· Septambra, 2007

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Septambra, 2007

Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila

  29 Septambra 2007

Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho...

Myanmar: Niverina tao Mandalay ny tafika

  29 Septambra 2007

DVB.no [Birman] no nitoraka vaovao [ny 27 septambra 2007] momba ireo miaramila ao amin’ny vondrotafika  faha 33 izay mbola nahafahan’ny mpitokamonina hanohy ny fihetsiketsehana tao Mandalay, tanàna lehibe faharoa ao Birmanie. Vaovaon’ny 27 sept efa eo an-toerana ao Mandalay ny vondrotafika faha 33. Misy miaramila vitsivitsy ao amin’ny vondrotafika faha...

Myanmar vao hanakoako

  28 Septambra 2007

Mampitandrina ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny arabe ny governemanta ao Myanmar taorian’ny filaharambe tao Yangon omaly. Notarihan’ny mpitoka-monina ny fihetsiketsehana ary mitaky fahafahana sy fanafoanana ny fanondrotam-bidin’entana nolazaina tamin’ity volana ity. Manohana sy mitoraka ny eritreriny ny mpibilaogy.  Mampahatsiahy I Olom-pirenen’I Marsa fa niaina toe-javatra sahala amin’izao ihany koa ny...

Myanmar ny andron'ny 26 septambra

  28 Septambra 2007

Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra : Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary.   Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana...