GlobalVoices anaty

tari-dàlana

Tahiry Lohahevitra · 3 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i tari-dàlana

23/05/2012

Video Lahatsoratra
Witness: Mianatra Mampiàsa Lahatsary Ho An'ny Fiovàna

Rising Voices

Mandrisika ny olona hamadika ireo trangana fanararaotana manokana niainany ho fitaovana matanjaka ho an'ny rariny ny WITNESS amin'ny alalan'ny fampiasàna lahatsary vokarin'ny mpampiasa. Nanofana olon-tsotra avy any amin'ireo firenena mahery ny 80 izy amin'ny alalan'ny atrikasa fifanampiana. Nanomboka ny fanofanany feno sy takatry ny rehetra mikasika ny fisoloana vava ny zon'olombelona ny WITNESS avy amin'ny alalan'ny lahatsary, izay azonao sintonina maimaim-poana.mba hanitarany ny fiantraikan'ny fanofanana ataony..

10/05/2012

Torolàlana Asongadina: Torolàlana Momba ny Fanaovan-gazety Firaketana – Fomba Vaovao Fitantaràna

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ny fanaovan-gazety tarihan'ny rakitra dia dingan'ny fanaovan-gazety mifototra amin'ny fandinihana sy ny fisafidianana miaraka amina fitaovana manana loharano misokatra - na 'open source', fitambaran-drakitra midadasika, izay afaka tsidihana malalaka ao anaty aterineto. Ny Novambra lasa teo, tanatina atrikasa naharitra 48 ora tany amin'ny Fetiben'ny Mozilla tany Londona, nanomboka niasa ho amin'ilay torolàlana voalohan'ny Fanaovan-gazety Firaketana ireo mpanao gazety sy Mpandrafitra rindram-baiko marobe. Natomboka tamin'ny fomba ara-dalàna io Torolàlana io ny 28 Aprily 2012, tany amin'ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Fanaovan-gazety tany Perugia (afaka alaina maimaim-poana ao anaty aterineto).

28/03/2012

Torolàlana Asongadina: Mamorona Pejy Facebook Mandona (Ar.)

Tohin'ny lahatsoratra Rising Voices

Ilay noresahana betsaka momba ny Lohataona Arabo tao Tonizia, Ejipta ary nanerana ny faritra Afovoany Atsinanana dia niankina betsaka tamin'ny Aterineto sy ny media sosialy toy ny Twitter, Facebook sy YouTube. Ny SMEX dia namoaka torolàlana vaovao amin'ny teny Arabo Mamorona Pejy Facebook Mandona (Teny Arabo): Torolàlana ho an'ireo Fikambanam-piarahamonina Sivily Arabo. Ilay torolàlana dia hanampy ihany koa ireo Arabo mafàna fo vaovao, ary hatramin'ireo mpikarakara efa manana traikefa miezaka ny hahazo tombony tsara amin'ny media sosialy

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny