Global Voices teny Malagasy » Travel
Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?
Iray amin'ireo takela-by any  Syria maneho ny Filoha Bashar al-Assad (sary an'i  jilliancyork)
Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazàna izy ireny no “stereotypical” loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho  “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany ka asandratra ho toy ny zava-marina. Kanefa, nony nahatsikaritra lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny National Geographic noheveriny fa “ny tsara indrindra amin'ny lahatsoratra miresaka an'i Syria tanatin'ireo folotaona farany,” i Sasa, Siriana mpitoraka blaogy be mpahalala , mpamahana ny blaogy Syria News Wire, dia  zavatra tsotra no azony nolazaina:
Ny tena Syria marina no  lazain'ity lahatsoratra ity. Mampibaribary ireo teboka maro  efa fantatry ny Siriana mikasika ny fireneny, saingy hodian'ireo mpanao gazety vahiny tsy hita (na dinganina), noho ny fahamaizan'izy ireny hanamafy fotsiny ny stereotypes-ny.
Tsy atao mahagaga, matetika ao anaty firenena voasamatsamaka, tsy ny olona rehetra no homba ny fandalinan'i Sasa ilay lahatsoratra.   Imad Moustapha, Masoivoho Siriana any Etazonia (sady mpitoraka blaogy rahateo) dia nandefa taratasy ho an'ny tonian-dahatsoratry ny  National Geographic izay nivoaka koa tao amin'ny  blaogy Syria Comment, miantso ny lahatsoratry ny  National Geographic ho  “fanehoana diso momba an'i Syria izay tany niaviako.” Tsy dia nanao fanamarihana loatra momba ilay lahatsoratra tao amin'ny Syria Comment i Joshua Landis, ny hafatra nalefany dia naharaisana  fanamarihana efa ho valopolo any ho any sy adihevitra mivaivay.
Ny mpametraka fanamarihana, Alex avy amin'ny Creative Syria dia nanakiana ilay lahatsoratry ny  National Geographic , amin'ny filazana hoe:
Tsy dia asiako olana loatra ny ankabeazan'izay voasoratra .. fa manana olana aho amin'ny fananako fahatsapana fa ny 90% amin'ilay lahatsoratra dia ny zavatra miiba no resahany … Tsy mieritreritra aho hoe Amerikana mpamaky iray no hanisy fisalasalàna hanafoana ny fialantsasatra efa nomaniny mialoha hatao any Syria. Iza no hahalatsa-kanina ao Bab Touma raha misy Siriana mahantra mitolona ho an'ny demaokrasia ampijaliana ao ambadiky ny varavaran'i Bab Touma ao?
Mpametraka fanamarihana hafa indray, Ghassan, nankafia ilay lahatsoratra:
tena mifototra amin'ny zava-misy ilay lahatsoratra, araka ny tokony ho izy, ary tsy iadian-kevitra. Manohana ny NG aho, ary ny fampitam-baovao sy fitenenana  malalaka izay tsy misy ao Syria.
Norman, dia nametraka fanamarihana ihany koa tamin'ny lahatsoratr'i  Landis, ka nanamarika fa:
Mahaliana ny hoe ahoana no tsy hiombon-kevitra amin'ity lahatsoratra ity  i Syria tia ny Siriana rehetra.
Mpitoraka blaogy maro  hafa ivelan'i Syria no nihetsi-po mafy tamin'ilay lahatsoratry ny  National Geographic. Evan Hill, manoratra ao amin'ny blaogy iraisana The Majlis, dia nahatsapa fa mametraka an'i Syria ho toy ny tavela aoriana (taraiky tsy maharaka toetr'andro) ilay lahatsoratra, ka manamarika fa:
Isika dia tavela miaraka amina Syria mihisatra, ara-toekarena sy ara-politika, amina toe-tsaina antitra be efa ho 40 taona be izao raha kely indrindra. Ny  Talen'ny orinasam-panjakana iray mpamboly hasy, manadino na manafina fotsiny izao ny fahalalàny ny loza rehetra manodidina ny tontolon'ny asa any an-toerana any, dia miondrikondrika be ihany sy toa sahirankirana rehefa nanontaniana raha toa nahazo ny tombontsoany hatramin'izay. Ireo eny amin'ny Anjerimanontolo sy ireo mafàna fo dia samy mbola raiki-tahotra amin'ny asan'ny sampam-pitsikilovana natsangan'ny rain'i Assad taona maro lasa izay mba hamotehana ny fanoherana rehefa tsy nandeha ny tetikady politikany.
Rehefa avy namaky  ny fanakianana rehetra, ny  Syria News Wire dia nanainga ireo mpamaky mba hamaky ny lahatsoratra fototra sy ny  fanakianan'i   Imad Moustapha alohan'ny handraisan'izy ireo fanapahan-kevitra.
Japan: Fisintahan'ny mpizahatany Japoney an'Italia
Lazaina fa nihena ny isan'ny mpizahatany Japoney nandalo an'i Roma faramparany teo. Tsy noho ny krizy ekonomika ihany fa eo ihany koa ny tolotra ratsy ataon'ny trano fisakafoanana sy fandraisam-bahiny italiana ary ny tahotra ho voaendaka valizy sy finday nahatonga ny Japoney hisafidy toeran-kafa voaary kokoa.
Vao herinandro vitsivitsy izay no nisy ity vaovaon'ny fanambakana nataon'ny trano fisakafoanana malaza iray ao afovoan-tanànan'i Roma tamina olon-droa miaraka Japoney fa 700€ be izao no vidin-tsakafo tsotra. Efa manomboka leon'ny fampiheverana azy ho (ombivavy be ronono) mpizahantany fanambaka ihany koa ny Japoney.
Nanazava izay nitranga sy namoaka lahatsoratra hoe “Tsy andeferako mihitsy izao” (絶対に許せない！！) i Moshimoshi, tale Japoney ao amin'ny B&B ao Rome izay nampiatrano ireto mpivady sendra ny vitan-dratsy ireto.
今日警察に行ってきました。というのも最近B&Bのお客様が被害にあわれて、その再確認に行ってまいりました。
その被害とは、簡単に説明すると二人でランチを食べたら700ユーロ、（約10万円）という法外な値段をぼったくられた、という被害です。
Nankany amin'ny polisy aho androany.
Nisy tratran'ny fanambakana ny mpanjifako sasany ary dia tonga tany aho hanamarina izany.
Raha hazavaina tsotra ny fandehan'ny hosoka, dia niharan'ny fandoavam-bola tafahoatra nahatratra 700 Euro (100.000 Yen) tamina sakafo indray mandeha izy roa.
信じられます？700ユーロですよ！！
許せない！！という事で警察に行き調書をとりました。
しかもそのレストランはガイドブックにのっており、「日本語のメニューがあり、良心的な値段！！」なんて書いてあります。
確かにそのお客様は、メニューも見ずにおまかせで料理を持ってきてもらったそうです。
でもそれにしても700ユーロって・・・・
イタリア人みんなに言われました「どうして払ってしまったんだ？」と。でも想像してください、食べたのに払わずにレストランの外に出たりできますか？私自身は文句を言うにしても、最終的に払わずに外に出たりできないと思います。
Azonao inoana ve izany? 700 Euro!!!
Tsy azoko ileferana izany! Ary dia nankany amin'ny polisy aho nanao tatitra. Ankoatra izany, voasoratra ao amin'ny boky torolalana manazava amin'ny teny japoney fa ny tolotra dia mora!'. Ekena fa tsy nijery ny sakafo anio (menu) no sady tsy nanontany tamin'ny trano fisakafoanana hoe inona no torohevitra ataon-dry zareo saingy ilay 700 euro kosa…
Niteny tamiko ny Italiana hoe “Naninona ry zareo no nandoa?”
Nefa hevero kosa ange, afa-mivoaka ny restaurant tsy mandoa ny vola vidin'ny nohaninao angaha ianao? Na nitaraina ihany koa aza aho, mety tsy hahay handeha tsy mandoa vola izany.
私がそう言うとイタリア人は口をそろえて「だから日本人はぼられるんだ！！」
と言います。でもそんな事が許されていいのでしょうか？
「黙っているから、だましてもいい」なんて国があっていいのでしょうか？私は断じて戦います。そんな事が許されていいと全く思いません。今日私を呼び出し た警察も、「観光客のイタリアの思い出がそんなに醜いものになるのは一イタリア人として許せない！！彼らはイタリアの恥だ！！」とそのレストランを厳しく 罰する事を誓ってくれました。
Ary dia niteny tamiko ry zareo hoe “Ka izay indrindra no mahavoambaka ny Japoney koa!!”
Saingy, azonao leferina ve izany? mety amin'ity vahoaka ity ao an'eritreriny fa “ rehefa tsy mitaraina ry zareo dia azoko ambakaina izay”? Hotoheriko tanteraka izany fomba fisainana izany satria mino aho fa tsy azoko atao ny mandefitra amina toe-javatra sahala amin'izany. Nampanantena moa ilay polisy androany fa havesabesatra ny onitra miandry ilay trano fisakafoanana. “Izaho amin'ny maha-italiana ahy, dia tsy hanaiky velively fa hitondra fahatsiarovana ratsy avy eto Italia izy ireo! Henatr'i Italia ireo olona ireo!!”.
Na izany aza dia nampitandrina ny mpamaham-bolongana Japoney  iray mba tsy hieritreritra fa toy ny any Japana ihany ny hatsaran'ny tolotra any ampitan-dranomasin-dry zareo.
まあ、ありえる話かな、って感じ。
日本は今こんな不景気だから減って不思議でないし、日本人が言う「イタリアのサービスの悪さ」はなにも今に始まったことじゃないから。。。
ただ「サービス悪い」のは何もイタリアだけじゃないと思う。
Tsy gaga aho.
Tsy atao mahagaga amin'izao fitotongan'ny toe-karena izao raha mihena ny Japoney mizaha tany ary tsy zava-baovao na vao haingana ihany koa ny lazain'ny Japoney fa “fikarakarana ratsy ataon'ny Italiana”…
Etsy ankilan'izany, tsy any Italia ihany no misy “ratsy fikarakara”.
それに、、、
海外行って、「日本のようなサービスを受けよう」と思ってるのが、根本的に間違ってると思うよ。
で、サービスの点で、日本と外国の認識の違い、ぜったいあるはず。
日本は「黙っていても何かしてもらえる」と思うのがサービス。
（いわゆる「お客様は神様です」的に・・・）
でも、あちらへ行ったら、、、
「自分で欲することを自分で要求」した上で「相手に仕事をしてもらう」のがサービス（の一つ）。
この他にも相違点たくさんあるのに、あちらのことを知らずに、、[…]
そんな認識で海外行かれちゃうのが、ウチらには恥ずかしいわいっ！
Andaniny… Mihevitra aho fa misy fiheverana diso tanteraka hoe “rehefa miampita ranomasina aho, dia mitovy amin'ny eto Japana ihany ny fikarakarana any.”
Amin'izay fotoana izay, dia hihanjahanja tanteraka fa be ny fifahasamihafana eo amin'i Japana sy ny firenenkafa.
Ny atao hoe fikarakarana eto Japana dia “vita tsy misy fitenenana indraimbava ny zava-drehetra.” (Araka ny fomba fiteny hoe, “Andriamanitra ny mpanjifa”…)
Fa any ielany kosa (misy mieritreritra fa) ny fikarakarana “dia ny fahatontosan'izay noteneniko fa notadiaviko”.
Ary dia maro ny fahasamihafana tahaka izany, raha mivoaka mankany ivelany tsy mahalala…
[…]Ary henatra ho antsika Japoney mivoaka any ivelany raha tsy mahatakatra izany fahalalàna bitika izany!
Indrisy fa tsy zava-baovao ho an'ny Italiana ny fanambakana vahiny any. Indrindra fa amin'ireo tanàna miankna amin'ny fizahantany tahaka an'i Roma.
Tsy tamin'ity indray mandeha ity, fa tsy dia menatra loatra ny Italiana na dia heverina erantany aza fa mpanambaka matevin-koditra ao an-tranon'i Colosseo.
Maneho ny alahelony amin'ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana Italiana iray ao amin'ny L'isola dei riottosi.
Ci stiamo rovinando con le nostre stesse mani. Come dico spesso, la meschinità sta diventando uno dei capisaldi del nostro popolo. Tanto che il turismo rischia di sentirne. E parecchio. In particolare, il numero di turisti giapponesi che si recano a Roma si è dimezzato rispetto al 1997. Motivi? Le strade dell'Urbe sono sporche, e specialmente c'è un ricchissimo business delle Truffe! […]E giustamente queste cose non passano inosservate, dato che ne parlano pubblicamente all'estero, in questo caso il Giappone, dove adesso Roma viene vista come una bellissima città d'arte ma anche come un “macchina succhia soldi”.
Ny tanantsika ihany no mamotika antsika. Araka ny filazako matetika dia efa zava-mahazatra antsika ny hafetsifetsena. Ka miitatra any amin'ny fizahantany ny fahavoazana aterany. Voa dia voa tokoa.
Raha raisina manokana izao dia maty sasaka noho ny tamin'ny 1997 ny mpizahatany Japoney. Nahoana? Noho ny loton'ny tanàna ary lasa bizina mandeha ny fanambakana![…] Ary tsy takona afenina intsony izany, rehefa resahin-dry zareo any ivelany any. Any Japana ohatra, tsy hoe tanànan'ny zava-kato ihany i Roma fa “milina mpitsentitra vola” ihany koa.
Mpamaham-bolongana Italiana hafa koa, id: dragor, no nampibaribary ny fomba fijerin'ny Romana sasany izany hoe mpizaha tany.
PER GLI ITALIANI gli stranieri sono una massa d’imbecilli che aspettano soltanto di farsi fregare. Si considerano molto furbi e credono che tutti gli altri siano ingenui. La loro fantasia per tirare la botta è incredibile. […] Ma il massimo della fantasia si esercita nella fregatura individuale, che in molti casi si manifesta con il prezzo ad hoc. In un bar di Roma, mia moglie ha ordinato un caffè in francese. Le è stato fatturato 5 euro. Quando ho fatto notare nella lingua di Dante che era un furto, ho ricevuto questa risposta: “Dovevi dirlo subito che sei italiano. Quello è il prezzo per gli stranieri.”
HO AN'NY ITALIANA ny vahiny dia vondrona vendrana miandry ho ambakaina. Mihevitra ny tenany ho tena fetsy ry zareo fa ny hafa kosa dombo. Ts mampino mihitsy ny hevitra ananan'izy ireo hanambakana ny hafa. […] Fa ny hevitra tsara indrindra hitany hanambakana ny tsirairay matetika dia eo amin'ny vidin-javatra.
Tao amin'ny bar iray tany Roma, dia nangataka kafe erany tamin'ny teny frantsay ny vadiko. Napetrany fa 5 euro ny vidiny. Nanamarika tamin'izy ireo, tamin'nyfitenin'i Dante aho, fa hosoka izao ataon-dry zareo izao dia novaliany hoe: “Tokony niteny taminay avy hatrany ianao fa Italiana. vidiny ho an'ny vahiny izany”.
Scilla Alecci
Ekoatera: Garam-piara fitaterana vaovao roa misokatra ao Quito
Ambohipihaonan'ny fitaterana an-tanety ao Ekoatera ny renivohiny ao Quito ary azo heverina fa ahafahana mipaka any amin'ny toerana rehetra tiana andehanana manerana ny firenena ny fandraisana fiara fitaterana iray avy ao. Nandritra ny herinandro faharoan'ny volana jolay dia nanapa-kevitra ny Departemanta Monisipalin'ny Fitaterana sy ny Asam-bahoaka (EMMOP amin'ny fanombohana teny Espaniola) hanakatona ny Garam-piarakodia be mpivezivezy indrindra manerana ny firenena fantatra amin'ny anarana hoe Cumandá Bus Station. Nandray izany fanapahan-kevitra izany ny tompon'andraikitry ny fitaterana noho ny tsy fahazakan'ilay toerana efa antitra intsony ny hamaroan'ny mpandeha mivezivezy eo, eny fa na dia tsara aza ny toerana misy azy ary afovoan-tanàna taloha indrindra. Hitan'ny tompon'andraikitra ihany koa ankoatra izany fa tsy mifanaraka amin'ny filàn'ny mpandeha intsony ny foto-drafitr'asa misy ao. Nisy garam-piarakodia roa vaovao kosa nosokafana hasolo azy: any atsimon'i Quito any Quitumbe ny iray ho an'ny zotra mianatsimo rehetra, ary any avaratr'i Quito any Carcelén kosa no naorina ny faharoa ho an'ny zotra mianavaratra rehetra.
Ny ao anatin'ny garan'i Quitumbe any atsimon'i Quito. Sary nahazoana alalana tamin'i Nati Wolf
Ankehitriny, raha nizotra ho any amin'ny garan'i Cumandá izay fiaingan'ny zotra rehetra ny mpandeha teo aloha, dia tsy maintsy mizotra any amin'ireo gara roa kosa araka izay toerana halehany. Niteraka fisavoritahana ihany izany satria lany fotoana kokoa ny mpandeha ho kaopy amin'ny mombamomba ny foto-drafritr'asa vaovao sy hitady ny toeram-piaingan'ny zotra tokony horaisiny noho ny fotoana lany handehanana any amin'ny toerana alehany.
Naniraka mpanao gazety enina i  Carei es Carei [es] hanadihady  ny tombotsoa, ny fivezivezena, ny fandaniana ary ny mombamomba ny fivezivezena ao Quito mandra-pahatonga any amin'ny iray amn'ireo gara roa ireo. Hitan'izy ireo avy amin'izany fa mandany anelanelan'ny 90 ka hatramin'ny 107 minitra ny mpandeha vao tonga any Quitumbe na any Carcelén raha mandray zotra (bus) an-tanandehibe. Mahatratra  35-55 minitra kosa ny mpandeha raha amin'ny alalan'ny fiarakaretsaka no handehanany any amin'ny gara. Na izany aza, ho an'ireo izay tonga ao amin'ny garan'i Quitumbe avy any amin'i Valle de los Chillos:
A esa hora [7 am, los viernes] es imposible tomar una unidad vacía y los viajeros se acomodan apretadamente en el bus 3632 para llegar hasta La Marín, en Quito. Los empujones y pisotones son inevitables. Subir con maletas es casi imposible. El bus tarda 43 minutos hasta llegar al playón de La Marín.
Allí no hay información para los usuarios que deseen llegar a Quitumbe. Dos policías de tránsito no atinan a contestar ¿qué bus tomar para llegar a la nueva terminal?
Amin'izany ora izany [7 ora maraina ny zoma] dia sarotra dia sarotra ny mandray ny zotra be mpandeha sady efa mifaneritery aok'izany ny mpandeha ao anatin'ny zotra 3632 mandeha mankany La Marin, any Quito. Tsy maintsy hoe voatositosika sy voahitsaka ihany. Sarotra tanteraka izany hoe hiditra ao miaraka amin'ny valizy izany. Mandany 43 minitra ny zotra vao tonga any La Marín.
Tsy misy ny fampahalalana ho an'ny mpandeha te-ho any Quitumbe. Polisy roa no tsy nahavaly raha nanontaniana hoe “inona ny zotra tokony horaisina raha handeha ho any amin'ny gara vaovao?”
Nokendren'ny EMMAP moa ny hampidina ny fandaniana, fotoana ivezivezena, fandotoana (#fahalotoana) isan-karazany ary nialany koa ny tabataba amin'ny manodidina ateraky ny fananganana ny gara roa vaovao. Mety namparary loha mihitsy amin'ny voalohany ny dia voalohany, eny fa na dia ho an'ny tompontany aza. Saingy rehefa tonga any amin'ny gara vaovao ny mpandeha dia tsy nampaninona ny sasany ny fotoana lany sy ny fikorontanan-tsaina teo. Mipetraka eo akaikin'ny gara atsimo i Nati Wolf mpamahana ny Chica de la Luna [es] ka nanapa-kevitra izy hitsidika ny garan'i Quitumbe ary tena faly nitsidika tao:
La curiosidad mató a la lobita y así fue que me aventuré a conocer la nueva terminal “Quitumbe” en el Sur de Quito. Desde mi casa hasta allí me demoré como 5 minutos y al llegar estaba tan perdida como el resto, pero al final estuve paseando por todos lugares posibles y hasta me convertí en guía, jeje. Me gustó mucho como está ordenado y hay bastantes personas en diferentes puntos dispuestos a ayudar a los viajeros que llegan a la terminal.
Las boleterías a los distintos destinos, están divididas por regiones. También podemos encontrar allí mismo lugares para comer, comprar regalos, ropa, etc. Es un gran cambio para los que estaban acostumbrados a ir a la terminal de la Cumandá, que a mi criterio, ya parecía cárcel, por lo oscuro y desordenado.
Liana dia liana tokoa aho ary dia nandeha kitanotanona hijery ny gara vaovaon'i  “Quitumbe” atsimon'i Quito. Dimy minitra ihany no fotoana laniko niaingana tany an-trano mandra-pahatonga tany amin'ny gara, nefa nialoha ny nahatongavako tany dia very toy ny rehetra ihany koa aho fa avy eo nivezivezeko avokoa ny toerana rehetra azo naleha ary dia lasa mpanoro lalana aza aho indraindray hi hi. Nahafinaritra ahy ny fipetrapetraky ny foto-drafitr'asa ary hitako betsaka ihany ny olona eny rehetra eny no vonona hanampy ireo vao tonga ao amin'ny gara.
Nosingatsinganina araka ny faritra ny toeram-pivarotana tapakila. Misy ny faritra fisakafoanana, ividianana zavatra atao fanomezana, na akanjo, sns. Hita ny fiovana goavana ho an'ireo izay zatra ny garan'i Cumandá, izay araka ny hevitro, dia tahaka ny fonja, noho ny aiziina sy ny fikorontanana ao anatiny.
Ho an'izay te-hijery ny gara vaovaon'i Quitumbe  dia indro tsidiho ny takelaka Flickr-ny.
Milton Ramirez
Irana: Ireo mpitoraka blaogy Armeniana sy ny fianjeran'ny fiaramanidina
Raha nianjera ilay fiaramanidina mpampitohy mahazatra niala tao Tehran ho any Yerevan taorian’ny niaingany omaly, namoizana ireo olona 168 tao anatiny, dia maro ny tany Armenia sy ny  Diaspora avy any no ory, indrindra indrindra noho ny fisian'ny Armeniana 40 tamin’ireo maty ireo. Manazava ny ao ambadiky ny anton'ny fahatohinana mafy nahazo ireo Armeniana i Ianyan .
Nianjera tao Irana ny fiaramanidina iray vita Rosiana, an’ny Caspian Airlines, hisidina ho any Yerevan any Armenia, ny Alarobia taorian’ny nirehetany teny am-panidinana ary namono ireo olona 168 tao anatiny rehefa nitontona tany an-tsaha akaikin’ny tanànan’i Qazvin, 16 minitra monja taorian’ny fiaingana.
Tanora valo mpikambana ao amin'ny  ekipa Iraniana mpanao judo sy Armeniana maromaro no isan'ireo namoy ny ainy, ka ny roa tamin’izany dia anisan’ny mpiandraikitra ilay fiaramanidina. Eo amin’ny Armeniana 100 000 eo no mipetraka any Irana izay mivezivezy matetika eo anelanelan’ireo firenena roa ireo mba mitsidika havana.
Maro ireo antsipiriany voafantina avy amin’ny tati-baovao any an-toerana sy maneran-tany no naparitaka haingana tamin’ny Twitter sy Facebook, iray amin'ireo tena miparitaka be ny @unzippedblog.
Ny maro tamin’ireo tsikera tamin’ny vohikala sosialy sy lahatsoratra tanaty  blaogy tao amin’ilay vondrom-piarahamonina fitorahana blaogy LiveJournal momba ilay fianjerana tany Armenia  dia saiky mifototra amin'ireo vaovao azo avy amina masoivohom-baovao  sy haino aman-jery hafa.
Ilay blaogy  Iraniana-Armeniana ՏՐԱՄԱԳԻԾ  [AM] kosa dia tsy hoe namoaka sarin’ilay voina fotsiny fa sady nanome dikantenin’ireo tatitry ny TV-mpanjakana Iraniana amin'ny teny Armeniana.
Niainga teo amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan’i Tehran ilay fiaramanidina “Tupalov”  ary nianjera  tany akaikin’ny faritra Khazin 16 minitra taorian'izay. […] Vao niteny teo ny Filohan’ny Repoblika Ahmadinejad, naneho ny fiaraha-miory ary niteny ireo tompon’andraikitra mba hanao fanadihadiana lalina, mba hanao izay tokony atao, hitady ny anton’ity fianjerana ity ary hitatitra izany araka izay haingana  azo atao.
Any anatina lahatsoratra hafa, nitatitra tamin’ny antsipiriany mombana Armeniana iray, Harutyun Khalghatian, izay tsy nahatratra ny fiaingan'ny fiaramanidina ilay mpitoraka blaogy.
Harutyun Khalghatian, 44 taona, nanao fitsidinana arahan'asa  tany Tehran no sady nitsidika an'i Tehran dia avotra tamin'ny fomba tsy takatry ny saina. Tanatina fanadihadiana natao tamin'ny naman’i Khalghatian iray …. nahita izahay fa nanao fety izy ny alina talohan’iny, ka nahatonga azy tara fifohazana ka tsy nahatratra ilay sidina.
Լճակ [RU] dia nanome rohy sy fanampim-baovao momba ilay fianjerana, ary ilay mpanao gazety-mpitoraka blaogy mpanohitra Mark Grigorian kosa dia nanome ny heviny manokana tamin’ny fampiasana fiaramanidina efa antitra.
“Fotoana fanovàna ireny fiaramanidina vita sovietika  ireny ho korontam-by izao, ” hoy izy,  nanampy tao amin’ny faritra natokana ho an'ny tsikera:
Indrisy fa efa tonta, tsy ara-batana ihany fa ara-moraly koa, ireny fiaramanidina sovietika ireny. Mieritreritra aho fa isan’izay antitra ara-moraly izay ity iray ity.
@Unzippedblog dia nandefa tweet ny fanontaniana ao an-tsain’ny rehetra hoe:
Fa maninona no #Iran irery eto ambonin'ny tany  no mbola mampiasa iny fiaramanidina Rosiana TY-154 antitra be iny! Tokony ho ariana ireny. #armenia #yerevan.
Nanome valin-teny tamina tweet iray hafa izy taorian’izay.
Nanamafy ny BBC http://bit.ly/BpFW9 fa noho ny sazy nomen’ny Etazonia no mahatonga izao tsy filaminana eo amin’ny sehatra sidina any #Iran izao. #armenia #yerevan
Если бы можно было жить в море… [RU] dia mameloka ny ankivy nataon’ny Etazonia tamin’ny Iran noho ny fianjerana.
Andriamanitra anie hanome fiadanana ny fanahin’izy ireo… nisy ankizy roa tamin’ireo. Miteny ry zareo fa matetika no misy loza any Iran, noho ny fandraràna izay tsy mamela azy ireo hanavao ireo fiaramanidina ary ny fiaramanidina TU sy Amerikana no tena ananan-dry zareo.
Ireo hafa toa an-dry Words Blog dia mitantara ny fomba nahafantaran’ny havany  an’ireo maty.
“Nisy teknisiana fifamoivoizana an'habakabaka  roa izay niasa tao amin’ny Caspian tao anatin’ilay fiaramanidina. Izaho tsy nahafantatra azy ireo, fa ny reniko sy ny nenitoako no niara-niasa tamin’izy ireo.”
“Tany amin’ny seranam-piaramanidina aho androany… mampalahelo…”  hoy 517 Design nanoratra [RU], mpitoraka blaogy sy mpaka sary avy tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Yerevan niaraka tamin’ny sary.
© Sarin'ny PanARMENIAN / Sedrak Mkrtchyan
Bangladesa: Ny fahitan'ireo nody an-tanindrazana azy
Betsaka vondrona teratany niasa tany ivelany ary nody an-tanindrazana ao Bangladesh ka maro amin’izy ireny no miasa an-tsitrapo na mikarama amin’ireny fikambanana maro tsy miankina amin’ny fanjakana ireny. Tsy vitsy amin’izy ireny koa no mitoraka blaogy sy mizara ny zavatra niainany izay sady zava-marina loatra no voaporofo, fa tsy mba toy izay ambaran’ireo mpampahalala vaovao iraisam-pirenena momba an’i Bangladesh. Ireny fomba fijery ireny dia tena ilaina tokoa ho an’ireo tonga hitsidika an’i Bangladesh ary koa ho an’ireo Bangladeshis (ilazàna ny olona avy any Bangladesh). Anatin’ny hafatra voalohany amin’ity andiany ity dia asiako fanamarihana manokana ny amin’ireo teratany nody an-tanindrazana ka mitoraka blaogy, sy izay resaka ambaran’izy ireny
Nikkibomb ao amin’ny  Amar Bangla Na dia nandeha tany amin’ny  Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong ary  manoratra fa:
Ireo Tangoron-tendrombohitr’i Chittagong  dia maitso màvana mandrakariva. Na aiza na aiza jerenao, marevaka ery ny lokony toy izay tian-dry zareo Bangladeshis entina rahateo.
Estelle Visagie koa dia tany amin’ny Havoana tao Rangamati izay nifanenany  tamina vehivavy bodista telo (nonnes) ka nanomezan’izy ireo azy ny Anarana Chakma.
Sara, izay mianatra sy manao fikarohana, tohanan’ny Fulbright, dia namoaka sary maro sy ny zava-niainany tamin’ny fifangaroana tamin’ireo Bangladeshis.
Natiora any Bangladesa; Durgapur, Netrokona, avy amin’i Ariful Haque Bhuiyan (http://www.flickr.com/photos/arifbd111/3401682813/),mampiasa ny Creative Commons license
Amy Moyer izay nandositra ny fiainana feno tebitebin’ny renivohitra no manoratra:
Nofarananay tamin'ny fitsidihana tanàna iray mpanamboatra fitafiana Jamdani norariana tamin'ny tànana ny dianay. Tena manify ny Jamdani, lamba tena maivana izay fahaizana manokana mampiavaka an'i Bangladesh. Raha ny tantara momba ny akanjo  Jamdani sari, izay mirefy tokony ho 13 metatra eo ho eo, dia tokony ho afaka aforitra hitovy habe amin'ny tranon’afokasoka izy. Tsara fanahy sy falifaly ery ireo mponina namela anay nandray anjara tamin’ny rary. Tena tsy azo veroka mihitsy,  ary ny tsininy dia ry zareo tsy nandray karatra Visa.
Meandering Memos izay nitsidika toeram-pamokarana asa tànana iray  tany Narayanganj, akaikin'i Dhaka izay ahitàna vehivavy 26000 miasa dia manoratra hoe:
Sary manaingo ny akanjo Sari – Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ireo haingon’akanjo rehetra ireo dia natao tànana daholo! Tena asa mila fotoana be tokoa. Ireo loko ampiasain-dry zareo dia avy amin’ny akora voajanahary avokoa.
Jacob and Sanna's blog dia midera ny ‘Bangla', tarika  Bengali mpiangaly ny gadona ankehitriny:
Hafa ity vondrona ity — hain-dry zareo tsara ery ny manome kalitao lafatra ny fanafangaroana ny gitara tandrefana & gitara beso sy ny amponga ary ireo gadona malàza, vokatry ny tany,  izay laroin’ny feo mahagagan’ny mpihira fototra ao aminy, Anusheh.
Valerie ao amin’ny from Spa-Ha to Bangla dia roa volana izao no eto an-tanindrazana mba hamangy ny vadiny. Nandany andro iray manontolo mihitsy izy mba hitàna ny toeran'ny vady ao an-tokantrano any Bangladesh  renivohitra  Dhaka ary manamarika hoe:
Ity no iray amin'ireo andro mora indrindra hatramin’izay namoahako vola. Ny fitambaran’ny fikarakaram-bàtana tany amin’ny spa dia 600 taka, latsaky ny $10. Nomenay karama betsabetsaka ihany ny mpamily sy ny mpikarakara ny ao an-trano ary dia nolazaina fa adala mihitsy izahay tamin'izany, ary dia mahazo $4.30  sy $7 isan’andro tsirairay avy izy ireo.  $1/ora no hofan'ny kianja filalaovana Tennis. Tena varo-boba raha ny vidin-tsakafo hany ka mahamenatra na dia ny hitaky famerim-bola aza.
Sonargaon, renivohitr’i Bengal taloha. Sary avy amin’ny Flickr an’i Shubho Salateen (http://www.flickr.com/photos/shubho/242268273/) ampiasana ny  creative commons license
Bernie Allen ao amin’ny  Life and Work in Dhaka city dia nitsidika an’i Sonargaon, iray amin’ireo renivohitra ntaolon’i Bengal. Manoratra izy:
Ny Fitehirizam-bakoka momba ny fomban-dràzana, izay isan'ny anton-diako, dia ahitàna ireo zavatra rehetra maneho ny endrika ara-kolontsain'ny firenena, ary ny zaridaina ao dia tena mahafinaritra tokoa.
Niampita ny reniranon’i Buriganga, izay mikoriana ao akaikin'i  Dhaka koa izy. Mieritreritra izy fa tandindonin'ny loto io renirano io ary “tsy dia isan'andro no ahitana tsy fitohanana na fihontsonkontsonana eo, toy ireny làlana any an-tànan-dehibe ireny ihany!”
Heather ao amin’ny A Bangladesh Adventure dia namoaka sary vitsivitsy maneho ireo fiara samihafa ao an-tanànan'i Dhaka.
Ary farany nefa tsy ny kely indrindra,  Caroline ao amin’ny Burkhas, Bibles and Bangladesh dia manome lisitra ahitàna ireo zavatra 20 mety ho efa fantatrao na tsia momba an’i Bangladesh.
USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra
Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity.  Vehivavy roa,  Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena  Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona tamin'ny 17  Martsa, saingy na teo aza ny lazan'ny rahavavin'i  Ling (Lisa Ling, iraka manokan'ny ‘ the National Geographic Channel' , Oprah, ary CNN), tsy dia nisy niraika firy tamin'ny nahazo ireo vehivavy roa ireo ny mpampita vaovao nentim-paharazana rehetra, izay amin'ny ampahany dia  vokatry ny toe-draharaha ara-diplaomatika efa tsy mari-toerana loatra.
Saingy andro iray talohan'ny fitsarana azy ireo, nirehidrehitra ny fanehoan-kevitra teo amin'ny tontolon'ny fitorahana  blaogy momba izay hoavin'ireo mpanao gazety. Ilay mpitoraka blaogy avy  any   Etazonia, Angry Asian Man,  no loharano nahitàna hoe aiza no ahafàhana manovo vaovao maro momba an'i  Ling sy Lee:
Tsy asiana andraso andraso fa androany no fotoana, tena faran'izay lehibe inddrindra ny hanairana ny vahoaka momba ny zava-mahazo an'i  Euna Lee sy Laura Ling. Ho fampahafantarana bebe kokoa, tsidiho ity vondrona Facebook ity, izay ahitàna fanavaozana matetika miaraka  amin'ny fanampim-baovao ahafahanao mitondra fanampiana. Tairo  izao tontolo izao. Afaho ry Euna sy Laura!
Brenna Hamilton, mitoraka blaogy ao amin'ny  The Art School Girl of Doom Rides Again, dia mangataka miaraka amin'ny mpamaky ny mba hanehoana fanohanana an'i  Ling syLee:
o maneho ny fanohanako aho amin'ny maha-naman'ny fianakaviana ahy efa hatry ny ela tokoa, miangavy anao aho hiara-dàlana amiko amin'ny ezaka ataoko ho fiantohana ny  hanafàhana an'i  Laura sy Euna tsy misy  hatak'andro. Noho ny fifamatorana ara-diplaomatika somary mifangidotra be ihany, nisafidy ny tsy haneho hevitra imasom-bahoaka momba ny raharaha ny fianakaviana.
Namoaka ny lisitr'ireo fomba samihafa azo andraisana anjara ilay mpitoraka blaogy, ary nanampy hoe:
Na inona na inona ataonareo, iangaviana indrindra mba ataovy fanehoana fanohanana amin'ny fomba miabo. Tsy hanampy velively ny ezaka ho an'i  Laura sy Euna ny fanaovana kabary na asa miiba, noho izany tsy hamorona kisarisarin'i  L'il Kim™ sy/na hanao ireo fanovàna endrika mahamenatra  amin'ny Photoshop intsony koa aho.  Ny tanjona tokan'ny  tsirairay mandray anjara dia  ny famerenana avy hatrany sy tsy misy rahoraho ho an'ireo mpanao gazety roa tena tsaroana ho banga ny toerany.
Iray amin'ireo mpitoraka  blaogy maro ao amin'ny vondrona blaogy Koreana-Amerikana  Kimchi Mamas no naneho ny eritreriny  momba ny antony tsy dia nampiraika loatra ny mpampita vaovao nentim-paharazana tamin'ny  tantaran'ireto mpanao gazety ireto:
Fantatro fa maro amintsika no manaraka akaiky ny vaovao hatramin'ny nisamborana an'i   Euna Lee sy Laura Ling, manontany tena momba ny tsy fisian'ny vaovao firy  manodidina  ny  fitànana azy ireo. Eny, nahatsapa izahay fa raharaha  ilàna fahamalinana lalina izy ity, tsy taitairina izay i Korea Avaratra ary inoana mihitsy fa misy ezaka misoko mangiana any ambadiky ny sehatra any. Saingy rehefa mitatitra ny momba ny sambo amerikana iray nalain'ny jiolahin-tsambo ary avy eo navotana tamin'ny fomba nampivanaka ny fampahalalam-baovao, ary vao tsy ela akory izay ny firaradraraky ny vaovao samihafa manodidina ny raharahan'i   Roxana Saber, ny fitsaràna, ny fampiakarana fitsarana ambony sy ny fanafahana azy, dia toa mitambesatra mafy ao an-tsaiko kosa ny fahanginana manodidina ny tranga  Euna sy Laura.
Vondrona  Facebook maro no miantso fanohanana an'i  Laura Ling sy Euna Lee
Ho fanampin'ireo hafatra tanaty blaogy, vondrona maro no niforona tao amin'ny  Facebook ho fanehoana firaisankina amin'i  Ling sy Lee, isan'ireny  ity iray ity sy ity.  Nisy  fanangonan-tsonia iray napetraka  ihany koa .
Na eo aza ny hamaroan'ny fanohanana tonga, ny fampitam-baovao dia maminavina fa toa hahazo sazy henjana tokoa i  Lee sy Ling.  The New York Times dia milaza fa mety hanao asa an-terivozona an-taona maro izy roavavy; ny LA Times no mandroso fa mety ho tonga hatramin'ny 15 taona ny sazy.
Raha te-hahazo vaovao misimisy sy manaraka ny fivoaran'ny toe-draharaha momba an'i  Euna Lee sy Laura Ling, tsidiho ny  Komity ho fiarovana ny mpanao gazety, fa ao, anatinà lahatsoratra iray vao avy navaozina, olona iray tohina amin'ity raharaha ity no nilaza ny antony maha-tena zava-dehibe ny fanehoana fanohanana ho an'ireo mpanao gazety roavavy:
Mazava loatra fa ny fanaovan-gazety feno risika [avy amin'ny mpandika: mijabaka amin'ny raharaha mafana] dia miteraka fiantraikany mafana. Ary izany indrindra aza no antony tokony hanohanantsika an-dry Ms.Ling sy Ms.Lee, ary ireo mpanao gazety hafa koa izay mandray risika be tokoa hanomezana vaovao ny sarambabem-bahoaka.
Maro ny feon'ireo mafàna fo sy mpanoratra no misandratra avy ao anatin'ny fireneny ao. Maro koa ireo mpanao gazety iraisam-pirenena izay mitondra ny vaovao hanerana izao tontolo izao. Ireo sokajy roa ireo dia samy tokony harovantsika izay migalabona anaty fahafenoana, fandriampahalemana sy filaminana.
Kolombia: Fitantarana ny fiainana eny ambony kamiao
8ruedas logo
Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba hijery ny làlana kolombiana sy hamantatra ireo tsiambaratelony, tantara ary “trangam-piainana” mpitondra kamiao mba hamoaka azy ireo amin’ny fotoana tena itrangàny amin’ny alalan’ny horonan-tsary, hafatra twitter sy fampiakarana sary.
Toda la vida, todos los días, hay experiencias que quisieramos asumir como propias. Esta es una de esas. Salir en un camión, agarrar carretera y echarse la vida sobre las 8 ruedas del vehículo al lado de conocidos o desconocidos. Un viaje de una semana larga, por carreteras colombianas, entregando pedidos de cartón (lo que el camionero lleva de carga), emitiendo vía streaming video en tiempo real en una o dos ocasiones por día y recopilando material a ser publicado en diferido cada noche a través de la red. Esa es la intención, simple, arriesgada (?) y sin ningún propósito diferente a pasarla bueno, documentando regiones del país que ninguno tiene por qué conocer de esta manera.
Mandritra ny fiainanay, isan'andro, misy foana ny fanandramana izay tianay ho toy ny hoe anay mihitsy. Iray amin’izany ity. Mitaingina kamiao, mandeha amin’ny làlana ary miaina ny fiainana anatina “cabine”-n’ny fiara valo kodiarana, mipetraka eo akaikin’ny olona fantatra sy tsy fantatra. Dia maharitra herinandro amin’ireo làlam-be Kôlombiana, manatitra baoritra  (fa izany no taterin’ity fiarabe ity), aseho amin’ny horonan-tsary in-dray na in-droa isan’andro sady mivingitra fitaovana hahafahana mamoaka amin’ny aterineto isaky ny hariva. Izay no fikasanay, tsotra, feno fahasahiana (?) ary tsy misy tanjona hafa afa-tsy ny hahazo fahafinaretana, mitatitra momba ny faritra izay tsy mbola fantatray tahaka izao.
Ampahany amina stratejia “en ligne” ho an’ny fanombohan-dry zareo”, nullun, ity tetik’asa ity, ary ankoatra an’i Pacho, izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Francisco, nisy olon-kafa koa nanome tànana hanatanteraka ity “aventure” ity. Nanomboka omaly ny andrana, nefa noho ny zavatra tsy nampoizina mahakasika ny asan'ireo mpitatitra dia mbola tsy nanomboka ny diany ry zareo. Mbola miandry ny fiantsoana hiditra sy ny fahavononan’ny kamiao hanao ny fitaterana ry zareo. Nalefa avy any amin’ny toerana nipetrahan’ny mpamily fiara, niandrasany sy nilalaovany karatra ity horonan-sary manaraka ity:
<object width="400" height="300" data="http://qik.com/swfs/qikPlayer4.swf" type="application/x-shockwave-flash"><param name="id" value="qikPlayer" /><param name="align" value="middle" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /><param name="bgcolor" value="#333333" /><param name="FlashVars" value="rssURL=http://qik.com/video/3ed8e033d012455c8ff108d5bb72730f.rss&autoPlay=false&polling=false" /><param name="src" value="http://qik.com/swfs/qikPlayer4.swf" /><param name="name" value="qikPlayer" /><param name="flashvars" value="rssURL=http://qik.com/video/3ed8e033d012455c8ff108d5bb72730f.rss&autoPlay=false&polling=false" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Nampihetsi-po mpitoraka blaogy kolombiana hafa ny andrana. Mitantara ny diany farany niaraka tamin’ny rainy, mpitondra kamiao maty teny an-dàlana indray 15 Martsa fito taona lasa izay, i Jorge Montoya of Fábrica de Cosas :
De Medellín salimos con un cargamento de insumos para una panadería en Sincelejo, y otras cuantas cosas para Barranquilla, pasando por Cartagena. De Barranquilla, parando en Fundación para comernos un platano con queso, fuimos a Valledupar por mangos.  Pero a Valledupar también fuimos porque allí se haría la imagen mental que más resalta cuando recuerdo a mi papá: un par de hamacas colgadas debajo del camión parqueado en una estación de servicio, con la brisa del Valle, una botella de ron y un par de tabacos que amenizaban el silencio entre dos personas con la misma sangre pero con poco que contarse.  Recuerdos de empatía y vallenato. El ambiente impregnado de vallenato era la regla.
Nanomboka tany Medellín izahay nitatitra fitaovana ho ana fanaova-mofo any Sincelejo, ary zavatra vitsivitsy hafa ho aterina any Barranquilla, mandalo an’i Cartagena. Avy any Barranquilla, nijanona teo amin’ny Fundación mba hihinana “plantain” sy fromazy, dia avy eo izahay nandeha tany Valledupar haka manga. Fa ny antony nandehananay tany dia satria be ny fahatsiarovana mampatsiahy ahy ny raiko: “hamac” roa mihantona ao ambany kamiao, mijanona ao amina tobin-dasantsy, ny rivotry ny sahabe midadasika, tavoahangina “rhum” sy sigara roa izay nanova ho  nahafinaritra ny fahanginana teo amina olona roa iray rà nefa tsy dia manan-javatra hifampitantaràna. Fahatsiarovana “empathy” sy vallenato. Ny rivotra rakotry ny  vallenato no toa tao tsara amin'ny tokony ho izy.
Toa lasa mahazatra io elanelana eo amin’ny mpamily kamiao sy ny fianakaviany io. Mitantara ny fivahavahan’ny fifandraisan’izy sy ny rainy I Carolina, zanakavavin’i Juan Camilo, ato anatin’ity horonan-tsary manaraka ity. Mifampiarahaba am-pitiavana ry zareo, nefa mbola tsy nifampizara tsiambaratelo mihitsy, resaka mitokana na irony fotoana miavaka..
<object width="400" height="269" data="http://www.ustream.tv/flash/video/1259988" type="application/x-shockwave-flash"><param name="id" value="otv_o_278360" /><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="wmode" value="transparent" /><param name="flashvars" value="viewcount=true&autoplay=false&brand=embed&" /><param name="src" value="http://www.ustream.tv/flash/video/1259988" /><param name="name" value="otv_e_448592" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Afaka manaraka io andrana io ianao ao amin’ny tranonkalan’ny 8ruedas,  amin’ny fametrahana ny @cinealoido, na fanarahana ny tagy #8ruedas ao amin’ny twitter, amin’ny fisoratana amin’ny Ustream video channel, na amin’ny qik.  Efa misy Flickr koa nosokafana mba hahitàna ny sarin’ny dian-dry zareo,  tahaka ity sarin’i Felipe Taborda ity, mpamily kamiao antsoin’ny namany hoe “Internet” satria fantany daholo ny zava-drehetra.
Sarin’i Felipe Taborda –solon’anarana “internet”, nalaina tao amin’ny Cinealoido
Ejipta : mandrisika an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy i Dalia Ziada
Amin'izao andro fahatsiarovana ny andro nahaterahan'ny Mpaminany Mohamed izao dia manentana ny olona rehetra i Dalia Ziada hanery an'i Arabie Saoudite hampitsahatra ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy Silamo manerana ny tany!
Nanomboka tamin'ny firesahana ity andro fankalazana ity tany Ejipta i Dalia:
Androany, Ejipta-ary Ejipta irery- no nankalaza ny andro masina nahaterahan'ny mpaminany Muhammad. Izahay Ejiptiana no miantso azy ity hoe “Mawlid Elnaby”. Amin'ity andro ity dia mividy tsindrin-tsakafo miavaka izahay (halawet elmwalid), mifamangy ny samy mpihavanasy ny olom-pantatra, ary ambonin'izany rehetra izany ny fankalazana fahatsiarovana ny mpaminany Muhammad.
Izao no antiny nahatonga ny fanentanany:
Taorian'ny vavaka mitataovovonana dia tonga tao an-tsaiko ny hevitra handeha hanao fivahinianana masina any La Mecque hamangy ny fasan'ny mpaminany.
Nahatezitra azy ny vokatr'izay:
Tsy nahazo nanatanteraka “O'mra!” aho [ny fanao farany kely indrindra any La Mecque] Nahoana? Satria aho tanora zazavavy latsaky ny 45 taona! Ny vahaolana tokana azoko atao hahazoako miditra ny tanin'ny mpaminany mamiko dia ny hoe tsy maintsy miaraka amina mpiaro lehilahy aho. Mbola tsy ampy taona ko any reniko!!! Fantatrao moa hoe iza izany mpiaro lehilahy izany? Ny havana lehilahy akaiky anao indrindra: ray, anadahy, vady, na zanaka lahy! Misalasala be aho noho izany. Efa maty ny raiko, tsy dia taitra amin'izany loatra ny anadahiko anankiroa ary tsy afaka miantoka ny saran-dalany manaraka ahy aho, mbola tsy manam-bady aho ary mazava ho azy fa tsy manana zanaka lahy!! Dia inona izany no hataoko?!
Fa ny tena nahatezitra ity tanora ity:
Nandeha lavitra be aho vao tonga aty Arabie Saoudite. Tena irery aho! Tsy nanao zavatra tsy nety aho ary tsy mbola niharan'ny zavatra tsy nety nandritra ny fivahinianana nataoko tany am-pitan-dranomasina!!
Ambonin'ny fahafantarany ny lalàna fanampiny, dia henony koa fa:
Ny fanerena tahaka izao dia noforonin'i Arabie Saoudite ho azy manokana fa tsy misy ifandraisany amin'ny finoana Silamo! Noho izany, misakana ny 1/3 ny vahoaka Silamo (vehivavy) manerana ny tany ny governemanta any Arabie Saoudite amin'ny fivavahana nandidian'i Allah hotanterahany! Iza no milaza fa ny tenin'ny governemanta any an-toerana no ambony noho ny tenin'i Allah?! Iza no nilaza tamin-dry zareo fa fananany manokana i la Mecque sy ny mpaminany Muhammed ka afaka mamorona lalàna ho azy izy hampitandremana izay rehetra te hamangy any an-toerana?!
mampifandray ny heviny mikasika ny fanavakavahana amin'ny an'ny namany any Arabie Saoudite i Dalia:
Ankehitriny, tsy misy resaka! Arabie Saoudite no mpanao tsinontsinona indrindra ny zon'ny vehivavy aty amin'ny faritra misy antsika. Tsy avelany hampiseho tarehy ny vehivavy, tsy mahazo mitondra fiara, tsy avelany miasa aza ary tsy mahazo mifangaro amin'ny lehilahy! Mampiasa ny anaran'ny Silamo i Arabie Saoudite amin'izany fanitsakitsahana mahatsiravina ny zon'ny vehivavy izany. Ovany ny sarin'ny fivavahantsika feno fandeferana. Kanefa, tsy avy any Arabie Saoudite aho; nahoana no tsy maintsy manaraka izany lalàna izany? Tena tsy rariny!
Andeha hiverenantsika ny nahaterahan'ny mpaminany:
Na eo aza izany rehetra izany dia tsy mankalaza ny andro nahaterahan'ny mpaminany i Arabie Saoudite. tsy mankalaza izay na dia 1) teraka tany an-toerana ny mpaminany Muhammed; 2) Tany an-toerana no nanombohany ny fivavahana Silamo; 3) tany arabie Saoudite no nandaniany ny androny rehetra; 4) noraisin'ny governemanta ho azy ny fananan'ny mpaminany rehetra. Noho izany, nahoana no tsy mankalaza ny andro nahaterahan'ny mpaminany izy? Tsy mahatsiaro akory ity andro ity izy ireo, izahay-Silamo Ejiptiana- ve no manao zavatra mifanohitra amin'ny fivavahana?!!!
Miantso àry i Dalia ny:
Ny vehivavy eran-tany, Silamo mivoatra, ary ireo rehetra manaiky ny zon'ny vehivavy ao amin'ny tontolon'ny fivavahana Silamo mba hanaraka ahyhiady amin'ny governemanta any Arabie Saoudite hahazoako ny zoko (amin'ny maha vehivavy ahy) hahafahako mivavaka ao anatin'ny fiadanana tanteraka, ho afaka amin'ny fangejana ataon'ireo tsy te hahalala sy tery saina tahaka an'i Arabie Saoudite .
Tsy manana “lalàna azy manokana” amin'ny fivavahana Silamo i Arabie Saoudite!
Manenjika ny fomba fitondrana ny vehivavy any Arabie Saoudite ho tahaka ny zaza tsy ampy taona ny Muslimah Media Watch .
Ny mpitondra tenin'ni Arabie Saoudite ao amin'ny Kaomision'ny Zon'Olombelona, Zoheir al-Harithi, no nilaza fa tsy mahakasika ny ezaka hatao hanatsarana ny toe-draharaha izany na dia mifangaro amin'ny pôlitikan'ny fanjakana aza. Miobon-kevitra amin'ny hevitra sasantsasany izahay ary mandinika izany ny governemanta, kanefa kosa tsy miombon-kevitra amin'izy rehetra.”
Afaka alaina ny resaka rehetra, mahakasika ny tsy fanajana ny zon'olombelon'olombelona avy amin'ny mpiantoka lehilahy sy ny fanavakavahana any Arabie Saoudite.
Nanokatra Facebook ho an'ny fanentanany ataony i Dalia Ziada.
Marwa Rakha
Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana
Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.
Nanoratra fanasana ao anatin’ny bolongany i Spring:
إحنا المصريين بنحب بعضنا و بنحب بلدنا. شايفين اللي حصل في الحسين من كام يوم؟ حركة خايبة آخر حاجه. تيجوا ندعم بلدنا و نبين للعالم اننا بنحبها؟ تروح كلنا للحسين يوم الخميس الجاي. غالبا كل اللي هايقرا الكلام ده هايوافقني ، ماحدش هايرفض الا اللي عايزين خراب البلد ..أيوه لازم كلنا نروح هناك ، نصلي في الحسين ، نقعد على قهوة و نشتري حاجه من خان الخليلي ، ننفع الناس يعني و نحيي المكان .. لازم كلنا نلبي الدعوة ، دي مصر اللي بتدعينا. ها قلتوا ايه؟ خلوا معادنا مع مصر يوم الخميس خراب مصر مش هانسمح بيه أبدا.خمسين مليون مصري في الحسين يوم الخميس
Mifankatia izahay Ejipsiana ary feno fitiavana ny firenenay izahay. Mba fantatrao ve hoe, inona no nitranga tao Al Hussain andro vitsivitsy lasa  izay? Fihetsika feno adalana! Andao isika hanohana ny firenentsika ary hampiseho an’izao tontolo izao hoe hatraiza ny fitiavantsika ny firenentsika. Andao isika hanao rodobe ho any Al Hussain amin’ny Alakamisy. Mino aho fa maro amin’ireo izay mamaky ity lahatsoratra ity no miaraka amiko afatsy hoe angaha ireo izay mitady an’I Ejipta hikoroso fahana. Eny…Isika rehetra mihintsy no tokony mankeny, hivavaka ao amin’ny moske manantantara, hipetrapetraka eny amin’ny toeram-pisotroana kafe, hividy zavatra eny  amin’ny Khan El Khalili, andao ampiantsika ny mpivarotra ary omentsika aina vao indray ny toerana…. Ilaina ny fankatoavantsika ny antso satria I Ejipta malalantsika no miantso ato amintsika. Ka ahoana hoy ianao? Vonona ve isika amin’io Alakamisy io? Tiako ny hahitra Ejipsiana miisa 50 tapitrisa ao Al Hussein amin’ny Alakamisy ho amin’ny fanasoavana an’ny Ejipta ihany.
Io vondrona mpamaham-bolongana io ihany no mamorona ny ekipa Facebook  mba anapariahana ity hafatra ity.
Vondrona mpitoraka bolongana hafa izay manome azy tenany ny anarana hoe 14 February Movement who put Egypt First (hetsika 14 Febroary mametraka an’I Ejipta ho vaolohany) no nanomboka ny fanapahan-kevitra hafa izay niseho tamin’ny 1 Marsa. Fanehoana entina ho an’ny mpizaha tany ny tanjon’ireo voninkazo izay natolotra ny tsirairay avy tamin’izy ireo manao hoe arabaina ny fahatongavanareo eto Ejipta.
Afaka hitanao  eto ny Sarin'ny zava-nitranga ary ny horonantsary kosa dia eto:
Toy izao ny teny farany:
في حب مصر إلتقوا هؤلاء الشباب وإنتشروا في منطقة الحسين فكانوا كالورد يفووحون روائح طيبة بعثت النشوي ف أصحاب البازارات والبسمه في وشوش السياح والطمأنينه في قلوب رجال الشرطة المتوجسين خيفه من أي تجمع حتي ولو كان بالشكل الذي فعلوهي نفوس المصريين
Amin’ny anaran’ny fitiavana an’I Ejipta, dia nandeha namangy ny toerana Al Hussen ireo tanora mpamaham-bolongana sy ireo mpikirakira ny Facebook mizara voninkazo sy tsikitsika mahate ho tia miarahaba ny mpizaha tany. Aparitak’izy ireo eo anivon’ireo tsena an-dalambe ny hafaliana, hasambarana no hita eny amin’ny endriky ny mpizaha tany, fanohanana sy fahandriampahalemana no milentika ao am-pon’ireo polisy vonona lalandava.
Share This
Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala Breziliana
Herinandro lasa izay, nifoha mba hankafy ny fety goavana  sy manandazan’ny firenena fanao isan-taona ny vahoaka Brezilianina: ny karnavalona izany, na koa hoe, ilay fandaniana goavana eto an-tany izay misintona olona antampitrisany hivoaka an-dalambe an’ny renivotra tsirairay eran’ny firenena. Anisan’ny kolotsaina Eropeana ifangaroan’ny vako-drazana izy ity, samy nahita ny embony, ny lokony sy ny lazan’I Brezil ny Afrikana sy ny Eropeana.
Adinoy ny krizy ara-toekarena eran’izao tontolo izao, na ny krizy isan’andron’I Brazil – karnavalona toy ny mahazatra izany. Ambony noho ny vinavina ary avo noho ny tamin’ny taona lasa ny isan’ny olona sy ny mpizaha tany, izay arahan’ny tahan’ny hari-karena isan-taona. Novinavinaina fa ho 710 000 ny mpizaha tany mety hamangy an’I Rio de Janeiro fotsiny (tamin’ny taona lasa dia nahitana 705 000). Ary noho ny taham-bola miakatra eo amin’ny vola dollar, dia ho betsaka  ireo Breziliana no hanapakevitra hijanona ao an-toerana hanao karnavalo ary hivezivezy ao anatin’ny firenena ihany, raha araka ny tokony ho izy dia matetika no mandany ny fotoanany amin’ny fety any ivelany ry zareo.
Manao fiankanjoana ny olona mandritra ny Karnavalo, manala azy na mamahana angovo avy amin’ilay fotoana izay ekena foana hoe andro tsy fiasana ry zareo. Miisatra sady mijanona ny firenena mandritra ny fankalazana, ary betsaka no miteny hoe manomboka ny taom-baovao ao aorian’ny karnavalo. Tsy azo antoka ny hisian’ny fihomehezana ireo famoronan-tsehatra ataon’ny olona rehefa eo anatrehan’ireo fiankanjoana tsy maontina, na endrika mahatsikaiky sy ireo jery todika mahakasika ny raharaha ao an-toerana sy iraisam-pirenena. Ireto kosa ny sasany amin’ireo sary  tsara indrindra nomen’ny Creative Commons alalana izay naely tao tao anatin’ny Flickr.
Andro “voalohany”, Asabotsy faha-21
Tery ny toerana entina hanodikodinana ny elo! Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny Galo da Madrugada ny karnavalo tao Recife, ilay karnavalo mankadiry indrindra antsoina hoe “bloco”, izay mampiseho an-tsary ao anatin’ny Boky Guiness misy ny antontan’izao tontolo izao (The Guiness book of World Records) fa  izy no Karnavalo rodobe an-dalana mankadiry indrindra eto amin’izao tontolo izao. Sarin’I  Felipe Ferreira (FF).
Lehilahy mitafy akanjo vita amin’ny kapoty tao Recife, sarin’I  carlosoliveirareis. Nanome kapoty antapitrisany ny mpitondra fanjakana nandritra ny Karnavalo, kanefa dia mbola voavinavina ihany fa hirongatra ny zaza hateraka afaka 9 volana.
Akanjo hafa vita karakara aoka izany: vehivavy mpimpasoka eny andalan’ny Recife, sarin’I  carlosoliveirareis.
Mpankafy ao São Paulo's Sambodromo. Sarin’I André Cherri.
Alahadin’ny famelan-keloka, faha-22
Azon'i Rodrigo Soldon ny sarin’I Mona Lisa, izay mifaly avanja ao anatin’ny karnvalon’ny Rio.
Cordão do Boitatá, Rio de Janeiro. Sarin’i Luciano Joaquim
Ho an’ireo izay tsy afaka mandany fotoanany miala lavitra ny tranok’ala makasika ny serasera ara-tsosialy, dia ity ny fomba fiankanjon’I Orkut. Rio de Janeiro. Sarin’I  URBefotos.
Nandeha nitsidika an’I Olinda I Fidel Castro mba hijery Karnavalo. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda. Olinda. Ankoatri’ireo mpanao politika dia tsikaritra teny amin’ny faritra maron’ny firenena ihany koa I Barack Obama, ny indro kely fotsiny dia tsy nampiditra ny sary anaty anterineto eo ambanin’ny Creative Commons license ireo mpaka sary miafina tsara vintana (papparrazzi)Alatsinainy madio, faha-23
Miara-mifaly  ao Olinda ny mpanao gazety Irakianina, Andriamatoa Bush sy ny kiraro am-bozonana. Fantatrao ny tantara ao ambadik’izany. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda
Horoka omen’ny mpilalao sarimihetsika Paola Oliveira, ilay mpanjaka vavin’ny Sekoly dihy Samba ao Grand Rio, iray amin’ireo sekoly miisa 30 nifaninana tamin’nySamba School Parade. Sarin’I dubiella.
Ny sekoly nandresy tao Rio de janeiro dia I Salgueiro. Sarin’I ane aguirre
Talatan’ny voavela heloka, faha-24
Venice?Tsia, Olinda! Sarin’IÁdria de Souza/Pref.Olinda
Mitsambikimbikina tsy ankijanona tao São Paulo. Sarin’I  Cristiano Caniche.
Tsisy ny andron’ny mofo tampon-tsatroka (crepe) ao Brasil, ny andro faran’ny karnavalo dia mampanembonembona – Vao mangiran-dratsy, Rio de Janeiro. Sarin’i Ana Pinta izay anaovan’ny mpikirakira flicker tsikera: “Dia hita mihintsy fa toy izao ny endriky Rio de Janeiro”.
Alarobian-davenona, faha-25
Manisa andro sahady ireo mpandefa eritreritra ao Olinda miandrandra ny fety goavana manaraka amin’ny heritaona eo ampitazonana sora-baventy manao hoe: “Aza taitra fa 353 andro sisa e”. sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda
Tapitra tanteraka amin’ny fomba ofisialy ny karnavalon’ity taona ity, eny fa na dia mbola mandeha hatrany aza ny herinandro hafa tsy ofisialy entin’ny antokon’olona “ tia manala azy” ho fankalazana ny karnavalo misimisy kokoa, afaka manomboka amin’izay ‘zany ny taona 2009.