The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Travel Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Travel

2009-02-20

Brioney: ny dia amin'ny ankapobeSary post

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

2009-02-19

Ny Balkana: “An’iza ity hira ity?”

Namoaka ny tahirin-kevitra “An’iza ity hira ity” ny mpitoraka bolongana maro Masedonina tamin’ny alalan’ny Bulgariana iray Talen’ny Adela Peeva izay ao amin’ny blaogin’izy ireo ihany ary nanomboka niresaka ity tantara ry zareo. Nalaina horonantsary io tahirim-pahalalana io ho fitarihan-kevitra ka ity talen’ny Adela Peeva ity no nahita izany nandritra ny fiara-misakafo hariva niaraka tamina namana (Masedoniana, Serba, Grika, ary Tiorika (Turk)) tao Istambul, ka tamin’izany no nilazan’izy rehetra hoe ny hira mandeha ao anatiny dia avy any amin’ny tanin’izy ireo.

2009-02-11

Sina: Ady mafy vao mba tafody hihaona amin'ny fianakaviana

Dia lavitr'ezaka no mialoha ny Lanonamben'ny Lohataona fety malaza ho an'ny rehetra, Raha ny mahazatra hatrizay dia andro vitsy mialohan'ny fiandrasana ny Taombaovao Sinoa izy io no manomboka. Ary rehefa tonga indray ny fotoana hifandaozan'izy ireo amin'ny fianakaviany, dia tapitra eo koa ilay fialantsasatra fohy fa dia lavitr'ezaka hafa indray ...

2009-01-16

Tondra-drano any Fiji : “Safotra ny tanàna”Sary post

Nanomboka avy ny orana tany Fiji ny alarobia 7 janoary ary tsy nijanona izany raha tsy tafahoatra ny herinandro. Izay no izy - ary tsy mbola milamina izahay — olona valo no maty (olona telo no tsy hita popoka), manakaiky ny 10 000 ny olona rava trano omena fialofana ary ...

2009-01-14

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.Video post

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra Andao ...

2008-12-26

Makedonia tsy voafetran'ny fotoanaVideo post

ty lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. hitatitra amintsika izay ambaran'ireo bolongana sy ny fihetseham-po nahita ny lahatsary i Elena Ignatova.

2008-12-17

Nepal: Tsaho momba ny zom-pirenen'ilay mpampihorohoro sisa velona tany Bombay (Mumbai)

Mandeha dia mandeha amin'ny aterineto ankehitriny ny tsaho manodidina ny fihavian'ilay mpampihorohoro sisa velona tamin'ny fanafihana an'i Bombay dia i Ajmal Amir Kasab izany. Tamin'ity indray mitoraka ity izany dia miara-dalana amin'ny anaran'i India sy Pakistan ity ny firenen'i Nepal. Tamin'ny 15 Desambra dia nilaza ny mpahay lalàna Pakistaney C M ...

Cuba ,
Jamaica

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany koa ny Review of Cuban-American Blogs sy Yohandry's Weblog (ES).

2008-12-02

Korea Avaratra any amin'ny bolonganaSary post

Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.

2008-10-23

Barbados ,
Trinidad & Tobago

Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na  toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany tsy ho azon-tsampona…sy manao izay hahatonga ny toerana nosafidiany aleha ho voaro anaty filaminana.”