· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2012

Bangladesh: Tolotra Finday Ikarakarana Ny Fahasalaman'ny Ho Renim-pianakaviana Sy Ny Tera-bao

  30 Desambra 2012

Samy nilatsaka ny taha-pahafatesan'ny Reny sy ny zanaka any Bangladesh. Amin'ny andaniny dia manakaiky ny 66% ny fidiran'ny finday ary maro amin'ireo mpampiasa azy no vehivavy. Aponjon, tolotra fitandroana ny fahasalaman'ny reny izay mmampiasa ny finday dia natomboka vao haingana hikendrena ireo ho renim-pianakaviana sy ireo tera-bao any Bangladesh mba hampihenana ny aretina sy ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza menavava.

Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka

Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra]. Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany...

Syria: Mifampiraharaha Fandosirana Hita Tao Amin'ny Twitter

Taorian'ny tati-baovao nilaza fa nandositra tany Etazonia tamin'ny 25 Desambra ilay syriana mpitondra tenin'i Jihad Makdissi teo aloha, mpikatroka Rami Jarrah, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Alexander Page, izay namoaka sioka manokana mampiseho an'i Makdissi nifandray taminy nandritra ny volana maromaro. Izany angamba, araka ny anarana nomen'ireo mpisera Twitter no atao hoe,...

Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona

  28 Desambra 2012

Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanankatonana izay tsy azo idoviran'ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba ny Fampahalalàm-baovao mahaleotena. Malaza amin'ny fiaraha-miasa akaiky miaraka amin'ny WikiLeaks, OWNI nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalahana an-tserasera.

Mankatò Ny Fampiasa Facebook Kostarikana Ny Loka Access Innovation 2012

  12 Desambra 2012

Nanambara ireo nandresy tamin'ny fifaninanana ahazoana ny lokam-panavaozana ny teknolojia hotontosaina isan-taona voalohany, tamin'ny 10 Desambra 2012 lasa teo, ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Access.org. Ny fifaninanana dia natao hamoriana fandraisana an-tanana mampiasa ny serasera sy ny teknolojia fifandraisan-davitra entina hamahavahana ny olan-dehibe any amin'ny fiaraha-monina misy azy. Nozaraina ho sokajy...