· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2012

Ejipta: Fampahafantarana Ny MorsiMetatra

Taorian'ny 32 taona nitondran'i Hosni Mubarak, manana filoham-pirenena vaovao sy rindrambaiko vaovao ny Ejiptiana mba hanaraha-maso ny fizotry ny asan'ilay filoham-pirenena vaovao Mohamed Morsi ary ny fivoaran'ny fanatanterahana ireo toky 64 goavana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra notanterahany.

Rosia: Tetikasanà Crowdsourcing Hikarohana Ireo Ankizy Tsy Hita

Niforona ny ekipa mpikaroka sy mpamonjy aina Liza Alert taorian'ny nanjavonan'i Liza Fomkina tany amin'ny vohitr'iOrekhovo-Zuevo (manodidina ny 50 miles atsinanan'i Môskoa). Ho setrin'ny hetsika nahitana lesoky avy amin'ny governemanta, nanapa-kevitra ny hiombona ireo mpirotsaka an-tsitra-po mba hahazoana toky fa tsy hisy zavatra tahaka izany intsony hitranga.

“Mpanelanelana Ara-kolotsaina Ny Bilaogera”

GV Mpisolovava  20 Jona 2012

Ivan Sigal, tale mpanatanteraky ny Global Voices dia nitafatafa tamin'ny Amnesty International Allemagne mba hanazava ny niandohana sy ny tanjon'ny Global Voices. Azavainy indrindra amin'izany ny anjara toerana raisin'ireo bilaogera ao anatin'ny fifanakalozana vaovao miampita lavitry ny sakan'ny fiteny sy ny kolotsaina tsy mitovy..

Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra

  18 Jona 2012

Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.

Indonezia: Fitaovana Fandraketana An-tsarintany Ny Fahasimban'ny Ala Ao Sumatra

  15 Jona 2012

Misy fitaovana iray vaovao fandraketana ho anaty saritany izay manome tahirin-kevitra mikasika ny fahasimbana mahavalalanina mahazo ny ala mandrakotra ny Nosy Sumatra ao Indonezia. Sumatra, nosy iray isan'ny lehibe indrindra eran'izao tontolo izao, dia toerana iray hany fantatra fa misy elefanta, rhinos, tigra sy 'orangutans' miara-monina. Ilay sarintany ety anaty aterineto dia manome torohay manan-danja koa mikasika ny harena ananan'ilay nosy raha resaka fifangaroan'ny zavamiaina ao.

Bahamas: Famakafakàna Bilaogera Momba Ny Valim-pifidianana

  11 Jona 2012

Ny valim-pifidi-anana ankapobeny ny alatsinainy teo tany Bahamas no nanome governemanta vaovao ho an'ny firenena : ny Antoko Mirona Liberaly (Progressive Liberale Party na  PLP), izay nipetraka tamin'ny toeran’ny mpanohitra tao amin’ny parlementa teo aloha, no voafidy ho eo amin’ny fahefàna, izay antsoin’ireo bilaogera hoe fandresena fikorisan'ny tany [goavana] . Nanao tomba-maso vetivety...

Kambodza: Tsy Nisy Fahagagana Nandritra ny Fididianana Ben'ny Tanàna

  08 Jona 2012

Fifidianana fahatelo amin’ny fe-potoa-piasan’ny Filankevi-monisipaly ao Kambodza ny fifidianana ben'ny tanàna notontosaina tamin’ny Alahady 3 Jiona lasa teo, izay manana fe-potoa-piasana 5 taona. Napetraka ny fampiharana ny firafitry ny Filankevi-monisipaly mba hampiroboroboana ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny resaka fitantanana sy mba handraisana fanapaha-kevitra manakaiky ny vahoaka. Tamin’ny taona 2002 sy 2007...

Katara: Mahazo Alalana Hiantsena sy Hitondra Finday!

Namaly am-pahatezerana ilay lahatsoratra nivoaka tao amin'ny tranonkalan'ny “Sydney Morning Herald” ireo mpijery aterineto any Katara izay milaza ny tsy nahazoan'ny vehivavy Katariana miantsena ary tsy mora ny fidiran'izy ireo amin'ny teknolojia. Ilay lahatsoratra nivoaka tamin'ny 23 May ary nantsoina hoe “manampy ny vehivavy hifanerasera amin'izao tontolo izao ny fiaraha-misotro...