· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2008

Libanona: Hezbollah sy Hamas

  31 Jolay 2008

“Mahomby amin'ny ady atao amin'Isiraely ny Hezbollah fa mandamoka kosa amin'ny tolona ifanandrinany amin'ny mpifaninana aminy ao an-tanindrazany. Ny Hamas indray tsy mahovoka amin'ny ady ifanaovany amin'Isiraely fa mandravarava kosa rehefa miady amin'ny mpiray tanindrazana mifaninana aminy,” hoy ny fanamarihan'ny The Angry Arab News Service.

Libanona: Mamelona indray ny fikambanana jiosy

  27 Jolay 2008

“Manohana ara-bola sy manavao ny sinagoga, lehibe indrindra any amin'ny tontolo Arabo, Magen Abrahama afovoan-tanànan'ny renivohitra Libaney ny zanaka ampielezana Libaney. Antenaina ho vita mialoha ny faran'ity taona ity na mialoha ny taona 2009 ny fanavaozana,” hoy ny tatitry The Lebanese Inner Circle.[Kodiarana Libaney]

India: Ireo fipoahana baomba erak'i Bangalore

  26 Jolay 2008

Bangalore, renivohitry ny fanjakana ao Karnataka, dia lasibatry ny fampihorohoroana tamin’ny alàlan’ny baomba ora vitsy lasa izay. Ny vaovao ampela-tànana dia manambara fipoahana baomba fito tamin’ny faritra samihafa tao an-toerana, tanatin’ny elanelam-potoana roambinifolo minitra. Tsy dia nahery vaika loatra ireo baomba ary irony karazana zelatina (gélatine en baton) irony no...

Rosia: Toby miaramila rosiana any Venezoalà?

  23 Jolay 2008

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.

Arimenia: Baolina politika

  12 Jolay 2008

Unzipped no milaza ny heviny avy amin'ny tenin'ny filoha vaovaon”i Arimenia navoakan'ny  Wall Street Journal ahitana ny fanantenan'i Serge Sargsyan fa mety hiteraka fifandraisana eo amin'ny tany roa tonta ny fihaonan'i Arimenia sy Torikia amin'ny baolina fandaka hifanintsanana ho amin'nyfiadiana ny amboara erantany amin'ny volana septambra ho avy izao. Mikatona...

Iran: Tsy mandainga ny sary

  12 Jolay 2008

Nasongadin'i Kamnagir, mpamaham-bolongana  Iraniana, fa sary nalaina nandritra ny fanandramana tahaka ity 2 taona lasa izay ny sary navoaka lazaina ho fanandramana fandefasana balafomanga notontosaina vao teo iny. Raha te-hamaky bebe kokoa ianao dia vakio ao amin'nyView From Iran (fijery avy aty iran) sy New Yrok Times blog.

Palestina: Vono olona sa horohoro mandripaka?

  09 Jolay 2008

Ny arabo irery ihany no mpampihorohoro … no vakin’ny lohahevitra ao amin’ny bloagy live from occupied palestine. Ny mpitoraka blaogy dia mindrana ny pejy voalohany mivandravandra (La Une) avy amin’ireo gazety israeliana sy vahiny taorian’i Husam Dwayat Taysir, Palestiniana iray monina ao Jerosalema, nitondra bulldozer iray namakivaky lalambe iray feno...