· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2013

Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA

Niverina ny lalàna Amerikana "Stop Online Piracy Act" (Ajanony ny Fijirihana Anaty Aterneto) - ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012. Lalàna iray mamolavola sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka anaty Aterneto ny zon'ny mpamorona no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia.

Lalàna Vaovao Ho An'ny Skype sy Viber any Bahrain

“Antony Fiarovana” no lazaina fa antony mahatonga ny fepetra vaovao izay mety hamarana ny fampiasana ny tolotra malaza tahaka ny Skype, WhatsApp, Viber ary Tango any Bahrain. Notsongain'ny gazety ny fanambaran'ny minisi-panjakana misahana ny serasera Fawaz bin Mohammed Al Khalifa fa nampidirina ny fitsipika vaovao misahana ny  fampihatra Voice Over...

Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny fireneny, roa volana lasa izay.

Ireo Mpijirika Any Amin'ny Tanàna Arabo : Aterineto Miadam-pandeha Sy Girl Power Any Alzeria

Navoakan'ny Global Voices ny ampahany amin'ny bilaogin'i Sabline Blanc sy Ophélia Noor : “Les hackers dans la cité arabe” noho ny fahitàna ny ataon'ireo mpanao aterineto any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra. Ankehitriny hitany ny tontolon'ny aterineto any Alzeria niaraka tamin'ny tanora geek roa avy ao amin'ny Fianarana ambony momba ny Informatikan'i Alger.