· Oktobra, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2012

Filipina: Fanairana “Epal” Zava-Mahamenatra Ataon'ny Mpanao Politika Hita Ao Amin'ny Aterineto

  31 Oktobra 2012

Herintaona latsaka alohan'ny fifidianam-pirenena 2013, namoaka fanentanana tao amin'ny aterineto ny mpiserasera, fanairana manohitra ny fomba fanaon'ny mpanao politika Filipina “mahamenatra” amin'ny fametrahana ny anaran'izy ireo amin'ny tetikasan'ny governemanta izay tohanana na/sy ampian'ny minisiterany. Petahana marika hoe “epal” ireo mpanao politika, “epal”, tenin-jatovon'ny Filipino midika hoe “tandremo mpangalatra,” noho ny fampiasana ny volam-bahoaka...

Okraina: Teknolojia Ho Amin'ny Fifidianana Mangarahara

Nifidy solombavambahoaka ny Okrainiana tamin'ny 28 Oktobra teo. Noho ny fanagadran'ny filoha am-perinasa ankehitriny ireo mpanao politika mpanohitra, nahasarika tanteraka ny fiarahamonina iraisam-pirenena ny fizotry ny fifidianana. Manoloana ny filazan'ny antokon'ny fitondrana amin'ny fampiasana ny fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, nampanantena ny governemanta Okrainiana ankehitriny fa atao mangarahara, marina izany ary mpanara-maso iraisam-pirenena...

Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany

  27 Oktobra 2012

Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara...

Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

  22 Oktobra 2012

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy...

Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery

  20 Oktobra 2012

Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly

Akon  09 Oktobra 2012

Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...