· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Dika tamin'ny Janoary, 2012

Okraina: Ny “Photo Art” Dia Manampy Amin'ny Ady Atao Amin'ny SIDA

Rising Voices  24 Janoary 2012

Tamin'ny fotoana nankalazàna ny Andro Eran-tany Ho An'ny SIDA (Novambra –Desambra, 2011) dia nisy fampirantiana ny sary avy tamin'ny tetikasa “AIDS- Open Faces” natao tao amin'ny tranoheva ‘Lavra’ tao Kiev. Ny fampirantiana dia natokana manontolo ho an'ireo olona mitondra ny VIH/SIDA ary nokarakarain'ny Elena Pinchuk AINTIAIDS Foundation. fikambanana mpanao asa soa tsy miankina amin'ny fanjakana. Ny sarin'ireo olona mitondra ny VIH sy ny fianakavian'izy ireo izay naseho tamin'ny fampirantiana dia nalain'i Brent Stirton mpaka sary fanta-daza avy ao amin'ny masoivoho ‘Getty Images’ avy any New York.

Okraina: Ny Anjara asan'ny Mpiandraikitra ny Fampahalalam-baovaon'ny ASTAU

Rising Voices  11 Janoary 2012

I Svetlana Sharamok dia mpiandraikitra ny Fampahalalam-baovaon'ny Association of Substitution Treatment Advocates of Ukraine (ASTAU). Anatin'ity fanadihadiana amin'ny alàlan'ny mailaka nataon'ny Rising Voices ity dia miresaka momba ny asany sy ny fifaliana amin'ny fahazoany anjara asa goavana amin'ny fifandraisana sy ny fahenoana zava-tsoa avy amin'ireo mpikambana izy.