The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Teknolojia Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Teknolojia

2009-02-17

Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”Video post

Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.

2009-02-05

Filaharan'ny bolongana Afrikana

Raha mpanaraka ny bolongana Afrikana ianao dia mety ho liana ihany koa amin'ny filaharana ankapoben'ireo bolongana ao amin'ny tontolom-bolongana Afrikana. Azontsika fantarina amin'ny alalan'ny fampilaharana ataon'ny Afrigator ireo mitana ny lohalaharana sy bolongana be mpamaky indrindra eto Afrika. Nandahatra lisitry ny vehivavy Afrikana mpamaham-bolongana mitana ny laharana 45 voalohany koa ...

2009-01-23

Bolongana Afrikana voafantina ho @ Bloggies 2009

Nisokatra tamin'ny voalohany volana janoary ary nikatona tamin'ny 19 janoary teo ny fifantenana fahasivy   ny loka fanolotra isan-taona: The 2009 Bloggies. Araka ny nolazain'ny vohikala mampanao ny fifaninanana dia ny Bloggies no fifaninanana lavitr'ezaka indrindra amin'ny resaka Web, ary anjaran'ny mpamaky ny bolongana avokoa no mifantina sy mifidy izay hiatrika ...

2009-01-19

Palestina: Mifampiresaka amin'ny Gaza

Araka ny toe-javatra mahazatra ary koa na dia eo aza ny taha ambony amin’ny fahaiza-manoratra, dia mipetraka eo anelanelan’ny 13 sy 15 ny isan-jaton'ny fahafaha-mampiasa ny aterineto any Palestina (tafiditra ao anatin’izany Cisjordania sy Gaza ). Na dia eo aza ny fanafihana manatona an’I Gaza dia hita kosa fa mihena ...

2009-01-16

Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao. Hanitatra ny andraikitry ny ...

2009-01-14

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.Video post

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra Andao ...

2009-01-06

Mitohy ny adin'ny Facebook amin'ny mpisovoka

Efa niresaka ny adihevitra amin'ny sivana misy eo amin'ny Facebook sy ny YouTube ny Global Voices, indrindra moa rehefa miresaka momba ny fanafihan'Isiraely an'i Gaza ankehitriny. Androany anefa dia tsikaritry ny ny mpamaky Global Voices iray fa maro amin'ny vondrona Facebook manohana an'i Gaza no voasovoka, ary heverina fa ny ...

2009-01-01

Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra teto amin'ny Global Voices taona 2008

Manakaiky ny 3 000 000 ny isan'ny nitsidika ny Global Voices tamin'ny 2008, ary ireto ny sasany tamin'ny tantara nalaza nandritra iny taona nivalona iny.

2008-12-27

Ejypsiana ampangain'i Arabia saodita ho mpitsikilo

Any am-ponjan'i Riyadh ampangaina ho mitsikilo eto amin'ny Fitondram-panjaka ankehitriny ny mpandamina fandaharana serasera (internet) sy haitao 27 taona Youssef Al Ashmawy. Manoratra i Zeinobia: Saudi Arabia is detaining Egyptian Internet activist Youssef Al Ashamawy. Youssef is being accused of spying on the kingdom for the Egyptian intelligence!! Youssef is detained ...

2008-12-24

Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa

Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany. Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...