· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2013

“TrashOut”: Sarintany Ifandrimbonan'ny RuNet Hanoroana Toera-Pako Tsy Ara-dalàna

Akon  26 Avrily 2013

Nisy fampihatra am-pinday vaovao mpandala ny tontolo iainana navoaka [ru] tao Rosia. Fifandrimbonana an-tsarintany ahafahan'ny mpisera manamarika toerana tsy ara-dalàna ahitana fako ao amin'ny sarintany iray ny “TrashOut“. Ity app (fampihatra) maimaipoana ho an'ny iOS sy ny Android, izay efa vita amin'ny fiteny hafa maro, dia vonona amin'ny fiteny Rosiana noho ny...

Mihemotra i YouTube Raha Misosasosa Ny Aterineto ao Korea Atsimo

  24 Avrily 2013

Ao Korea atsimo izay efa nozarina ny misosasoa amin'ny aterineto anisan'ny hainga-pikoriana indrindra manerantany, dia tsy mitsahatra ny itarainana hatrany ny YouTube noho ny fikatsokatsoany. Saingy nahoana moa ity habaka mampiantrano lahatsary ity no miada-pikoriana loatra raha oharina amin'ny ambin'ny aterineton'i Korea Atsimo? Ny valiny dia mitoetra ao amin'ny tsy fanajan'ny orinasa...

Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.

Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

  21 Avrily 2013

Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

Venezoela: Miomana Amin'ny Fifidianana Atao Amin'ny Alahady ny Fikambanana Tsy Miankina Ho Amin'ny Mangarahara

  14 Avrily 2013

Tao anatin'ny enim-bolana izao dia handeha handatsa-bato fanindroany ireo Venezoeliana. Hifidy izay handimby ny filoha teo aloha Hugo Chavez izy ireo, izay namoy ny ainy tamin'ny volana Marsa teo. Somary mikorontana ny tontolo politika ao amin'ny firenena fa tsy tahaka ny fifidianana tamin'ny volana Oktobra, na dia izany aza, afaka nivondrona ireo fikambanana tsy miankina (ONG) mba hiasa...