The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Travel Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Travel

2008-02-02

Shina : Ny farihy Xi Hu fotsian'ny orampanalaPhotos post

ShaoShilong no manapariaka sary vitsivitsy ahitana ny farihy fanta-daza Xi Hu [farihy Andrefana] fotsian'ny orampanala.

2008-01-28

Hôngria : “Dia mampihoro-koditra tokoa noho i LA ve i Bodapesta ?”

Pestiside.hu no mamaly mpamaky iray avy any LA [Los Angeles, USA] izay milaza azy matahotra ny hitsidika an'i Bodapetsa : Anyway, we'll take it as a compliment. “Na izany na tsy izany raisinay ho toy ny fandòkana izany.”

Faritry Balkan : “Jestdej”

Sleeping with Pengovsky no manala sarona ny fomba ataon'ny mpihira Krôasiana hihirana ilay hira malaza ‘Yesterday'-n'ny tarika ‘the Beatles' : ... For all of you native speakers out there - if you ever wondered how English sounds to people from the Balkans - take a look at the above picture. “… Ho ...

Chinese ,
Malagasy

Noho ny firotsahan'ny ranomandry be loatra any Hunan dia voatohintohina aok'izany ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalam-by. Azo jerena ao amin'ny  56.com (zh) ny toe-draharaha ao Guangzhou. Nahazo ny lahatsoratra avy amina mpanao gazety manan-daza iray ny Inmediahk.net, izay nampivoitra fa efa niainana nandritra ny 20 taona farany ity  olan'ny fifamoivoizana eo ampiandrasana ny fetin'ny lohataona (fitsimohan'ny zavamananaina) ity. Nanampy trotraka ny olana efa nihatra no nataon'ity “loza” voajanahary ity.

2008-01-25

Thailandy : Fiaradalamby mandeha amin'ny entona any BangkokPhotos post

Richard Barrow no manala sarona hoan'ireo mpankafy toerana ahitana Fiaradalamby mandeha amin'ny entona any Bangkok : If you are a steam enthusiast then you will love this place. In the sheds were five steam trains that looked in good working order. I wandered around taking some pictures. “Raha mpankafy ireo fiaradalamby mandeha ...

2008-01-24

Kambôdza : Fiainana andavan'andro an-tsary HDR any Phnom PenhPhotos post

Mythical Dude mpiblaogy mipetraka any Phnom Penh no manapariaka tahala-tsary HDR/GGD mampiseho ny fiainana andavan'andro izay nangoniny, ao amin'ny pejiny ao amin'ny vohikala Flickr. [FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda bebe ...

2008-01-18

Ny fiainan'ireo mpanankarena any Afrika Atsimo

Beneburundi no mitatitra izay fiainan'ireo mpanankarena any Afrika Atsimo : L’Afrique du Sud est très différente de ce que j’avais pu m’imaginer. C’est comme les Etats-Unis en Afrique : des villes immenses, des quartiers ultra sécurisés, de larges voies express où roulent les dernières Mercedes et autres voitures « je-me-la-pète », ...

Bielaròsy, Rosìa : Fiaran-dalamby Minsk-MurmanskPhotos post

LJ mpiblaogy ao amin'ny af1461 dia manapariaka sary meva maro mikasika ny faritra Avaratra, ny faritra Faran'ny Atsinanana sy faritra hafa any Rosia, ary koa momban'ny lalamby Rosiana (jereo, ho fanoharana, ireto sarin'ny garan'ny “lalamby maty” any amin'ny tanàna iray any amin'ny faritry Murmansk ireto). Eo ambany ny lahatsoratra izay dikantsoratra (RUS), ...

2008-01-16

Tanzania : Lava-baton'ny andevoPhotos post

Namangy lava-bato nanafenana andevo any Zanzibar i Ore: “Slaves were hidden in here after trade in slaves was abolished. The cave is a dank pit, which appeared to spiral into the ground. After taking about 20 steps down, the daylight was already being subsumed by the underground darkness.” “Andevo maro no (mbola) ...

2008-01-14

Brazil

“Nanantitra ny filazalazana amin’ireo mpizahatany manam-pikasana ny hitsidika ny faritra sasantsasany ny fitondrana Breziliana fa misy aretina tazovony raikitapisaka any ”. Azonao jerena ao amin’ny Brazil Travel Blog ny toerana ilana fanaovam-bakisiny mialoha, ny tsara ho fantatra momba ny tazovony ao Brezila ary ny fampahafantarana ankapobeny amin’ny fitsidihana amin’io toerana io.