoiny izay mpitarika foko sy zokiolona ao aminy izay miasa ho an'ny goverinemanta ao an-toerana na mifandrairay amin'ny masoivohona antoko politika any amin'ny faritra misy azy.”

Nagorno Karabakh: Momba ny mariazy miara-mizotra

  21 Oktobra 2008

Pigh [RU] indray no miresadresaka ny mariazy notontosaina tamin'ny herinandro teo natao tao amin'ny Repoblika nanambara samirery ny fahaleovantenany dia i Nagorno Karabakh izany. Nolazain'ny bolongana fa 537 ny isan'ny mpivady vao tao amin'ilay tanàna miadin'i Shushi raha 138 ny isan'ny (mpifamofo) nifanao voady tao amin'ny monasiteran'ny Gandzasar. Nandray vola...

Sri Lanka: Samy simba izany e!

  16 Oktobra 2008

Portrait no mitatitra ny fanimbana ny ala amina kilaometatra maromaro any Sri Lanka izay notapatapahina, nodorana, nohosihosena sy nentin'ny bulldozer fa nolamahina anjatony metatra ny andaniny sy ny ankilan'ny lalana ho fepetra noraisin'ny tafika hisorohana ny fanafihan'ny Tigra Tamolona miafina ao anaty ala ao.

Cote d'Ivoire : Namoaka ôtôbiografia i Didier Drogba

  09 Oktobra 2008

Théophile Kouamouo mpanao gazety mitatitra hoan'ny gazety Frantsay “Le Monde” avy any Abidjan no mizara izay fiheviny ilay boky “C'était pas gagné” [Tsy fandresena mora azo], ôtôbiografiana kalaza mpilalao baolina kitra Ivoariana, i Didier Drogba : C'était pas gagné m'est apparu comme un livre passionnant, qui permet de mieux cerner la...

Palestina: Tolokon'i Jerosalema

  06 Oktobra 2008

Mitanisa ny zavatra mahakivikivy azy tao ho ao izay iVika, izay monina any Jerosalema, ary anisan'izany koa ny  zavatra vao najoro vao haingana: “Mihatra amin'ny taolana ny maharary ahy tamin'ity volana ity raha vao fantatro fa hay ity katrokatroka sy ny tombotomboka mafy dia mafy re nandritra ny fotoanan'ny hafanana...

Kôlômbia: Diam-pahafahana manerantany

  04 Oktobra 2008

Taorian'ny fanavotana ireo olona be mpahalala 15 azo takalon'aina teo ampelatanan'i FARC tamin'ny 2 jolay, dia nanapa-kevitra indray ny fikambanana izay efa nanao diabe nanoherana ny Vondrotafika revolisionera Kolombiana(FARC) tamin'ny 14 feboroary fa tokony hisy indray izany ny 20 jolay, androm-pahaleovantena nisitahana tamin'i Esipaina. Ny lahatsary sy ny sary no maneho ny fomba nankalazana ny fahaleovantena sy ny fanafahana avy amin'ny vazantany efatra, sy izay mifangarika amin'ny dikan'ny teny hoe firenena sy fahafahana.

Okraina: Sambo “azon'ny” piraty

  01 Oktobra 2008

The 8th Circle na ny faribolana faha-8 no miresaka momba ny fanafihan'ny piraty tamina sambo Okrainiana iray: “Ahoana moa ianao no hiatsambo miaraka amin'ny fiara mifono vy 30 MIAMPY fitaovana hafa fampiasan'ny miaramila no tsy ampy fiarovana hanosehana fanafihana piraty? Araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Okrainiana...