GlobalVoices anaty

Tsangatsangana

Tahiry Lohahevitra · 156 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Tsangatsangana

19/05/2013

Video Lahatsoratra
Mahalasa Adala An'i Sina Ny Volamena Mora Vidy

Tohin'ny lahatsoratra

Nolanian'ireo mpizahatany avy any Shina, voasariky ny vidin'ny volamena izay nitontongana, ny volamena tany amin'ireo banky sy fivarotana firavaka any Hong Kong nandritra ny faran'ny herinandro natao ho an'ny metaly lafovidy.

16/04/2013

Poizina Ho An'ireo Rosiana Mpanao Gazety Ny Labiera & Twitter Afangaro

Tohin'ny lahatsoratra Akon'ny RuNet

Fitaovam-pitaterana mora sy azo antoka hifamezivezena ao Rosia ny fiarandalamby, indrindra fa raha ampitahaina amin'ireo arabe ratsy dia ratsy ao amin'ny firenena. Firenena lehibe i Rosia ary andaniana ora maro ny dia manasaraka ireo tanan-dehibe (na mety ho andro mihitsy aza). Noho ireo fahasarotana ireo, efa zava-mahazatra loatra araka izany ho an'ny mpandeha sasany ny misotro in-dray na in-droa mba handaniana ny andro. Indraindray aza dia mihoatra noho io ho an'ny olona sasany, eny fa na dia mpanao gazety aza.

05/03/2013

Isiraely Mampiditra Zotra Mitokana ho an'ny Jiosy ho an'ny Arabo

Nampihatra Bus [zotra] misaraka ho an'ny Jiosy sy ny Arabo, mampitohy an'i amoron'i Jordania amin'Isiraely nanomboka androany [4 marsa 2013] i Isiraely. Niontana tamin'izany vaovao izany ny mpiserasera, milazalaza an'i Isiraely ho mampihatra ny fanavakavahana sy ny apartheid.

12/02/2013

Media Sosialy Ao Meksika sy ny Fitiavana Revolisiona

Tohin'ny lahatsoratra

Manerantany, hahita “Meksika isan-karazany” amin'ny vaovao ianao: ny paradisan'ny fety-tora-pasika-masoandro-tequila, firenena miady amin'ny rongony – mampidi-doza sy firenen'ny mpanakanto- mpihira vako-drazana-maroloko miaraka amin'ny  sakafo mafilotra mila fantarina. Firenena midadasika sy...

10/02/2013

Andianà Mpizaha-tany Mandoto ny Ala-Mando (Mangrovy) Lehibe Indrindra Manerantany

Tohin'ny lahatsoratra

Manimba ny ala-mando lehibe indrindra manerantany ireo mpizaha-tany tsy mitsaha-mitombo be tabataba sy mpandoto ny tontolo iainana, mihitatra hatrany Bangladesh, atsinanan'i India izany izay toerana mampialoka Liona Mpanjaka Bengaly sy angona biby...

27/01/2013

Patagonia Arzantiniana: Ankafizin'ny Bilaogera Mpandehandeha sy ny Mpizaha tany any Arzantina

Tohin'ny lahatsoratra

Amin'ity vakansy fahavaratra 2013 ity dia nisafidy an'i Patagonia Arzantiniana [en] ho iray amin'ny toera-pizahantany ankafizina indrindra ny Arzantiniana.

16/01/2013

Tsy Misy Fahazoan-dàlana Hivoaka: Miteny Ireo Kiobàna Any Am-pielezana

Tohin'ny lahatsoratra

aorian'ireo vinavina, nitranga ihany ilay izy nony farany. Nofoanan'ny governemanta Kiobàna ny filàna fahazoan-dàlana hivoaka - indrindra fa ny fanomezan-dàlan'ny fanjakana - handao ny firenena. Ireo bilaogera, avy amin'ny Kiobàna any am-pielezana no ankamaroan'izy ireny, dia nizara ny fomba fisainany mikasika ity fivoaran-draharaha vaovao ity.

13/01/2013

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

10/01/2013

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

Mpianatra porto-rikana nanao fitsidihana tao Bastia, any Corse, tamin'ny alalan'ny Vallendrea – Valam-bahoaka

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.

16/12/2012

Tiako i Brunei Satria….

Tohin'ny lahatsoratra

Delwin Keasberry, fantatry ny be sy ny maro kokoa amin'ny hoe @BruneiTweet eny anatin'ny vondrom-piarahamonina aterineto Brunei, dia nangataka tamin'ireo mpanjohy azy ao an-toerana mba hibitsika ny fitiavan'izy ireo ny fireneny. Ity lahatsoratra ity dia manasongadina ny sasany amin'ireo bitsika nalefan'ireo Brunei mpampiasa twitter, izay namoaka zavatra maro mikasika ny fiarahamonina Brunei sy ny vahoakany.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny