· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2012

Pakistana: Nandalo Faran'ny Herinandro Fanivànana Ny Twitter

  30 Mey 2012

Niaritra fanivanana tanteraka ireo mpampiasa Twitter manerana ireo FAI rehetra tany Pakistana nanomboka ny Alahady 20 Mey tamin'ny 1 ora tolakandro.noho ny baikon'ny Manam-pahefana amin'ny Fifandraisana any Pakistana izay nilaza fa fanivanana ireo sary manala baraka no antony. Na eo aza izany, mihevitra ireo mpampiasa aterineto fa manandrana ny tolotra Fanivanana URL ireo manam-pahefana. Nesorina iany sakana izany tamin'ny alina.

Bolivia: Atrikasa Web 2.0 Ho An’ny Mpampianatra Aymara

  25 Mey 2012

Andiana atrikasa Web 2.0 no notontosaina tao amin’ny departemantan’i Oruro ao Bolivia tamin’ny 2 Mey sy 3 Mey 2012. Nokarakarain’ny Minisitireran'ny Fampianarana sy ny tetikasa Jaqi Aru izany atrikasa izany. Tetikasa izay ahitana vondrona mpandalina teny ao an-tanànan’i El Alto, Bolivia. Nampiroborobo ny fampiasana ny teny Aymara tamin’ny aterineto ity vondrona ity. Maro...

Lahatsary: Asehon'ny Robot Antsika Ny Fomba Hiarovan-tena Ao Amin'ny Aterineto

  16 Mey 2012

Lalana sarotra izay matetika saro-takarina tsy hay hoe atao ahoana ny fiarovan-tena ety amin'ny aterineto. Miezaka ny mampahafantatra ny olona ny Tactical Tech Collective ny amin'ny mba hiarovany tena amin'ny aterineto, amin'ny alalan'ny fampiasana torohevitra an-tsarimihetsika, izay azo jerena amin'ny aterineto na sintonina ho anaty solosaina, miaraka amin'ny robot kely mihetsiketsika mahafinaritra.

Kondwani Munthali: Bilaogeran'ny Taona ao Malawi

  16 Mey 2012

Sambany teo amin'ny tantaran'ny media ao Malawi no ekena ho fanao manana ny anjara toerany eo amin'ny fanaovan-gazety ny famahanana bolongana. Izany no nanaraka ny fanomezandoka ilay bilaogera sady mpanao gazety Kondwani Munthali niarahana tamin'ny Lokan'ny famahanam-bolongan‘ny taona avy amin'ny Media Institute of Southern Africa (MISA). Ao anatin'ny andro fankalazana ny Andron'ny...

Rosia: Vohikala Mampiseho Ny Karaman'ny Mpiasam-Panjakana

Najoro ny tetikasa “Tombontsoam-bahoaka” [ru] mba hahitan'izay liana hahafantatra ny mombamomba ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny lefitry ny manampahefana ambony. Narafitra tamin'ny alalan'ny nangonin'ny olona ary navoaka araka izay mifanaraka amin'ny lalàna Rosiana ny fampahafantarana. Ankoatra ny fampahalalana ankapobeny momba ny fidiram-bola, misy antontan'isa hafa mahaliana ihany koa hita ao,...

Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy

Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay ampiantranoan'ny Sampana [Birao] Eoropeana ao Florence, Italia. Hankatò ny zava-bitan'ny matihanina sy ny mpianatra manadihady ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloana...

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana] izay tsy iza fa i, reggamortis1 [ru], ilay nampita ny fivorian'ny mpanohitra sy ny hetsi-panoherana ao Moskoa.

Kenya: Loka Bilaogy Bake 2012

  10 Mey 2012

Nanolotra loka ho an'ireo mpamahana bolongana nandefa lahatsoratra, ahitana haisoratra lehibe sy mahasoa, manintona sy ahitana zava-baovao ny Fikambanana Mpamahana bolongana ao Kenya (BAKE) tamin'ny 5 Mey 2012. Avy amin'ny ezaka nataon'ny BAKE ny loka ho fampiroboroboana ny endriky ny famoronana votoaty. Ny fikambananan'ny mpamahana bolongana ao Kenya (Bloggers Association of...