· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2013

Nivadika Nanoratra Bilaogy Ireo Mpanao Gazety Iharan'ny Teritery Ao Gambia

  25 Febroary 2013

Nanangana sy nanoratra bilaogy  ireo mpanao gazety sasany ao Gambia mba hitati-baovao noho ny fifandrafiana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, izay voaloton'ireo lalàna sy fitsipi-pipehezana mahery vaika saiky mampihitsoka ny fampahalam-baovao mahazatra. Nitsikera hatrany ny filohan'i Gambia Yahya Jammeh ireo vondro-piarovana noho izy tompon-dakan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Araka ny tatitra avy amin'ny “Reporters...

Ho an'ny Sariitatra Rosiana, Mirotsaka ny Tainkintana

Akon  16 Febroary 2013

Ny maraimben'ny 15 febroary, dia nandoro ny habakabaky ny tanànan'i Chelyabinsk ary mety ho nidona tamin'ny tany ny tainkintana iray. Amin'izao fotoana [15 feb] izao dia mbola mitady [ru] izay toerana nianjeran'ilay tainkintana ny fitondram-panjakana Rosiana, fa ny zavatra azo antoka dia niteraka feo malaky dia malaky niteraka fahavakisam-baravaram-pitaratra sy zavatra...

Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo

  16 Febroary 2013

Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana. Ilay fanapoahana, izay fanandramana nokleary voalohany teo ambany fitondran'i Kim Jong-un, dia tombanana ho manana hery atsasaky ny baomba nalatsaka tao Hiroshima,...

Fampiofanana Hazakazaka Haingana dia Haingana Momba Ny Lahatsary Misokatra

Rising Voices  07 Febroary 2013

Vao avy namoaka fampianarana haingana momba ny famoronana lahatsary misokatra ny oniversite “tsiroaroa” P2PU (Peer to Peer University) noho ny fangatahan'ireo olona mpikirakira, mpamoaka sy mpampiasa lahatsary. Tao anatin'ny hetsika Forum Open Video, natao tamin'ny volana Desambra 2012  tao amin'ny xm.lab no nananganana izany fampiofanana izany. Lohahevitra isan-karazany toy ny refin-dahatsary, fanaovana kaody, fametrahana lohateny kely,...

Nandray Am-po Ny Fitsikerana Azy Ny Sampam-pitsikilovana Ao Korea Atsimo .. ka Nitory

  05 Febroary 2013

Notorian'ny sampam-pitsikilovana ambony ao Korea Atsimo ho nanala-baraka azy ilay psykôlôgy mpahay lalàna Pyo Chang-won. Tamin'ny lahatsoratra farany navoakany [ko] tao amin'ny gazety mpanohana ny ankavia, namely ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Koreana (NIS) i Pyo, noho ny fanadihadiana notontosain'izy ireo tamin'ny mpiasa voalaza fa nanao asa tsy ara-dalàna nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany...